Teny iditra asa
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Tanala] Tsy fantatro, tsy mahalala aho [1.78]
 Entina mamaly, ka milaza tsy fahafantarana na tsy fisafidianana: Rahoviana ianareo no handeha? -- Asa tsy fantatro fa manavy ny zanakay. / Handeha ianao sa hijanona? -- Asa, izay tianao no hataoko. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Don't know [1.2]
 I don't know [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Je n'en sais rien [1.8]
Ohatra 
1"Asa," hoy Ikotofetsy, "tsy fantatro izay mahatonga izany." [2.293]
2Asa na maty izy izay na mbola velona soa aman-tsara ihany. [2.470]
Tovy hevitra asane ~ asany
Kamban-teny 

Teny iditra asa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Teny ilazana izay atao: Asa mafy ny mitaona vato
Raharaha: Inona no asan' ny rainao, ry zaza ?
Fihadiana tany amin' ny angady mba hovolena: Tsy mbola vita asa itỳ tany itỳ ka karakarao
Fampiasana: Asa saina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Tillage, labour, work [1.2]
 Working the soil; work in general [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Travail [1.8, 1.13]
 Culture du sol [1.8]
 Emploi, fonction, opération, ouvrage [1.13]
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Lahatsoratra 

Teny iditra asa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza fiantsoana na fiangaviana olona hanatrika lanonana na hisakafo, fandidiana olona hanao zavatra. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  [1.2]
Sampanteny 
 

Teny iditra asa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza fandranitana zava-maranitra. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Sharpening [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Affûtage [1.8]
Sampanteny 
 

Teny iditra asa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Betsimisaraka] lalàna [1.78]

Teny iditra asa
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Taimoro] folo [1.78]
Voambolana 

Teny iditra Asa
Sokajin-teny anaran-tsamirery (boky ara-baiboly)
Fanazavàna teny anglisy Asa: boky iray ao amin' ny Baiboly [2.996]
 Acts: one of the books of the Bible [2.996]
Fanazavàna teny frantsay Actes: un des livres de la Bible [2.996]
Voambolana 

Teny iditra ASA
Sokajin-teny anarana (fanafohezanteny) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Jereo Ankohonana - Sahirana - Arenina [3.1]
Voambolana 
Mpanahaka  Fanafohezan-teny

Teny iditra ASA
Sokajin-teny anarana (fanafohezanteny) [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy See American School of Antananarivo [3.1]
Voambolana 
Mpanahaka  Fanafohezan-teny
Habaka http://www.asamadagascar.org

Teny iditra ASA
Sokajin-teny anarana (fanafohezanteny) [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay Voir Accueil des Sans-Abri [3.1]
Voambolana 
Mpanahaka  Fanafohezan-teny

Teny iditra ASA
Sokajin-teny anarana (fanafohezanteny) [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay Voir Agro-Sylviculture autour d' Antananarivo [3.1]
Voambolana 
Mpanahaka  Fanafohezan-teny
Habaka http://www.asamada.eu

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/16