Teny iditra sahirana
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Be raharaha vonjena atsy sy arỳ: Sahirana aho anio ka tsy afaka handray olona / Sahirana be ihany ry zareo ato avaratra fa manana vahiny betsaka
Mitovy hevitra: miheninkenina ~ mipenimpenina
Be ahiahy, manahy, sanganehana, valsa: Sahiran-tsaina aoka izany izy amin' ilay ady lova tsy mety vita
Sosotra, sorena: Sahirana ny anao fa tsy afa-panadinana
Tsy manam-bola, ao anatin' ny tsy fisiana, haporetana: Sahirana mafy Rakoto mianadahy avy hatramin' ny nahafatesan-drainy
Mitovy hevitra: poribola ~ poritra ~ tery
Mahatsiaro fahasarotana: Sahirana erỳ izy rehefa mandeha noho ilay vay ao amin' ny feny
Mitovy hevitra: be raharaha ~ jambena ~ mahantra ~ maro herehina ~ maro sahanina ~ mihenikenika ~ miheninkenina ~ mipenimpenina ~ sahirankirana ~ tominjana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Bothered, worried, perplexed; poor, in difficulty [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Ennuyé [1.3, 1.8]
 Affairé, embarrassé, occupé, préoccupé, qui a du souci, vexé [1.3]
 Perplexe; dans l'embarras; pauvre, qui manque d'argent [1.8]
Ohatra 
1Tsy ho sahirana rahateo koa izy noho ny fahalehibeazan' ny ankizy [2.470]
2Sahirana be ihany aho, fa manam-bahiny (Je suis très embarrassé, très occupé, parce que j'ai un hôte à traiter) [1.3]
3Sahirana loatra aho amin’ ity ady ity (Je suis très embarrassé, très préoccupé à cause de ce procès) [1.3]
4Sahirana aho, satria tsy lafo ny ombiko (Je suis ennuyé, vexé de ce que mon bœuf n’a pas été vendu) [1.3]
Haiendriteny 
Tsotra : sahirana, sahiram-, sahiran-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31