|
|
|
|

Teny iditra1  mamitaka
Fototeny  2  fitaka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Manambaka: Aza mamitaka ny bado
Manoloky, mametsy: Namitaka ny olona tao an-tanàna iny mpisoloky iny
Mahadiso hevitra: Loza fa namitaka ahy ny masoko: ataoko itỳ vola ariary zato no nomeny ahy, hay roapolo
mamangopangoka, mametsy, manangoly, manabony, mandroboka, mandrendrika, misaroro, misarory, mandroky, mandrokidroky, misodika, manao solia, manao sombia, manao sombe, manome vohony, manome vohon-dambo, manao antohimamba, mandainga, manao marina tsy to, manome fitaka, manome lainga, manambaka, mivarotra saka be loha, manolo-bato mafana, manao varo-draikiraiky, mamahan-dalitra, mamahandainga, manao hosoka, manao tsipandrifandry, mania dika, mifetsy, misoloky, misandoka, manandoka, mivarotra, mamandrika, manolikoly, manao ronono an-tavy, mampidi-bingo, mampidi-kizo, mampiditra amin' ny ety, mampiditra amin' ny maizina, manao longoa mitoto-bozaka, mahavoafitaka, manodoka
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2] to deceive, to cheat, to impose on.
6  [1.7] to defraud, to beguile
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.8] tromper, frauder
Ohatra  8  Misy mamitaka ireny. [2.4#]
9  mamitaka antsika ny fijerintsika. [1.369#]
Haiendriteny 
10  Ny ankehitriny :
11  Ny lasa :
12  Ny hoavy :
13  Filaza mandidy :
Ohabolana  14  Ohabolana misy io teny mamitaka io

Fivaditsoratra  15  mamataky, mamitaka

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20