|
|
|
|

Teny iditra1  mihomehy
Fototeny  2  homehy
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Misoka-molotra mampiseho nify ho fanehoana hafaliana: Vao iray volana, hono, ity zaza ity dia nihomehy
Mamazivazy: Nihomehy an' ilay Rangahy be kibo daholo ny ankizy
Maneso, manakora: Tsy fanao ny mihomehy ny resy
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] to laugh at, to mock; to laugh
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] rire; se moquer de
Ohatra  7  Ankizy mahay mihomehy ireny, ankizy mahay milalao, mahay mihira, mahay mifaly, - saingy zanaky ny Tantsaha, ankizin' ambanivohitra. [2.470]
8  Izy ve mihomehy|hihomehy, ianao tsy mihomehy|hihomehy! [2.472]
Haiendriteny 
9  Ny ankehitriny :
10  Ny lasa :
11  Ny hoavy :
12  Filaza mandidy :
Mpanahaka  13  mitokelaka, lokin' ny hehy, latsaky ny hehy, dangin' ny hehy, ridan' ny hehy, jihitry ny hehy, tsipaky ny hehy, toran' ny hehy, matin' ny hehy, miatatry ny hehy, mibokitra ny tehezana, tsy manana aina, mivadika aty, tapa-tsinay, mivanika, mivanitika, manahy nify, mampiseho katsaka, mihomehy mihimoka, mihomehy tsy vaky, mikakakaka, mitokaka, manao hehy voraka, mihomehy ra, mihomehy mikafana, manao hehy valaka, manao farahehy, mivanivany, mikanikany, mikimokimoka, mikikikiky, mitsiky, mitsikitsiky, mitsiky tsy ravo, mitsiky mahalana, mitsiky vazana
Kamban-teny 
Ohabolana  21  Ohabolana misy io teny mihomehy io

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/11