<-
->

Job / Jb 40:1 Moreover the Lord answered Job, and said, Ary Jehovah mbola namaly an' i Joba nanao hoe: Dia niteny tamin' i Joba Iaveh ka nanao hoe: Alors Yahvé s' adressant à Job lui dit
Job / Jb 40:2 Shall he that contendeth with the Almighty instruct him? he that reproveth God, let him answer it. Hiady amin' ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an' Andriamanitra no hamaly! Te-hiady amin' ny Tsitoha va io mpanadidy azy io? mahavaly va izay mifandahatra amin' Andriamanitra? L' adversaire de Shaddaï cédera-t-il? Le censeur de Dieu va-t-il répondre?
Job / Jb 40:3 Then Job answered the Lord, and said, Ary Joba dia namaly an' i Jehovah ka nanao hoe: Fa namaly an' ny Tompo Joba, ka nanao hoe: Et Job répondit à Yahvé
Job / Jb 40:4 Behold, I am vile; what shall I answer thee? I will lay mine hand upon my mouth. Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao. Inona moa no havaliko anao izay izaho tsinontsinona ity? fa dia mitampim-bava aho. J' ai parlé à la légère : que te répliquerai-je? Je mettrai plutôt ma main sur ma bouche.
Job / Jb 40:5 Once have I spoken; but I will not answer: yea, twice; but I will proceed no further. Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho. Efa niteny indray mandeha, ka tsy hamaly intsony, efa indroa aza, ka tsy hanampy aho, na dia kely aza. J' ai parlé une fois, je ne répéterai pas; deux fois, je n' ajouterai rien.
Job / Jb 40:6 Then answered the Lord unto Job out of the whirlwind, and said, Dia namaly an' i Joba teo amin' ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe: Mbola niteny tamin' i Joba Iaveh, tao amin' ny tafio-drivotra ka nanao hoe: Yahvé répondit à Job du sein de la tempête et dit
Job / Jb 40:7 Gird up thy loins now like a man: I will demand of thee, and declare thou unto me. Misikina tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho: Misikina ary toy ny lehilahy, fa hanadina anao aho, ka hampianatra ahy hianao. Ceins tes reins comme un brave je vais t' interroger et tu m' instruiras.
Job / Jb 40:8 Wilt thou also disannul my judgment? wilt thou condemn me, that thou mayest be righteous? Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa? Tianao va ny hanafoana ny fananako ny rariny, dia hanameloka ahy mba hanamarina ny anao? Veux-tu vraiment casser mon jugement, me condamner pour assurer ton droit?
Job / Jb 40:9 Hast thou an arm like God? or canst thou thunder with a voice like him? Manan-tsandry tahaka ny an' Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao? Manan-tsandry toy ny an' Andriamanitra va hianao, ary mikotrokotroka tahaka ny azy va ny feonao? Ton bras a-t-il une vigueur divine, ta voix peut-elle tonner pareillement?
Job / Jb 40:10 Deck thyself now with majesty and excellency; and array thyself with glory and beauty. Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra; Miravaha fahalehibeazana amam-piamboniana hianao; ary mitafia voninahitra amam-piandrianana; Allons, pare-toi de majesté et de grandeur, revêts-toi de splendeur et de gloire.
Job / Jb 40:11 Cast abroad the rage of thy wrath: and behold every one that is proud, and abase him. Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo. Amparo ny fisafoaky ny hatezeranao, na iza na iza mpiavona dia aetreo amin' ny indray mijery! Fais éclater les fureurs de ta colère, d' un regard, courbe l' arrogant.
Job / Jb 40:12 Look on every one that is proud, and bring him low; and tread down the wicked in their place. Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin' ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy. Aforeto amin' ny fijerinao fotsiny ny mpiavonavona; montsany eo am-pitoerany ny ratsy fanahy. D' un regard, ravale l' homme superbe, écrase sur place les méchants.
Job / Jb 40:13 Hide them in the dust together; and bind their faces in secret. Asitriho ao amin' ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin' ny fiafenana ny tavany. Ataovy indray manitrika ao amin' ny vovoka izy rehetra; hidio ao amin' ny maizina izy rehetra. Enfouis-les ensemble dans le sol, emprisonne-les chacun dans le cachot.
Job / Jb 40:14 Then will I also confess unto thee that thine own right hand can save thee. Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana. Amin' izay dia izaho koa no hanaiky fa ny tananao ankavanana mahavonjy anao. Et moi-même je te rendrai hommage, car tu peux assurer ton salut par ta droite.
Job / Jb 40:15 Behold now behemoth, which I made with thee; he eateth grass as an ox. He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy. Jereo ange Behemota izay nohariko toa anao koa: mihinan' ahitra tahaka ny omby izy. Mais regarde donc Béhémoth, ma créature, tout comme toi! Il se nourrit d' herbe, comme le boeuf.
Job / Jb 40:16 Lo now, his strength is in his loins, and his force is in the navel of his belly. Indro, eo amin' ny valahany ny heriny, ary eo amin' ny ozatra amin' ny kibony ny tanjany. Jereo ange fa ao amin' ny valahany ny tanjany, ary ny heriny dia ao amin' ny hozatry ny lanivoany! Vois, sa force réside dans ses reins, sa vigueur dans les muscles de son ventre.
Job / Jb 40:17 He moveth his tail like a cedar: the sinews of his stones are wrapped together. Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin' ny feny Ajorony hoatra ny sedra ny rambony, miray ho fehezana mafy ny hoza-peny. Il raidit sa queue comme un cèdre, les nerfs de ses cuisses s' entrelacent.
Job / Jb 40:18 His bones are as strong pieces of brass; his bones are like bars of iron. Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany. Fantsona varahina ny taolany; bara vy ny taolan-tehezany. Ses os sont des tubes d' airain, sa carcasse, comme du fer forgé.
Job / Jb 40:19 He is the chief of the ways of God: he that made him can make his sword to approach unto him. Voalohany amin' ny asan' Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy. Loha laharana izy amin' ny asan' Andriamanitra; nomen' ny Nahary sabatra izy. C' est lui la première des oeuvres de Dieu. Son Auteur le menaça de l'épée,
Job / Jb 40:20 Surely the mountains bring him forth food, where all the beasts of the field play. Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan' ny bibi-dia rehetra; Mahavokatra vilona ho azy ny tendrombohitra; milalao manodidina azy ny biby an-tsaha rehetra. lui interdit la région des montagnes et toutes les bêtes sauvages qui s' y ébattent.
Job / Jb 40:21 He lieth under the shady trees, in the covert of the reed, and fens. Eo ambanin' ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka. Mandry eo ambanin' ny tamotamo izy, any am-pierena anaty volotara amin' ny heniheny. Sous les lotus, il est couché, il se cache dans les roseaux des marécages.
Job / Jb 40:22 The shady trees cover him with their shadow; the willows of the brook compass him about. Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron' ny ony no manodidina azy Manalokaloka azy ny tamotamo, manodidina azy ny hazomalahelo eny amorona. Le couvert des lotus lui sert d' ombrage et les saules du torrent le protègent.
Job / Jb 40:23 Behold, he drinketh up a river, and hasteth not: he trusteth that he can draw up Jordan into his mouth. Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin' ny vavany aza. Na tondraka aza ny ony, tsy matahotra izy; na hisondrotra havavany aza Jordany, dia tsy miraika izy. Si le fleuve déborde il ne s'émeut pas; un Jourdain lui jaillirait jusqu'à la gueule sans qu' il bronche.
Job / Jb 40:24 He taketh it with his eyes: his nose pierceth through snares. Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon' ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va? Moa ho azo atao va ny misambotra azy manatrika, ao amin' ny harato, ary ny managorobaka ny orony? Qui donc le saisira par les yeux, lui percera le nez avec des pieux?
Job / Jb 40:25 Mahasarika an' i Leviatana amin' ny farango va hianao, sy mahageja ny lelany amin' ny mahazaka? Et Léviathan, le pêches-tu à l' hameçon, avec une corde comprimes-tu sa langue?
Job / Jb 40:26 Sa mahatsofoka zozoro amin' ny vavorony, sy mahaboroaka ny valanoranony amin' ny masom-by? Fais-tu passer un jonc dans ses naseaux, avec un croc perces-tu sa mâchoire?
Job / Jb 40:27 Hifon-jato amin' arivo aminao va izy, hanao teny malefaka aminao? Est-ce lui qui te suppliera longuement, te parlera d' un ton timide?
Job / Jb 40:28 Hanao fanekena aminao va izy; ka halainao ho mpanompo mandrakizay? S' engagera-t-il par contrat envers toi, pour devenir ton serviteur à vie?
Job / Jb 40:29 Hilalao azy toy ny filalao fody va hianao, sy hamatotra azy holalaovin' ny zanakao vavy? T' amusera-t-il comme un passereau, l' attacheras-tu pour la joie de tes filles?
Job / Jb 40:30 Ataon' ny mpiara-manjono varotra va izy, ka tsinjaranjarainy amin' ny mpandranto? Sera-t-il mis en vente par des associés, puis débité entre marchands?
Job / Jb 40:31 Mahaloadoaka ny hodiny amin' ny zana-tsipika va hianao, na mahatrobaka ny lohany amin' ny firombaka? Cribleras-tu sa peau de dards, le harponneras-tu à la tête comme un poisson?
Job / Jb 40:32 Andramo ny hisambotra azy, ka tsarovy ny ady, fa tsy hanindroa intsony hianao. Pose seulement la main sur lui au souvenir de la lutte, tu ne recommenceras plus!

<-
->