Teny iditra tsotra
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Mahitsy tsy misy mivonkina: Tsotra tahaka ny tsinaim-balala
Mora tsy manahirana ny fanaovana na fampiasana azy: Milina tsotra ity anao ity
Mora azo, tsy be olakolaka na miolikolika: Lahateny tsotra ~ Valinteny tsotra
Tsy manan-kevi-dratsy hamely, tsy manafinafin-kevitra: Tsotra ohatra ny zazakely
Mora badoina: Tsotra loatra izy ka ambakain' ny sasany
Tsy be aingitraingitra na fombafombany: Manao fitafiana tsotra izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Smooth, plain; easy, simple [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Lisse, droit; simple, facile [1.8]
Ohatra 
1fitafiana tsotra kanefa madio sady milamindamina. [2.324]
2mamy dia mamy raha hanina tsotra amin' izao, saingy tsy mamy ny ranom-boafotsy asiana azy; [2.470]
3Mpitsabo tsotra ireny " dokotera" ireny matetika. [2.472]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Lohateny Resadresaka tsotra amin' ny teny Malagasy sy Rosiana
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31