Teny iditra (1/2) | 1 sakaiza |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Namana mifankazatra sy mifankatia amin' ny tena ka amborahana izay ao am-po sy izay manjo ny tena: Miaraka foana Ibalita sy Isambilo sakaizany Enti-milaza koa lehilahy sy vehivavy mifangala-pitia any amin' ny takona (matetika, amin' ity hevitra ity, dia ampiana ny mpamaritra hoe ratsy: sakaiza ratsy |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] a friend, a companion; used of the opposite sex it means a paramour |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.8] ami, compagnon; amant |
Ohatra |
6 Hitako, ambany aloka, ireo sakaiza. [2.270#125] 7 Hoy ny havana aman-tsakaizanareo eto Madagaskara [2.649#193] 8 dia mamangy ny rai-aman-dreny, sy ny lehibe, sy ny havana, sy ny sakaiza, dia manalitra vola jaka solombody akoho [2.48] |
Sampanteny |
|
Mpanahaka | 14 tapaka, namana, mpifankatia, mahatoky, rano sy vary, fatidra, longo, tanan-kavia sy havanana, trano atsimo sy avaratra, mpirahalahy mizara dian' omby, mifampihinana ny manta sy ny masaka |
Kamban-teny |
|
Anaram-javamaniry |
|
Lohateny |
23 Ilay fasan-tsakaiza tiana (Ny Avana) 24 Ny Sakaizan' ny mpitoriteny (Cousins Georges) |
Ohabolana | 25 Ohabolana misy io teny sakaiza io |
Teny iditra (2/2) | 26 sakaiza |
Sokajin-teny | 27 anarana |
Fanazavàna teny frantsay |
28 [1.196] (au sens général : ami). Nom donné à un odi-tambavy, remède administré aux jeunes enfants. Voir aussi sakaizanankizy [Merina]
|
Voambolana |
29 Haizavamaniry |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |