Teny iditra safosafo (safo)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tambitamby atao amin' ny tanana mandambolambo moramora mba hamalifaliana: Safosafo no mampatory an' io zaza io
Mitovy hevitra: tambitamby ~ tehatehaka
Teny mamy feno fitiavana sady mandambolambo: Aza mihevitra ianao fa ho azonao amin' ny safosafo aho
Mitovy hevitra: famalifaliana ~ fanambatambazana ~ fanejokejoana ~ fanojikojiana ~ fanolikolena ~ kolikoly ~ tambitamby
Entina milaza ny firefarefan' ny fitafiana amin' ny tany na ny fanidin' ny vorona mila hikasika ny tany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A caress, the act of stroking [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Action de caresser de la main [1.8]
Ohatra 
1Safosafo loha sy tambitamby no azony [2.470]
2Injay, tsaroany toa mangetaheta safosafo ny tenany manontolo. [2.529]
Sampanteny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20