Teny iditra |
lelafo
(lela)
|
Sokajin-teny | filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana lelafina
|
|
Teny iditra |
lelafo
|
Singan-teny | lela ; afo |
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Esona (gaz) mirehitra.
Hita izany eo amin' ireo fanaovan-jiro etona (gaz d'éclairage sy gaz acétylène, ets.) fa: raha vao vohana hipololotra ny gaza, ka tsoloana afo, dia miredaka.
Toy izany koa no mampahery lelafon' irony fatana atao how "primus", satria ny gazan-tsolitany no mirehatra eo.
Izany koa no mahatonga ny kitay hazo na ny labozý, ets. hisy lelafo:
mamoaka gaza mety mirehitra izy ireny eo am-pirehatana.
Ny zavatra sasany kosa -- tahaka ny arin-kazo, na ny faikan' arintany (coke) -- izay efa nesorina na nohakelezina fatratra ny etona mety mirehitra ao aminy -- dia tsy mamoaka lelafo loatra, fa dia mivaivay fotsiny. Ny etona (vapeur) sasany koa, ny elektirisite, dia samy mety hisy lelafo. [1.10]
|
| [ lela-afo ] Gaza mitarehin-dela mazava sy mafana avy amin' ny zava-mirehitra [1.10]
|
Fanazavàna teny anglisy | A flame, a blaze [1.2]
|
Fanazavàna teny frantsay | Flammes [1.3]
|
Ohatra |
1 | Efa nananika ny rambon-tsalakany ny lelafo.
[2.895]
|
2 | Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon' i Jehovah.
[2.996]
|
3 | Raha vohako izy ka tselarako afo dia mamoaka lelafo mivaivay.
[2.445]
|
4 | Iny nisy lelafo nijoalajoala indray mandeha, dia lavenona no sisa.
[2.499]
|
5 | Tsy manavao rahateo ny fisoronana afo koa dia misosa ho lelafo mivaivay ny ravim-pary maina atosi-tanana sy rotsa-kazo.
[2.470]
|
|
Haiendriteny |
Tsotra : |
lelafo,
lelafoko,
lelafonao,
lelafony,
lelafontsika,
lelafonay,
lelafonareo,
lelafon',
lelafon-,
lelafom- |
Tovonana : |
-delafo,
-delafoko,
-delafonao,
-delafony,
-delafontsika,
-delafonay,
-delafonareo,
-delafon',
-delafon-,
-delafom- |
|
Ohabolana |
|