Teny iditra (1/5) | 1 re |
Sokajin-teny | 2 matoanteny mpamaritra |
Sampanteny |
|
Fanazavàna teny malagasy |
7 Heno: Renao ve izany vorona mihira izany? 8 Fantatra: Efa renao ny nialan-dRakoto. 9 Tsapan' ny fandrenesana, toy ny fanamboloana: Tsy reko izany fofona ao izany fa voan' ny sery aho; ny fandrenesana tsiron-kanina: Tsy reny akory ny hamamin' ny siramamy; ny fikasihana: Reko ny tsongo ataony ahy. 10 Tsaroana: Reko tsara loatra izany fahoriako [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
11 heard; perceived by the senses, as pain or smell [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
12 entendu [1.3, 1.8] 13 appris, senti, perçu par les sens du goût, de l'odorat, du toucher [1.3] 14 perçu par le sens du toucher, l'odorat, du goûter [1.8] |
Ohatra |
15 Ho ren'olo ka ho maty aho. [2.606] 16 Avereno kely hoe ho reko tsara. [2.895] 17 Tsy nisy hitany na reny nanatona anefa [2.472] 18 reny tsara ny fiakatry ny fofon-jezika ary maharikoriko azy [2.470] 19 Taitra dia taitra izy, fa avy any ambony ilay zavatra reny, ka fantany fa tsy izy mianaka avy naka orana tary an-dohasaha ambany [2.324] |
Haiendriteny |
|
Tovy hevitra | 23 reny |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 26 Ohabolana misy io teny re io |
Teny iditra (2/5) | 27 re |
Sokajin-teny | 28 kianteny |
Fanazavàna teny malagasy |
29 Kianteny kely fanao amin' ny fehezanteny manontany raha manontany tena ilay miteny: Inona re no hataoko e; handeha sa hijanona?; ary amin' ny fehezanteny tsotra kosa raha mangataka mitalaho: Mifona re, tompoko, fa tsy hanao intsony aho [1.1] |
Ohatra |
30 Nahoana re no anton'izany? [2.324] 31 Aoka re, anaka. [2.470] |
Kamban-teny |
|
Tsanganana sy sary iray takila |
33 Ny kianteny rehetra |
Teny iditra (3/5) | 34 ~re~ |
Sokajin-teny | 35 tsofoka |
Fanazavàna teny frantsay |
36 infixe qui sert à former le pluriel des pronoms-adjectifs démonstratifs: io -> ireo [1.12] |
Teny iditra (4/5) | 37 re |
Sokajin-teny | 38 anarana (eva) |
Voambolana |
39 Feon-kira: (amin' ny ankapobeny) |
Fanazavàna teny malagasy |
40 Ny feo faharoa manarakaraka ny do amin' ny ambaratongam-peo fito amin' ny gama [1.1] |
Sary |
|
Teny iditra (5/5) | 42 Re |
Sokajin-teny | 43 anarana (eva) |
Voambolana |
44 Simia |
Fanazavàna teny malagasy |
45 Singa mivaingana, faha-75 amin'ny fisokajiana miherina. [3.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
46 Rhenium. [3.1] |
Fanazavàna teny frantsay |
47 Rhénium. [3.1] |
Tsanganana sy sary iray takila |
48 Fisokajiana miherina |
Nohavaozina tamin' ny 2024/09/07 |