Teny iditra reraka
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsy manan-kery intsony noho ny hanoanana na havizanana: Hateloana izay tsy nanendry honina aho ka reraka / Mafy loatra ny osa' nataony ka reraka izy
Marary mafy: Efa reraka izy ka tsy avelan' ny dokotera iresahana intsony
Maty: Tsy salama teny izy roa volana dia reraka
Lany harena, sahirana izaitsizy: Reraka Rakoto hatramin' izay nahavoazan' ny rivo-doza ny famboleny izay
Ketraka, kivy: Be loatra ny fahoriana nianjady taminy ka tsy mahagaga raha rerakaizy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Tired, exhausted [1.7]
Fanazavàna teny frantsay épuisé, affaibli, exténué par la fatigue, la faim, la maladie
Qui est gravement malade ; mort
Trop lâche comme une corde, un habit
Qui n’a plus de moyens d’existence, pauvre, ruiné, découragé. [1.3]
 Fatigué, épuisé [1.8]
Ohatra 
1Aza be ahiahy fa rera-doatra anie hianao [2.928]
2Angaha mety reraka ny tany? [2.117]
3Handeha izy, nefa tsy ho reraka [2.996]
4Efa reraka koa moa, ka dia nahita tory teo. [2.4]
5Farany, nahia kely sy reraka tanteraka izy. [2.472]
6fa rerak' ity zava-nifandimby nihatra taminy [2.499]
7Ny tenainy moa dia efa reraky ny tazo malagasy rahateo [2.649]
8Avy any lavitra izy ka reraka (Il vient de loin et il est épuisé de fatigue) [1.3]
9Tsy nihinana indroa andro izy ka reraka (Il n’a rien mangé depuis deux jours et il est exténué de faim) [1.3]
10Niangonan’ ny havany ny marary, fa reraka (Les parents se sont réunis auprès de lui, parce qu’il est gravement malade) [1.3]
11Narary telo volana izy dia reraka (Il est mort après trois mois maladie) [1.3]
12Reraka izy hatramin’ny nahalaniany ny hareny (Il n’a plus rien depuis qu’il a dépense sa fortune) [1.3]
13Nozoin’ ny loza mafy ka reraka (De grands malheurs sont tombés sur lui et il est découragé) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : reraka, reraky, rerak', rera-
Ny lasa : reraka, reraky, rerak', rera-
Ny hoavy : ho reraka, ho reraky, ho rerak', ho rera-
Sampanteny 
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11