<-
->

Job / Jb 11:1 Then answered Zophar the Naamathite, and said, Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe: Dia niteny Sofara avy any Naama, ka nanao hoe: Çophar de Naama prit la parole et dit :
Job / Jb 11:2 Should not the multitude of words be answered? and should a man full of talk be justified? Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va? Tsy hisy valiny va ny teny maro be, ary ny basivava ve no hanana ny marina? Le bavard restera-t-il sans réponse ? Suffit-il d'être loquace pour avoir raison ?
Job / Jb 11:3 Should thy lies make men hold their peace? and when thou mockest, shall no man make thee ashamed? Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra, Izay bedibedinao va no hampangina ny olona? Haniratsira ve hianao, ka dia tsy hisy handresy lahatra anao e? Ton verbiage rendra-t-il muets les autres, te moqueras-tu sans qu' on te confonde ?
Job / Jb 11:4 For thou hast said, My doctrine is pure, and I am clean in thine eyes. Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho. Hoy hianao tamin' Andriamanitra: Ny fisainako no marina, ary tsy manan-tsiny eo anatrehanao aho. Tu as dit : " Ma conduite est pure, je suis irréprochable à tes yeux. "
Job / Jb 11:5 But oh that God would speak, and open his lips against thee; Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao! Endrey, raha mety miteny Andriamanitra, ka hiloa-bava hamaly anao, Si seulement Dieu voulait parler [0] , ouvrir les lèvres à cause de toi,
Job / Jb 11:6 And that he would shew thee the secrets of wisdom, that they are double to that which is! Know therefore that God exacteth of thee less than thine iniquity deserveth. Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian' Andriamanitra avokoa ny helokao. raha ambarany anao ny zava-miafina ao amin' ny fahendreny mbamin' ny safeliky ny hevitra kendreny izay voatakona, dia ho hitanao fa misy hadinony ny helokao. s' il te dévoilait les secrets de la Sagesse, qui déconcertent toute sagacité, tu saurais que Dieu te demande compte de ta faute.
Job / Jb 11:7 Canst thou by searching find out God? canst thou find out the Almighty unto perfection? Takatry ny sainao va ny fomban' Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha Mihambo hanakatra ny halalinan' Andriamanitra va hianao, sy hahatratra ny fahalavorarian' ny Tsitoha? Prétends-tu sonder la profondeur de Dieu, atteindre la limite de Shaddaï ?
Job / Jb 11:8 It is as high as heaven; what canst thou do? deeper than hell; what canst thou know? Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? Avo tahaka ny lanitra izany, ka hataonao ahoana? lalina noho ny fonenan' ny maty izany, ka inona no ho fantatrao? Elle est plus haute que les cieux : que feras-tu ? Plus profonde que le shéol : que sauras-tu ?
Job / Jb 11:9 The measure thereof is longer than the earth, and broader than the sea. Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina. Ny fandrefesana azy lava noho ny tany, malalaka noho ny ranomasina. Elle serait plus longue que la terre à mesurer et plus large que la mer.
Job / Jb 11:10 If he cut off, and shut up, or gather together, then who can hinder him? Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy? Raha miantoraka amin' ny meloka izy, sy misambotra azy, raha mamory ny mpitsara: zovy moa no hahatohitra izany? S' il intervient pour enfermer et convoquer l' assemblée, qui l' en empêchera ?
Job / Jb 11:11 For he knoweth vain men: he seeth wickedness also; will he not then consider it? Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy. Fa fantany ny olon-dratsy: hitany ny haratsiana, raha mbola tsy miahy ny ho hita izy ity. Car lui connaît les faiseurs d' illusion; il voit le crime et y prête attention.
Job / Jb 11:12 For vain men would be wise, though man be born like a wild ass' s colt. Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona. Amin' ny fandinihana izany, na ny adala aza hahazo hevitra, na ny zanak' ampondra dia aza, ho tonga manan-tsaina. Aussi l'écervelé doit-il s' assagir : ânon sauvage que l' homme à sa naissance!
Job / Jb 11:13 If thou prepare thine heart, and stretch out thine hands toward him; Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao, Fa hianao kosa, raha mitondra ny fonao ho amin' Andriamanitra mananty tanan-droa miandrandra azy, Si tu redresses tes pensées, et tends tes paumes vers lui,
Job / Jb 11:14 If iniquity be in thine hand, put it far away, and let not wickedness dwell in thy tabernacles. Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao; raha manary lavitra ny hadisoanao izay eo an-tananao, ary tsy mampitoetra ny tsy fahamarinana eo an-dainao, si tu répudies le mal dont tu serais responsable et ne laisses pas l' injustice habiter sous tes tentes,
Job / Jb 11:15 For then shalt thou lift up thy face without spot; yea, thou shalt be stedfast, and shalt not fear: Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra; dia hatrakanao tsy manan-tsiny ny handrinao; tsy hangozohozo na hanan-tahotra intsony hianao. tu lèveras un front pur, tu seras ferme et sans crainte.
Job / Jb 11:16 Because thou shalt forget thy misery, and remember it as waters that pass away: Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy. Hohadinoinao amin' izay ny fahorianao, ho toy ny rano nandalo no hahatsiarovanao azy. Ta souffrance, tu n' y songeras plus, tu t' en souviendras comme d' eaux écoulées.
Job / Jb 11:17 And thine age shall be clearer than the noonday: thou shalt shine forth, thou shalt be as the morning. Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina. Ny ho avy hiposaka aminao mamirapiratra toy ny mitataovovonana, ny maizina hiova hanjary mazava atsinanana. Alors débutera une existence plus radieuse que le midi et l' obscurité même sera comme le matin.
Job / Jb 11:18 And thou shalt be secure, because there is hope; yea, thou shalt dig about thee, and thou shalt take thy rest in safety. Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin' ahiahy. Ho feno toky hianao, ary tsy ho foana ny fanantenanao; hijery ny manodidina anao hianao, dia handry tsy amin' ahiahy. Confiant car il y a de l' espoir, même après la confusion, tu te coucheras en sécurité.
Job / Jb 11:19 Also thou shalt lie down, and none shall make thee afraid; yea, many shall make suit unto thee. Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao. Handry fehizay hianao, ka tsy hisy mpanabataba, ary maro no hanafosafo ny tavanao. Lorsque tu reposeras, nul ne te troublera, et bien des gens rechercheront ta faveur.
Job / Jb 11:20 But the eyes of the wicked shall fail, and they shall not escape, and their hope shall be as the giving up of the ghost. Fa ny mason' ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina. Fa ny mason' ny ratsy fanahy kosa hihalevona, tsy misy hialofany; toy ny fofon' ain' ny miala aina ny fanantenany. Les méchants, eux, tournent des yeux éteints, tout refuge leur fait défaut; leur espoir, c' est de rendre l'âme.

<-
->