<-
->

Lev 10:1 And Nadab and Abihu, the sons of Aaron, took either of them his censer, and put fire therein, and put incense thereon, and offered strange fire before the Lord, which he commanded them not. Ary Nadaba sy Abiho, zanak' i Arona, samy naka ny fitondran' afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan' i Jehovah, izay tsy nandidiany azy. Ary Nabada sy Abiò, zanak' i Aarona, samy naka ny fanembohany avy dia nanisy afo tao anatiny, sy nametraka zava-manitra teo amboniny, dia nitondra afo hafa teo anatrehan' ny Tompo, nefa tsy nahazo didy momba izany izy. Les fils d' Aaron, Nadab et Abihu, prirent chacun leur encensoir. Ils y mirent du feu sur lequel ils posèrent de l' encens, et ils présentèrent devant Yahvé un feu irrégulier qu' il ne leur avait pas prescrit.
Lev 10:2 And there went out fire from the Lord, and devoured them, and they died before the Lord. Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan' i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan' i Jehovah izy. Ka nisy afo nivoaka teo anatrehan' ny Tompo nandevona azy ireo, any ka maty teo anatrehan' ny Tompo izy ireo. De devant Yahvé jaillit alors une flamme qui les dévora, et ils périrent en présence de Yahvé.
Lev 10:3 Then Moses said unto Aaron, This is it that the Lord spake, saying, I will be sanctified in them that come nigh me, and before all the people I will be glorified. And Aaron held his peace. Dia hoy Mosesy tamin' i Arona: Izany dia ilay nolazain' i Jehovah hoe: Amin' izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan' ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona. Dia hoy Moizy tamin' i Aarona: Efa voalazan' ny Tompo izany tamin' izy nanao hoe: Hohamasinina aho ao amin' izay manakaiky ahy, ary homem-boninahitra eo anatrehan' ny vahoaka rehetra. Sina Aarona. Moïse dit alors à Aaron : " C' est là ce que Yahvé avait déclaré par ces mots : En mes proches je montre ma sainteté, et devant tout le peuple je montre ma gloire. "Aaron resta muet.
Lev 10:4 And Moses called Mishael and Elzaphan, the sons of Uzziel the uncle of Aaron, and said unto them, Come near, carry your brethren from before the sanctuary out of the camp. Ary Mosesy dia nampaka an' i Misaela sy Elzafana, zanak' i Oziela, rahalahin-drain' i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan' ny fitoerana masina ho eny ivelan' ny toby. Ary Moizy niantso an' i Misaela sy Elisafona, zanak' i Oziela, rahalahin-drain' i Aarona, nilaza tamin' ireo hoe: Manatòna hianareo ka ento ny rahalahinareo hanalavitra ny fitoerana masina, any ivelan' ny toby. Moïse appela Mishaèl et Élçaphân, fils d' Uzziel oncle d' Aaron, et leur dit : " Approchez et emportez vos frères loin du sanctuaire, hors du camp. "
Lev 10:5 So they went near, and carried them in their coats out of the camp; as Moses had said. Dia nanatona izy roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny ivelan' ny toby, araka izay efa nolazain' i Mosesy. Dia nanatona ireo ka nitondra azy mbola miakanjo ny tonikiny, nankany ivelan' ny toby, araka ny nandidian' i Moizy azy. Ils s' approchèrent et les emportèrent dans leurs propres tuniques, hors du camp, comme Moïse l' avait dit.
Lev 10:6 And Moses said unto Aaron, and unto Eleazar and unto Ithamar, his sons, Uncover not your heads, neither rend your clothes; lest ye die, and lest wrath come upon all the people: but let your brethren, the whole house of Israel, bewail the burning which the Lord hath kindled. Ary hoy Mosesy tamin' i Arona ary tamin' i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak' Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr' i Jehovah. Hoy Moizy tamin' i Aarona sy Eleazara ary Itamara: Aza avalenareo hirakaraka foana ny volon-dohanareo, ary aza triarinareo ny fanamianareo, fandrao dia maty hianareo, ary ho tratry ny hatezeran' ny Tompo ny fiangonana rehetra. Ny rahalahinareo sy ny taranak' Israely rehetra no aoka hitomany noho izao fandoroana narehitry ny Tompo izao. Moïse dit à Aaron et à ses fils, Éléazar et Itamar : " Ne déliez point vos cheveux et ne déchirez point vos vêtements, vous ne mourrez pas. C' est contre la communauté tout entière qu' Il s' est irrité, c' est toute la maison d' Israël qui pleurera vos frères, ces victimes du feu de Yahvé.
Lev 10:7 And ye shall not go out from the door of the tabernacle of the congregation, lest ye die: for the anointing oil of the Lord is upon you. And they did according to the word of Moses. Ary aza miala eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo fanosoran' i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin' i Mosesy izy. Fa hianareo kosa aza mivoaka ny varavaran' ny trano lay fihaonana akory, fandrao dia maty hianareo, satria efa mby ao aminareo ny diloilo fanosoran' ny Tompo. Dia nataon' izy ireo izay nolazain' i Moizy. Ne quittez pas l' entrée de la Tente du Rendez-vous de peur que vous ne mouriez, vous avez en effet sur vous l' huile de l' onction de Yahvé. " Ils se conformèrent aux paroles de Moïse.
Lev 10:8 And the Lord spake unto Aaron, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Arona ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Aarona nanao hoe: Yahvé parla à Aaron et dit :
Lev 10:9 Do not drink wine nor strong drink, thou, nor thy sons with thee, when ye go into the tabernacle of the congregation, lest ye die: it shall be a statute for ever throughout your generations: Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin' ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin' ny taranakareo hatramin' ny fara mandimby izany), Aza misotro divay na fisotro mahamamo hianao, sy ny zanakao koa, rahefa hiditra ao an-trano lay fihaonana, mba tsy hahafaty anareo; " Quand vous venez à la Tente du Rendez-vous, toi et tes fils avec toi, ne buvez ni vin ni autre boisson fermentée ; alors vous ne mourrez pas. C' est pour tous vos descendants une loi perpétuelle.
Lev 10:10 And that ye may put difference between holy and unholy, and between unclean and clean; ary mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ary ny madio sy ny tsy madio, sady hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ny madio sy ny tsy madio, Qu' il en soit de même quand vous séparez le sacré et le profane, l' impur et le pur,
Lev 10:11 And that ye may teach the children of Israel all the statutes which the Lord hath spoken unto them by the hand of Moses. ary mba hampianarinareo ny Zanak' Isiraely ny didy rehetra izay nasain' i Jehovah holazain' i Mosesy taminy. ary mba hahaizanareo mampianatra ny zanak' Israely ny lalàna rehetra nomen' ny Tompo azy ireo, tamin' ny alàlan' i Moizy. et quand vous faites connaître aux Israélites n' importe lequel des décrets que Yahvé a édictés pour vous par l' intermédiaire de Moïse. "
Lev 10:12 And Moses spake unto Aaron, and unto Eleazar and unto Ithamar, his sons that were left, Take the meat offering that remaineth of the offerings of the Lord made by fire, and eat it without leaven beside the altar: for it is most holy: Ary hoy Mosesy tamin' i Arona ary tamin' i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin' ny fanatitra natao tamin' ny afo ho an' i Jehovah, ka hano eo anilan' ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masina dia masina izany. Dia hoy Moizy tamin' i Aarona sy tamin' ireo zanak' i Aarona, roa lahy sisa, Eleazara sy Itamara: Alao ny fanatitra sisa avy amin' ny sorona natao tamin' ny afo ho an' ny Tompo, ka hano tsy misy lalivay, eo akaikin' ny otely, fa zava-masina dia masina izany. Moïse dit à Aaron et à ses fils survivants, Éléazar et Itamar : " Prenez l' oblation qui reste des mets de Yahvé. Mangez-en les azymes à côté de l' autel, car c' est chose très sainte.
Lev 10:13 And ye shall eat it in the holy place, because it is thy due, and thy sons' due, of the sacrifices of the Lord made by fire: for so I am commanded. Ary hano eo amin' izay fitoerana masina izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin' ny fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy. Hano eo amin' ny fitoerana masina izany, fa anjaranao, sy anjaran' ireo zanakao, avy amin' ny fanatitra atao amin' ny afo ho an' ny Tompo, araka ny didy azoko. Puis mangez-la dans un lieu sacré : c' est la part prescrite pour toi et tes fils sur les mets de Yahvé ; ainsi en ai-je reçu l' ordre.
Lev 10:14 And the wave breast and heave shoulder shall ye eat in a clean place; thou, and thy sons, and thy daughters with thee: for they be thy due, and thy sons' due, which are given out of the sacrifices of peace offerings of the children of Israel. Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin' izay fitoerana madio, dia ianao mbamin' ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin' ny fanati-pihavanana aterin' ny Zanak' Isiraely. Eo amin' izay toerana madio koa no hihinananao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ny tratrany nahevaheva sy ny feny navahana, fa ireo didiny ireo dia omena ho anjaranao sy anjaran' ny zanakao, avy amin' ny sorom-pihavanana ataon' ny zanak' Israely. " La poitrine de présentation et la cuisse de prélèvement, vous les mangerez dans un lieu pur, toi, tes fils et tes filles avec toi ; c' est la part prescrite, pour toi et tes fils, celle que l' on te donne sur les sacrifices de communion des Israélites.
Lev 10:15 The heave shoulder and the wave breast shall they bring with the offerings made by fire of the fat, to wave it for a wave offering before the Lord; and it shall be thine, and thy sons' with thee, by a statute for ever; as the Lord hath commanded. Ny sorony asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin' ny saborany izay fanatitra atao amin' ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' i Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka izay nandidian' i Jehovah. Hoentin' izy ireo ho fanampin' ny sabora voatokana hodorana amin' ny afo, ny feny avahana sy ny tratrany ahevaheva, mba hahevaheva eo anatrehan' ny Tompo; dia ho anjaranao sy ny zanakao izany, noho ny lalàna tsy tapaka araka ny didin' ny Tompo. La cuisse de prélèvement et la poitrine de présentation qui accompagnent les graisses consumées te reviennent, à toi et à tes fils avec toi, après qu' on les aura offertes en geste de présentation devant Yahvé ; ceci en vertu d' une loi perpétuelle, comme Yahvé l' a ordonné. "
Lev 10:16 And Moses diligently sought the goat of the sin offering, and, behold, it was burnt: and he was angry with Eleazar and Ithamar, the sons of Aaron which were left alive, saying, Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin' ny zanak' i Arona sisa izy, dia tamin' i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy: Ary Moizy nanadina ny amin' ny osilahy natao sorona noho ny ota, ka indro efa voadotra izany; ka tezitra tamin' i Eleazara sy Itamara hany sisa zanakalahin' i Aarona izy, sy nanao tamin' izy ireo hoe: Moïse s' enquit alors du bouc offert en sacrifice pour le péché : voilà qu' on l' avait brûlé ! Il s' irrita contre Éléazar et Itamar, les fils survivants d' Aaron :
Lev 10:17 Wherefore have ye not eaten the sin offering in the holy place, seeing it is most holy, and God hath given it you to bear the iniquity of the congregation, to make atonement for them before the Lord? Nahoana no tsy nohaninareo teo amin' ny fitoerana masina ny fanatitra noho ny ota? fa masina dia masina izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan' i Jehovah. Nahoana no tsy nohaninareo, teo amin' ny fitoerana masina, ny sorona noho ny ota? Fa zava-masina dia masina izany, ary nomen' ny Tompo anareo, mba hitondranareo ny otan' ny fiangonana sy hanaovanareo ny fanonerana ho azy, eo anatrehan' ny Tompo. " Pourquoi, dit-il, n' avez-vous pas mangé cette victime dans le lieu sacré ? Car c' est une chose très sainte qui vous a été donnée pour ôter la faute de la communauté en faisant sur elle le rite d' expiation devant Yahvé.
Lev 10:18 Behold, the blood of it was not brought in within the holy place: ye should indeed have eaten it in the holy place, as I commanded. Indro, ny ràny tsy nampidirina tao anatin' ny fitoerana masina, koa tokony ho nihinana azy mihitsy teo amin' ny fitoerana masina ianareo, araka izay nandidiako. Ka indro izao fa ny ràn' ny sorona tsy nentina tao anatin' ny fitoerana masina; hianareo koa, tokony ho nihinana azy, teo amin' ny toerana masina, araka ny nandidiako azy. Puisque le sang n' en a pas été porté à l' intérieur du sanctuaire, vous y deviez manger la chair comme je l' avais ordonné. "
Lev 10:19 And Aaron said unto Moses, Behold, this day have they offered their sin offering and their burnt offering before the Lord; and such things have befallen me: and if I had eaten the sin offering to day, should it have been accepted in the sight of the Lord? Ary Arona niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan' i Jehovah, ary efa azon' izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason' i Jehovah va izany? Fa hoy Aarona tamin' i Moizy: Izy ireo androany dia efa nanatitra ny sorony noho ny ota sy ny sorony dorana, teo anatrehan' ny Tompo; fa izaho kosa, noho ny nanjò ahy, moa ho nankasitrahana teo imason' ny Tompo aho, raha nihinana ny sorona noho ny ota androany? Aaron dit à Moïse : " Voici qu' ils ont offert aujourd' hui leur sacrifice pour le péché et leur holocauste devant Yahvé ! Qu' il se fût agi de moi, si j' avais mangé aujourd' hui de la victime pour le péché, cela eût-il paru bon à Yahvé ? "
Lev 10:20 And when Moses heard that, he was content. Ary raha ren' i Mosesy izany, dia nankasitrahany. Nony nandre izany teny izany Moizy dia nankasitraka izany. Moïse entendit, et cela lui parut bon.

<-
->