Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||
Ohabolana : marina | |||||||||||||||||||||
Ohabolana 1 | Bala mahatra ny marina ka tsy atifitra toloho [] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 2 | Fanafodin’ ny osa, ny marina atao. [2.558 #1071, 2.653 #897]
Fanafodin' ny osa ny marina ataony. [2.165 #92] Fanafodin' ny osa : ny marina no atao. [2.415 #2945] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Il n' est de meilleur remède pour les petits et les faibles que de toujours demeurer dans le droit chemin. [2.415 #2945]
La défense (litt. médecine) des faibles c' est leur honnêteté. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 3 | Fisaka ny to malama ny marina [] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 4 | Lavo an-tany marina, solafaka | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 5 | Loza enti-mody ny marina tsy ambara havana. [2.558 #1813]
Loza enti-mody ny rariny tsy ambara havana. [2.415 #1090, 2.653] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | La vérité qu' on ne communique pas aux parents, c' est un malheur qu' on rapporte chez soi. [2.415 #1090] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Il faut tout traiter en famille. [2.415 #1090] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 6 | Mahagaga ny marina, fa ny taim-borontsiloza avy no tsy ambara havana. [2.558 #1841] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 7 | Mandringa kely ila : manao rarangy | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Boiteux qui a une jambe atrophiée : il va au pas de course dans les descentes, mais dans un terrain plat il va clopin-clopant. [2.415] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Réussir dans une chose difficile et ne pas réussir dans une autre plus facile. [2.415 #1651] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 8 | Marina atao | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 9 | Marina izany ahy izany. [2.415 #6365] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | C' est moi qui ai raison. [2.415 #6365] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Paroles d' entêtement. [2.415 #6365] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 10 | Mariry ny marina, fisaka ny to. [1.147 #M2] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 11 | Mpiasa be miasa famoloana : mifamadika samy marina. [2.415 #3279, 2.558 #2610, 2.653 #1978] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Homme simple qui laboure une aire : c' est un homme droit qui retourne ce qui est droit. [2.415 #3279] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Se faire tort entre hommes de bien. [2.415 #3279] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 12 | Na tsy hino aza ny olona, ny marina ve hafenina! [2.558] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 13 | Ny manana ny marina : akanjon-goaika ny azy. [2.415 #3391] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Ceux qui ont pour eux la justice, ceux dont le droit est évident, leur affaire est claire et se voit immédiatement comme le collier blanc du corbeau. [2.415 #3391] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 14 | Ny marina ankanifisana raha tsy tsikeraina tsy hita [] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 15 | Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra. [1.1] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana malagasy | Enti-milaza ny halehiben' ny fahaizana miteny sy mandahatra ka izay tsy mahazava sy manohana ny marina ananany dia mety ho resin' ny lainga voalahatra amin' ny teny mirindra tsara. [1.1] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 16 | Ny marina toy ny afo, raha fonosina mandoro [] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 17 | Ny marina toy ny ketsa an-doharano : tomaratra maraina, mavana hariva. [2.558] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 18 | Ny marina toy ny ombalahy aronjina : na mivena aza tsy folaka. [2.558] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 19 | Ny marina toy ny trondro vaventy ka tsy hita raha tsy amin’ny lalina [] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 20 | Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo, ka tsy maty fa malazo. [2.558 #3126]
Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo, tsy maty fa malazo. [2.415 #2966, 2.165] Toy ny tsiriry anaty harefo : malazo fa tsy maty. [2.415 #6388] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | C' est comme l' herbe tsiriry au milieux des joncs harefo : elle est sèche mais elle n' est pas morte. [2.415 #6388]
Les hommes justes sont comme l' herbe tsiriry au milieu des joncs : ils ne meurent pas, il ne font que se faner. [2.415 #2966] Les justes sont comme l' herbe "tsiriry" au milieu des joncs: ils ne périssent pas, mais se fanent seulement. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Cette herbe est très vivace. Se disait des gens opiniâtres. [2.415 #6388] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 21 | Ny marina tsy mba maty []
Tsy maty ny marina. [2.415 #2980] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Le juste ne meurt pas. [2.415 #2980] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 22 | Ny olo-marina ohatra ny vato lava sorona: izay ametrahana azy mety avokoa. [2.653]
Ny olo-marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy mety avokoa. [2.558] Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Les gens honnêtes sont comme une pierre longue servant aux sacrifices: on peut la placer n' importe où, elle exerce toujours son influence. [2.165 #101] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 23 | Ny olo-marina tahaka ny vato lava sorona ka izay hametrahana azy marina avokoa [] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 24 | Ny olo-marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana: tsy folaka | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Gens honnêtes : ils sont comme les taureaux que l' on pousse au combat : pas vaincus aujourd' hui, jamais tués. [2.415 #2968]
Les honnêtes gens sont comme les taureaux que l' on pousse dans le combat: ils ne sont pas vaincus aujourd' hui, et ils ne sont jamais tués. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 25 | Ny olona no miady ny marina no aolaka [] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 26 | Ny teny marina ohatra ny Ny teny marina ohatra ny Ny teny marina ohatra ny Ny teny marina ohatra ny | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Les paroles sages sont comme la canne à sucre qu’on ne cesse de sucer: la saveur n’en peut être épuisée. [2.974 #203]
Les paroles vraies sont comme la canne à sucre que l'on mâche: quoiqu' elle soit longue, elle est douce partout. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 27 | Ny tola-paditra | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 28 | Teny zato, kabary arivo; fa iray ihany no marina. [2.165 #454]
Teny zato, kabary arivo, tokana ihany ny marina [] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Cent paroles, mille discours; un seul est vrai. [2.165 #454] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 29 | Tokin’aina ny marina atao [] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 30 | Toko fohatra, vilany mitongilana : izay tsy marina arenina. [2.415 #3518]
Toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety arenina. [2.558 #4160, 2.653 #3109] Toko tapaka, vilany mitongilana, ka izay tsy mety arenina. [2.165 #153, 2.415 #3072] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Pierres du foyer brisées, marmite renversée : il faut redresser ce qui n' est pas bien. [2.415 #3072]
Pierres du foyer qui ne sont pas affermies, marmite qui est inclinée : il faut redresser ce qui n' est pas droit. [2.415 #3518] Un trépied brisé, une marmite qui penche: on peut remettre d' aplomb ce qui ne l' est pas. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Il faut corriger ce qui n' est pas bien. [2.415 #3072]
Se disait des torts à redresser, des querelles à arranger. [2.415 #3518] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 31 | Vatsy tsy miohatra ny marina, soa tsy miohatra ny vola. [2.558] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 32 | Zovin' ny mpiambina : mahamamy ny torimason' ny marina. [2.558 #5107] | ||||||||||||||||||||
Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||