Teny iditra | 1 maditra |
Fototeny | 2 ditra |
Sokajin-teny | 3 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
4 Be ditra, mikiry tafahoatra hanao araka ny heviny ihany na dia fantatra fa tsy marina sy tsy tsara aza: Lahiantitra maditra, tsy mbola nahita ohatra azy io aho 5 Minia manao ny tsy mety sy ny tsy tsara na dia tenenina lava izao aza: Zazalahy maditra iny fa mpisotro sy mpiloka ka tsy azonay ekena ho vadinao [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
6 stubborn [1.2, 1.7] 7 obstinate, pertinacious [1.2] 8 disobedient [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
9 obstiné, délinquant (se dit des jeunes) [1.8] |
Ohatra |
10 Adala sy maditra no fitsaran-dreniny azy, nefa ataony ahoana fa azy sy mankarary ny fony. [2.470] 11 angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy. [2.996] |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 15 1.1=mafy hatoka=mafy loha=mafy sofina=be bohihy=be marenina=donto=kirina=be kiry=be tohika=be bohika=kizitina=kafiry=madity=makikitra=be di-doha=mafy tadiny=mafy kitroka=mihizihizy=mahery loha=mahery vaika=mahery setra=mahery zaka=mahalava vava=manata-bava=matevin-koditra=mitsivalam-pandry=mahafotsy teny=mamotsy rora=tsy azo anarina=tsy hay toroana=tsy azo tenenina=tokam-bolana=tsy misy famavany=tsy andairan' anatra=tsy maty manota=tsy azo akisoka=tsy laitra akisoka=tsy azo atao ahoana amin' ahoana |
Kamban-teny |
|
Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20 |