<-
->

Job / Jb 32:1 So these three men ceased to answer Job, because he was righteous in his own eyes. Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba. Dia nitsahatra tsy namaly an' i Joba intsony izy telo lahy ireo, satria nihombo tamin' ny fanaovana ny tenany ho marina izy io. Ces trois hommes cessèrent de répondre à Job parce qu' il s' estimait juste.
Job / Jb 32:2 Then was kindled the wrath of Elihu the son of Barachel the Buzite, of the kindred of Ram: against Job was his wrath kindled, because he justified himself rather than God. Ary nirehitra kosa ny fahatezeran' i Eliho, zanak' i Barakela, Bozita, avy amin' ny fokon' i Rama; eny, tamin' i Joba no nirehetan' ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy. Fa nirehitra tamin' izay kosa ny fahatezeran' i Elio, zanak' i Barakely, Bozita, fokon' i Rama. Nirehitra tamin' i Joba ny fahatezerany, satria io nihambo ho marina noho Andriamanitra. Mais voici que se mit en colère Élihu, fils de Barakéel le Buzite, du clan de Ram. Sa colère s' enflamma contre Job parce qu' il prétendait avoir raison contre Dieu;
Job / Jb 32:3 Also against his three friends was his wrath kindled, because they had found no answer, and yet had condemned Job. Ary tamin' ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan' ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an' i Joba. Nirehitra tamin' izy telo lahy sakaizany koa ny fahatezerany, satria tsy nahita teny tsara havaly azy izy ireo. elle s' enflamma également contre ses trois amis, qui n' avaient plus rien trouvé à répliquer et ainsi avaient laissé les torts à Dieu.
Job / Jb 32:4 Now Elihu had waited till Job had spoken, because they were elder than he. Ary Eliho mbola niandry an-dr' i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy. Noho ny maha-zokiny azy ireo, dia niandry Elio, vao niteny tamin' i Joba. Tandis qu' ils parlaient avec Job, Elihu avait attendu, car ils étaient ses anciens;
Job / Jb 32:5 When Elihu saw that there was no answer in the mouth of these three men, then his wrath was kindled. Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany; Nony hitany anefa, fa tsy misy valy intosny eo am-bavan' ieto sakaizany telo lahy, dia nirehitra ny hatezerany. mais quand il vit que ces trois hommes n' avaient plus de réponse à la bouche, sa colère éclata.
Job / Jb 32:6 And Elihu the son of Barachel the Buzite answered and said, I am young, and ye are very old; wherefore I was afraid, and durst not shew you mine opinion. ka dia niteny Eliho, zanak' i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro. Tamin' izay, dia niteny Elio, zanak' i Barakely, Bozita, ka nanao hoe: Izaho vao tanora, hianareo efa anti-panahy; ka izany no natahorako, tsy nahasahiako ny hampahalala anareo izay mba hevitro. Et il prit la parole, lui, Élihu, fils de Barakéel le Buzite, et il dit : Je suis tout jeune encore, et vous êtes des anciens; aussi je craignais, intimidé, de vous manifester mon savoir.
Job / Jb 32:7 I said, Days should speak, and multitude of years should teach wisdom. Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan' ny taona no hampianatra fahendrena. Hoy aho anakampo: Hiteny ireo be andro, hanambara ny fahendrena ny hamaroan' ny taona. Je me disais : " L'âge parlera, les années nombreuses feront connaître la sagesse. "
Job / Jb 32:8 But there is a spirit in man: and the inspiration of the Almighty giveth them understanding. Kanefa ny fanahy izay ao anatin' ny zanak' olombelona sy ny fofonoin' ny Tsitoha no mahahendry azy. Kanefa ny fanahy napetrka ao anatin' ny olombelona, dia ny fofon' ain' ny Tsitoha no nanome ny fahazavan-tsaina. A la vérité, c' est un esprit dans l' homme, c' est le souffle de Shaddaï qui rend intelligent.
Job / Jb 32:9 Great men are not always wise: neither do the aged understand judgment. Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny; Fa tsy ny taona no mampahazo ny fahendrena, tsy ny fahanterana no hahalalana ny rariny. Le grand âge ne donne pas la sagesse, ni la vieillesse l' intelligence de ce qui est juste.
Job / Jb 32:10 Therefore I said, Hearken to me; I also will shew mine opinion. Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro. Koa izao no lazaiko, mihainoa ahy; fa izaho koa mba hanambara ny hevitro. Aussi, je dis, écoute-moi, je vais montrer, moi aussi, mon savoir.
Job / Jb 32:11 Behold, I waited for your words; I gave ear to your reasons, whilst ye searched out what to say. Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina; Raha mbola niteny hianareo, dia niandry aho; nampandry sofina tamin' ny porofo nalahatrareo aho, mandra-pahatapitry ny fifandaharanareo. Jusqu' ici, j' attendais vos paroles, j' ouvrais l' oreille à vos raisonnements, tandis que chacun cherchait ses mots.
Job / Jb 32:12 Yea, I attended unto you, and, behold, there was none of you that convinced Job, or that answered his words: Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an' i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory; Narahiko saina mitandrina ny anareo, ary tsy nisy naharesy lahatra an' i Joba hianareo; tsy nisy nahatohitra ny teniny hianareo. Sur vous se fixait mon attention. Et je vois qu' aucun n' a confondu Job, nul d' entre vous n' a démenti ses paroles.
Job / Jb 32:13 Lest ye should say, We have found out wisdom: God thrusteth him down, not man. Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona. Aza manao hoe: Nahita ny fahendrena izahay, Andriamanitra no mamely azy, fa tsy olombelona. Ne dites donc pas : " Nous avons trouvé la sagesse; Dieu seul peut le réfuter, non un homme. "
Job / Jb 32:14 Now he hath not directed his words against me: neither will I answer him with your speeches. Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy. Tsy mba hamely ahy no nanononany ny lahateniny; nefa tsy mba ny teninareo no hamaliako azy. Ce n' est pas contre moi qu' il aligne les mots, et ce n' est pas avec vos paroles que je lui répliquerai.
Job / Jb 32:15 They were amazed, they answered no more: they left off speaking. Very hevitra terý izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny. Indreo, very hevitra izy ireo, ka tsy mamaly akory; tsy mahita teny halahatra intsony. Ils sont restés interdits, sans réponse; les mots leur ont manqué.
Job / Jb 32:16 When I had waited, (for they spake not, but stood still, and answered no more;) Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony? Nandrasako izay hahataperan' ny teniny, izay hijanonany tsy miteny, tsy manan-kavaly. Et j' attendais! Puisqu' ils ne parlent plus, qu' ils ont cessé de se répondre,
Job / Jb 32:17 I said, I will answer also my part, I also will shew mine opinion. Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro; Ka dia mba anjarako kosa izao no miteny, fa mba te-hilaza izay hevitro kosa aho. je prendrai la parole à mon tour, je vais montrer moi aussi mon savoir.
Job / Jb 32:18 For I am full of matter, the spirit within me constraineth me. Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko. Feno lahateny aho, ka asesiky ny fanahy ato anatiko aho. Car je suis plein de mots, oppressé par un souffle intérieur.
Job / Jb 32:19 Behold, my belly is as wine which hath no vent; it is ready to burst like new bottles. Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy. Efa toy ny divay voatsentina ny foko, dia tahaka ny siny hoditra feno divay mila hipoaka. En mon sein, c' est comme un vin nouveau cherchant issue, comme des outres neuves qui éclatent.
Job / Jb 32:20 I will speak, that I may be refreshed: I will open my lips and answer. Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly. Ka aoka hiteny aho, mba hisy hiainako malalaka; aoka hisokatra ny molotro mba hamaliako. Parler me soulagera, j' ouvrirai les lèvres et je répondrai.
Job / Jb 32:21 Let me not, I pray you, accept any man' s person, neither let me give flattering titles unto man. Aoka tsy hizaha tavan' olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona. Tsy mba hizaha tavan' olona ho, na handoka olona na iza na iza; Je ne prendrai le parti de personne, à aucun je ne dirai des mots flatteurs.
Job / Jb 32:22 For I know not to give flattering titles; in so doing my maker would soon take me away. Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain' ny Mpanao ahy faingana aho. fa tsy mba mahay mandoka; fa raha tsy izany dia halain' ny Mpahary ahy, eo no ho eo ihany aho. Je ne sais point flatter, car mon Créateur me supprimerait sous peu.

<-
->