| Teny iditra | 1 sakafo |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
20 Zavatra handroina ka hanina isan' andro amin' ny fotoana tsy miova: Tsotsotra ihany ny anay ny sakafo maraina fa vitan' ny vary sosoa sy kitoza fotsiny ~ Sotroy eran' ny sotro lehibe alohan' ny sakafo antoandro sy hariva ity fanafody ity ~ Mahandro sakafo, manao sakafo, mandroso sakafo
21 Vola, haninkanina, omena vahiny: Amin' izao fitsidihanao izao, tompoko, dia iny misy sakafo kely avy aminay 22 Izay rehetra entina mamelona na mampitombo zavatra iray: Ny famakiam-boky no sakafon' ny saina [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
23 food, a meal
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
24 repas
[1.3#561, 1.8] 25 (saka afo) déjeuner, dîner, goûter, souper; argent, vivres donnés à quelqu'un [1.3#561] 26 mets, aliments [1.8] |
| Ohatra |
27 Koa voalohany indrindra, ny vatsy sy ny sakafo aloha no andeha homanina;
[2.324]
|
| Voambolana | 28 Toe-karena: hanina |
| Mpanahaka | 29 hanina, 30 nahandro |
| Fikambanana | 31 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 24 misy ny teny hoe sakafo |
| Ohabolana | 32 Ohabolana misy io teny io |
| Lahatsoratra | 33 Randzavola: sakafo ao amin' ny Baiboly |
| Fivaditsoratra | sakafo, 34 Sofàka |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22 |
|