<-
->

Job / Jb 26:1 But Job answered and said, Dia namaly Joba ka nanao hoe: Dia niteny Joba ka nanao hoe: Job prit la parole et dit
Job / Jb 26:2 How hast thou helped him that is without power? how savest thou the arm that hath no strength? Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy! Akory ity fahaizanao manohana ny osa, sy mamonjy ny tanana reraka! Comme tu sais bien soutenir le faible, secourir le bras sans vigueur!
Job / Jb 26:3 How hast thou counselled him that hath no wisdom? and how hast thou plentifully declared the thing as it is? Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka! Endrey izato fanoronao ny tsy mahalala, sy izato habetsahan' ny fahendrena asehonao! Quels bons conseils tu donnes à l' ignorant, comme ton savoir est fertile en ressources!
Job / Jb 26:4 To whom hast thou uttered words? and whose spirit came from thee? Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin' izay no nivoaka avy tao aminao? Iza moa no ilazanao teny? ary avy amin' iza ny fanahy mivoaka ny vavanao? Mais ces discours, à qui s' adressent-ils, et d' où provient l' esprit qui sort de toi?
Job / Jb 26:5 Dead things are formed from under the waters, and the inhabitants thereof. Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin' ny rano sy any ambanin' ny mponina any. Eo anatrehan' Andriamanitra ny matoatoa mihararetra, any ambanin' ny rano mbamin' ny mponina any. Les Ombres tremblent sous terre, les eaux et leurs habitants sont dans l' effroi.
Job / Jb 26:6 Hell is naked before him, and destruction hath no covering. Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra. Ny seoly mihanjahanja eo anatrehany, ary ny hantsana tsy misy rakony. Devant lui, le Shéol est à nu, la Perdition à découvert.
Job / Jb 26:7 He stretcheth out the north over the empty place, and hangeth the earth upon nothing. Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin' ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin' ny tsy misy. Izy no mamelatra ny avaratra eo ambonin' ny habakabaka babangoana, manantona ny tany eo ambonin' ny tsinontsinona; C' est lui qui a étendu le Septentrion sur le vide, suspendu la terre sans appui.
Job / Jb 26:8 He bindeth up the waters in his thick clouds; and the cloud is not rent under them. Fonosiny amin' ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin' ny rahona tsy mety triatra. mampihiboka ny rano eo amin' ny rahony; kanefa tsy mitriatra noho ny havesaran' izany ny rahona. Il enferme les eaux dans ses nuages, sans que la nuée crève sous leur poids.
Job / Jb 26:9 He holdeth back the face of his throne, and spreadeth his cloud upon it. Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin' ny amelarany ny rahony hanarona azy. Manarona ny tavan' ny seza fiandrianany izy, ka rahona no velariny eo amboniny. Il couvre la face de la pleine lune et déploie sur elle sa nuée.
Job / Jb 26:10 He hath compassed the waters with bounds, until the day and night come to an end. Asiany faritra manodidina eny ambonin' ny rano. Hatramin' izay ihaonan' ny mazava sy ny maizina. Nasiany faritra manodidina eny ambonin' ny rano, eo amin' ny fisarahan' ny mazava sy ny maizina. Il a tracé un cercle à la surface des eaux, aux confins de la lumière et des ténèbres.
Job / Jb 26:11 The pillars of heaven tremble and are astonished at his reproof. Ny andrin' ny lanitra nihozongozona sady ankona amin' ny teny mafy ataony. Mihozongozozna ny andrin' ny lanitra, sady ankona amin' ny teny mafy ataony. Les colonnes des cieux sont ébranlées, frappées de stupeur quand il menace.
Job / Jb 26:12 He divideth the sea with his power, and by his understanding he smiteth through the proud. Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba; Ny heriny no anaingany ny ranomasina, ny fahendreny no anorotoroany ny avonavona. Par sa force, il a brassé la Mer, par son intelligence, écrasé Rahab.
Job / Jb 26:13 By his spirit he hath garnished the heavens; his hand hath formed the crooked serpent. Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra. Ny fofon' ainy no anjarian' ny lanitra ho madio, ary ny tanany no nanao ny menarana mpandositra. Son souffle a clarifié les Cieux, sa main transpercé le Serpent Fuyard.
Job / Jb 26:14 Lo, these are parts of his ways: but how little a portion is heard of him? but the thunder of his power who can understand? Indro, ireny dia vao ny sisintsisin' ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany? Izany no sisintsisin' ny lalany, fimenomenonana malefaka mba rentsika, fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany? Tout cela, c' est l' extérieur de ses oeuvres, et nous n' en saisissons qu' un faible écho. Mais le tonnerre de sa puissance, qui le comprendra ?

<-
->