Teny iditra hasina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Hery misy fahefana hanasoa na handresy, heverina ho misy ao amin' ny fanahy na olona na zavatra na toerana sasany, ka mahatonga azy hohajaina, hankatoavina, hatahorana. Ohatra: matahotra ny hasin' ny Zanahary sy ny razana ary ny Vazimba ny ntaolo, ka manaja azy ireo fatratra sy mivavaka taminy. Mbola misy tavela saiky eran' ny Nosy ny atao hoe tany masina sy hazomasina sy loharano masina ary biby masina koa. Samy ninoana sy natahorana ny hasin' ny andriana, ny ody ny ozona sy ny tsodrano [1.10]
 Hery ananan' ny zavatra iray: Misy hasina mahasitrana aretina maro ity hazo
Toetra ambony tsy azo tsiratsiraina, manome hery na fahefana mihoatra ny toetran' olombelona: Manan-kasina ny tanindrazana ~ Ninoan' ny Malagasy ny hasin' ny Mpanjaka
Haja, hamendrehana ananan' ny tsirairay: Maty hasina aho fa nodikain' ilay iny ny lohako
Hery, zo, sata, fandaitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy "mana" or sacred power; sanctity; virtue [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Vertu, force, puissance, la grâce, propriété naturelle ou surnaturelle, efficacité, vertu attachée à un objet, ce qui rend digne de respect [1.3]
 Vertu ou puissance mystique ou surnaturelle; sainteté [1.8]
 Pouvoir surnaturel attribué à certaines plantes : Misy hasina mahasitrana aretina maro ity hazo ity : cet arbre a le pouvoir, la vertu de guérir plusieurs maladies (R. P. Malzac). Ce mot racine souvent prononcé hasy a donné les mots mpimasy, omasy, ombiasy, noms dans les diverses régions des spécialistes du traitement par les plantes [1.196]
Ohatra Nasain'Ilaidama nandoa hasina Andriambola, dia afaka. [2.298]
Voambolana 
Sampanteny 
 
Tovy hevitra fandaitra ~ hery ~ sata ~ zo
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Lohateny Hasina (Rabearivelo Jean-Joseph)
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Teny iditra hasina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Sira: Tsy ampy hasina ny laoka [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Sel, saveur, goût [1.3]

Teny iditra hasina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tanala] Harikivy: tsy tamitamy ny hasiñ'io voangy io (tsy zaka ny harikivin'io voasary io) [1.78]

Teny iditra hasina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tambahoaka] Vidy, vidiny [1.78]

Teny iditra hasina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Vola na zavatra hafa atao fanomezana amin' ny fotoana na toe-javatra sasantsasany: Hasin-jaza, hasin-tanana
Vola tsy vaky atolotra ny mpanjaka amin' ny fandroana ho fankatoavana ny maha-andriamanjaka azy: Niakatratany an-drova nanolotra ny hasina ho an' ny Mpanjaka isam-pirenena ny vahoaka
Vola nomena ny mpanjaka raha nisy raharaha toy ny fifampivarotana, ny fananganana na fanarianjaza... teo amin' ny fokonolona: Vola roa karazana no no-m en' izay nanan-d raharaha natao teo amin' ny fokonolona, dia ny hasina ho an' ny Andriamanjaka ary ny orimbato ho an' ny fokonolona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A ceremonial gift [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Cadeau rituel [1.8]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Lahatsoratra 

Teny iditra hasina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanolanana zavatra, toy ny kofehy, tady; fampihevingevenana, fandrotsirotsiana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Action de rouler, comme en filant, en tordant des cordes
Action de bercer, d'agiter, de balancer quelqu'un ou quelque chose dans un drap, une couverture, un hamac [1.3]
Sampanteny 
 

Teny iditra hasina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ny ilany iray amin' ireo toa efitrefitra mielakelaka na misaratsaraka amin' ny zavatra iray: Hasim-boasary [1.1]
Fanazavàna teny frantsay (du malais asing) Nom donné aux compartiments de certains fruits ; exemple hasim-boasary : quartier d'une orange. Par extension, nom donné aux loges de l'ovaire dans une fleur. Le verbe mihasinkasina s'applique aux fruits qui se séparent en tranches ou quartiers comme l'orange, le citron, etc. Miefitra anatiny toa hasim-boasary : se séparer à l'intérieur comme les quartiers d'une orange ; au sens figuré, se dit des jeunes ménages qui s'isolent dans la grande famille patriarcale [1.196]
Sampanteny 

Teny iditra hasina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Hazo tsy dia lehibe loatra, lava somary etiety velarana ny raviny, izay mitangorona eo amin' ny toerana iray, ka misandrahaka manodidina ny vatany (Dracoena augustofolia). Hazo fahita teo akaikin' ny fasam-bazimba na tamin' ny tanàna nonenan' ny Andriana fahiny koa ny hasina [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [Merina] Nom générique donné aux plantes considérées comme sacrées, magiques ; elles servaient à l'origine à délimiter l'espace approprié par l'homme de la nature sauvage où régnaient les forces occultes les plus dangereuses. Ce sont toujours des espèces qui se bouturent facilement, il suffit d'en casser une tige et de la ficher en terre pour que repousse un nouveau sujet. Dracaena angustifolia Roxb. est la principale espèce connue sous ce nom. Mais on l'attribue aussi à Dracaena reflexa Lam. et Dracaena xiphophylla Baker. (Asparagaceae) De nos jours les Malgaches pensent que ces plantes marquent les sépultures des anciens habitants dits vazimba ; ceux qui vivaient à l'époque où l'on ignorait l'esclavage et la division de la société en classes. On emploie surtout cette plante magique pour préparer l' ody tendrihatoka [1.196]
Anarana siantifika Dracaena angustifolia, Dracaena xiphophylla
Voambolana 
Kamban-teny 

Teny iditra hasina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy  [Betsileo] The cotton plant or cotton. Same as landihazo [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  [Betsileo] (souvent prononcé hasy). Nom donné aux cotonniers : Gossypium arboreum L., Gossypium barbadense L., etc. (Malvaceae) et aussi à leur produit, le coton [1.196]

Teny iditra Hasina
Singan-teny hasina
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Rabearivelo Jean-Joseph
Lahatsoratra 
Fiançons aujourd'hui nos graves destinées
et qu'en l'azur nos chants aient une voix égale :
nos âmes sont pareillement infortunées
car nous avons perdu notre force ancestrale !

La terre qui nourrit tes vivaces racines,
les ramiers dont l'amour élit ta touffe sombre,
ni l'air bu ne sont pas ceux de tes origines,
et ta présence ici n'est que celle d'une ombre !

Quant à moi, fils des Rois d'une époque abolie,
reposant au rebord d'un tombeau qu'on oublie,
je chante d'une voix qui n'est pas de mes morts !

Mais, nous savons, palmier, vivant notre nouvelle
vie, avoir le front ceint de nos fleurs les plus belles
et nous jouer ainsi des rigueurs de nos sorts !
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2024/02/19