|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  tanteraka
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Loaka tafaboroaka any ambadika: Ataovy tanteraka any ambadika ny fantsika
Vita tsara an-tsakany sy an-davany, tontosa: Tanterakaizao ny nokasainao ka ahoana
Lavorary, tomombana: Tamim-panajana tanteraka no nandraisany anay
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] effected, accomplished, completed; perfect
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] effectué, accomplit; parfait
6  [1.13] réalisé; débouchant; totalement
Ohatra  7  Matoky tanteraka anareo aho. [2.649#201]
8  Niova tanteraka ny fiainako. [2.356#132]
9  Maina tanteraka ny ranomasony. [2.470#146]
Sampanteny 
10  Matoantenin' ny mpanao :
11  Matoantenin' ny iharana :
12  Matoantenin' ny fameno :
13  Anarana :
Mpanahaka  14  efa, vita, tontosa, tomombana, to, maty paika, nitady toko ka sendra vato, nikororoka vary ka sendra rivotra, naniry zaza ka tera-dahy
Kamban-teny 
Lohateny  30  Voninkazon' ny tanteraka (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
Ohabolana  31  Ohabolana misy io teny tanteraka io

Teny iditra (2/2)32  tanteraka
Sokajin-teny  33  anarana
Fanazavàna teny frantsay  34  [1.196] (de teraka : action d'enfanter, de mettre au monde). Nom de préparations généralement à base de plantes aromatiques qu'on utilise en bains de vapeurs avant et après l'accouchement. [Merina]
Voambolana  35  Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody
Anaram-javamaniry 

Fivaditsoratra  37  atanterak, taketrana, tanteraka

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02