Teny iditra (1/2) | 1 mankalaza |
Fototeny | 2 laza |
Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] manome voninahitra lehibe, midera: mankalaza ireo mahery fo namoy ny ainy ho azy ny firenena manao amim-pomba be voninahitra: hankalaza ny fetin' ny krismasy isika atsy ho atsy |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] to glorify, to exalt to report a person as having been guilty of some bad deed |
Fanazavàna teny frantsay |
6 [1.3, 1.5] publier, glorifier 7 [1.3] solenniser, fêter, remercier: Mankalaza anao aho noho ny soa nataonao tamiko (Je vous remercie à cause du bien que vous m'avez fait) |
Ohatra |
8 [2.508#35] Novorian-dRalambo tao Ambohibato ny vahoaka, ka nasainy hiara-mankalaza aminy ny nandreseny an' Andrianafovaratra. 9 [2.113#] Tamin' ny lanonana tamin' ny faran' ny Jolay dia firenena tokony ho fitopolo avy any am-pita no nandefa solontena hiara-mankalaza ny fahaleovantenan' i Madagasikara. |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 14 mandaza, midera, manome voninahitra, manome laza, mankasitraka, manaja, mandritika, mihoby, manakora, mitehaka, manondrotra, mananoano, manandratra, mampakatra, manambony, manangana, manangitrangy, mananampempa, manantoana, manandratsandratra, manandriana, manajohary, mitsoaka |
Teny iditra (2/2) | 15 mankalazà |
Fototeny | 16 laza |
Sokajin-teny | 17 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mankalaza [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
18 [1.1] |
Fanazavàna teny frantsay |
19 [1.3] |
Fivaditsoratra | 20 ankalazam, mankalazà, mankalaza |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08 |
![]() |