Teny iditra | 1 lahatra |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Fitohitohizan-javatra na olona manaraka tsipika iray; fametrahan-javatra na olona mihitsy tomandavana: Tsara lahatra ny boky eto ambony latabatra izany Lamina, fandaminan-javatra: Tsara lahatra ny kilalao tamin' ny lanonana 26 Jiona Firindra, filazan-javatra milamina mifanaraka tsara: Tsy ilaina ny kabary tsara lahatra fa poaka aty Fitondran' Andriamanitra na ny vintana mihatra amin' ny olombelona: Izao no lahatra ka atao ahoana? |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] order; ranks; fate |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.3, 1.7] arrangement 6 [1.3#370, 1.8] rang, ordre 7 [1.3#370] alignement, organisation, arrangement, discours: Tsara lahatra ny boky (Les livres sont bien rangés) ~ Tsara lahatra ny mpianatra (Les élèves sont bien alignés) ~ Tsara lahatra ny nanaovany izany raharaha izany (Il a bien organisé ce travail) 8 [1.8] destin 9 [1.66] destinée |
Ohatra |
10 Ramielovola Ramielovoahangy / ny nifiny dia vato lahatra / ny tanany dia vanim-bero / ataonao ho trandraka anaty voaroy ve aho Randriamatoa? [2.131] 11 Ary na dia manaiky aza hianao, ka tsy lahatra, ho tanteraka aiza, ka afaka ny tsiny? [2.324] |
Haiendriteny |
|
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 37 Ohabolana misy io teny lahatra io |
Fivaditsoratra | 38 |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |