<-
->

Lev 19:1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 19:2 Speak unto all the congregation of the children of Israel, and say unto them, Ye shall be holy: for I the Lord your God am holy. Mitenena amin' ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo. Mitenena amin' ny fiangonan' Israely rehetra, lazao aminy hoe: Aoka ho masina hianareo, satria masina aho, Iaveh Andriamanitrareo. Parle à toute la communauté des Israélites. Tu leur diras : Soyez saints, car moi, Yahvé votre Dieu, je suis saint.
Lev 19:3 Ye shall fear every man his mother, and his father, and keep my sabbaths: I am the Lord your God. Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny sabatako. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Chacun de vous craindra sa mère et son père. Et vous garderez mes sabbats. Je suis Yahvé votre Dieu.
Lev 19:4 Turn ye not unto idols, nor make to yourselves molten gods: I am the Lord your God. Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Aza mitodi-doha amin' ny sampy; ary aza manao andriamanitra anidina ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Ne vous tournez pas vers les idoles et ne vous faites pas fondre des dieux de métal. Je suis Yahvé votre Dieu.
Lev 19:5 And if ye offer a sacrifice of peace offerings unto the Lord, ye shall offer it at your own will. Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an' i Jehovah ianareo, dia ataovy amin' izay hankasitrahana anareo izany. Raha manatitra sorom-pihavanana amin' ny Tompo hianareo, ataovy arak' izay hahazoanareo sitraka aminy, izany. Si vous faites pour Yahvé un sacrifice de communion, offrez-le de manière à être agréés.
Lev 19:6 It shall be eaten the same day ye offer it, and on the morrow: and if ought remain until the third day, it shall be burnt in the fire. Amin' izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin' ny ampitson' ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin' ny afo izany. Izay andro hamonoana ny sorona, na ny ampitson' izay, no hihinanana azy; izay sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin' ny afo. On en mangera le jour du sacrifice ou le lendemain ; ce qui en restera le surlendemain sera brûlé au feu.
Lev 19:7 And if it be eaten at all on the third day, it is abominable; it shall not be accepted. Ary raha hanina amin' ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana; Raha misy mihinana amin' izany amin' ny andro fahatelo, dia fahavetavetana izany, ka tsy hankasitrahana ny sorona. Si on en mangeait le surlendemain, ce serait un mets avarié qui ne serait point agréé.
Lev 19:8 Therefore every one that eateth it shall bear his iniquity, because he hath profaned the hallowed thing of the Lord: and that soul shall be cut off from among his people. fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin' i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny izany olona izany. Ary izay mihinana azy amin' izany, dia hilonjy ny helony, fa mametaveta ny zava-boahasina ho an' ny Tompo, ka hofongorana amin' ny fireneny izany olona izany. Celui qui en mangera portera le poids de sa faute, car il aura profané la sainteté de Yahvé : cet être sera retranché des siens.
Lev 19:9 And when ye reap the harvest of your land, thou shalt not wholly reap the corners of thy field, neither shalt thou gather the gleanings of thy harvest. Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin' ny vokatrao. Raha mijinja ny vokatry ny taninareo hianareo, aza mijinja ny sahanao hatrany am-paran' ny sisiny indrindra, ary aza fakoinao izay mbola hotsimponin' ny hafa amin' ny varinao. Lorsque vous récolterez la moisson de votre pays, vous ne moissonnerez pas jusqu'à l' extrême bout du champ. Tu ne glaneras pas ta moisson,
Lev 19:10 And thou shalt not glean thy vineyard, neither shalt thou gather every grape of thy vineyard; thou shalt leave them for the poor and stranger: I am the Lord your God. Ary aza otazana avokoa ny eo amin' ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin' ny sahanao; fa avelao ho an' ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Aza mioty ny salohiny tavela amin' ny voalobokao; ary aza mitsimpona ny voankazo latsaka amin' ny sahanao; fa avelao izany ho an' ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. tu ne grappilleras pas ta vigne et tu ne ramasseras pas les fruits tombés dans ton verger. Tu les abandonneras au pauvre et à l'étranger. Je suis Yahvé votre Dieu.
Lev 19:11 Ye shall not steal, neither deal falsely, neither lie one to another. Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga. Aza mangalatra, aza mifamitaka na mifandainga hianareo. Nul d' entre vous ne commettra vol, dissimulation ou fraude envers son compatriote.
Lev 19:12 And ye shall not swear by my name falsely, neither shalt thou profane the name of thy God: I am the Lord. Aza mianian-tsy tò amin' ny anarako, na manamavo ny anaran' Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. Aza mianian-tsy tò amin' ny anarako, fa fanamavoana ny anaran' Andriamanitrao izany. Izaho no Iaveh. Vous ne commettrez point de fraude en jurant par mon nom ; tu profanerais le nom de ton Dieu. Je suis Yahvé.
Lev 19:13 Thou shalt not defraud thy neighbour, neither rob him: the wages of him that is hired shall not abide with thee all night until the morning. Aza manao an-keriny amin' ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman' izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina. Aza mampahory ny namanao, na manendaka azy. Aza tànanao miloak' alina ny karaman' ny mpikarama. Tu n' exploiteras pas ton prochain et ne le spolieras pas : le salaire de l' ouvrier ne demeurera pas avec toi jusqu' au lendemain matin.
Lev 19:14 Thou shalt not curse the deaf, nor put a stumblingblock before the blind, but shalt fear thy God: I am the Lord. Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan' ny jamba; fa matahora an' Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. Aza manozona ny marenina, na mametraka eo alohan' ny jamba izay zavatra mety hamotraka azy, fa matahora an' Andriamanitrao. Izaho no Iaveh. Tu ne maudiras pas un muet et tu ne mettras pas d' obstacle devant un aveugle, mais tu craindras ton Dieu. Je suis Yahvé.
Lev 19:15 Ye shall do no unrighteousness in judgment: thou shalt not respect the person of the poor, nor honor the person of the mighty: but in righteousness shalt thou judge thy neighbour. Aza manao izay tsy marina amin' ny fitsarana; aza miandany foana amin' ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao. Aza manao ny tsy rariny amin' ny fitsarana: ny mahantra aza ananana tombom-pitia, ny manan-karena aza ananana fankasitrahana, fa ny rariny ihany no hitsaranao ny namanao. Vous ne commettrez point d' injustice en jugeant. Tu ne feras pas acception de personnes avec le pauvre ni ne te laisseras éblouir par le grand : c' est selon la justice que tu jugeras ton compatriote.
Lev 19:16 Thou shalt not go up and down as a talebearer among thy people: neither shalt thou stand against the blood of thy neighbour; I am the Lord. Aza mandehandeha manaratsy eo amin' ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran' ny namanao: Izaho no Jehovah. Aza manely fanaratsiana eo amin' ny firenenao. Ary aza mitsangan-ko vavolombelona handatsaka ny ràn' ny namanao. Izaho no Iaveh. Tu n' iras pas diffamer les tiens et tu ne mettras pas en cause le sang de ton prochain. Je suis Yahvé.
Lev 19:17 Thou shalt not hate thy brother in thine heart: thou shalt in any wise rebuke thy neighbour, and not suffer sin upon him. Aza mankahala ny rahalahinao amin' ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao, fa mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. Tu n' auras pas dans ton coeur de haine pour ton frère. Tu dois réprimander ton compatriote et ainsi tu n' auras pas la charge d' un péché.
Lev 19:18 Thou shalt not avenge, nor bear any grudge against the children of thy people, but thou shalt love thy neighbour as thyself: I am the Lord. Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin' izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin' ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Iaveh. Tu ne te vengeras pas et tu ne garderas pas de rancune envers les enfants de ton peuple. Tu aimeras ton prochain comme toi-même. Je suis Yahvé.
Lev 19:19 Ye shall keep my statutes. Thou shalt not let thy cattle gender with a diverse kind: thou shalt not sow thy field with mingled seed: neither shall a garment mingled of linen and woollen come upon thee. Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin' ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin' ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho. Tandremo ny didiko. Aza mampivady biby samihafa karazana; aza mamafy voan-javatra roa karazana amin' ny tanimbolinao, ary aza mitafy fitafiana voatenona tamin' ny kofehy roa karazana. Vous garderez mes lois. Tu n' accoupleras pas dans ton bétail deux bêtes d' espèce différente, tu ne sèmeras pas dans ton champ deux espèces différentes de graine, tu ne porteras pas sur toi un vêtement en deux espèces de tissu.
Lev 19:20 And whosoever lieth carnally with a woman, that is a bondmaid, betrothed to an husband, and not at all redeemed, nor freedom given her; she shall be scourged; they shall not be put to death, because she was not free. Ary raha misy mandry amin' ny andevovavy izay voafofon' olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy. Raha misy lehilahy mandry sy miray amim-behivavy andevon' olona ka efa voafofon-dehilahy hafa, nefa mbola tsy voavotra na afaka, dia hofaizina izy roroa, nefa tsy hohelohin-ko faty, satria tsy olona afaka ravehivavy. Si un homme couche maritalement avec une femme, si celle-ci est la servante concubine d' un homme auquel elle n' a pas été rachetée et qui ne lui a pas donné sa liberté, le premier sera passible d' un droit mais ils ne mourront pas, car elle n'était pas libre.
Lev 19:21 And he shall bring his trespass offering unto the Lord, unto the door of the tabernacle of the congregation, even a ram for a trespass offering. Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an' i Jehovah ho eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana; Ary ho sazin' ny fahotany dia hoentin-dralehilahy amin' ny Tompo ny ondralahy iray eo anoloan' ny varavaran' ny trano lay fihaonana hatao sorona fanonerana. Il apportera pour Yahvé un sacrifice de réparation à l' entrée de la Tente du Rendez-vous. Ce sera un bélier de réparation.
Lev 19:22 And the priest shall make an atonement for him with the ram of the trespass offering before the Lord for his sin which he hath done: and the sin which he hath done shall be forgiven him. ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin' ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan' i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany. Ny mpisorona dia hanao fanonerana ho azy, eo anatrehan' ny Tompo amin' ny ondralahy fisoronam-panonerana, noho ny fahotana nataony, ka dia havela ny fahotana nataony. Avec ce bélier de réparation le prêtre fera sur l' homme le rite d' expiation devant Yahvé pour le péché commis ; et le péché qu' il a commis lui sera pardonné.
Lev 19:23 And when ye shall come into the land, and shall have planted all manner of trees for food, then ye shall count the fruit thereof as uncircumcised: three years shall it be as uncircumcised unto you: it shall not be eaten of. Ary raha tonga any amin' ny tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina; Raha avy izay hahatafidiranareo any amin' ny tany, ka efa namboly hazo mamoa isan-karazany hianareo, dia ataovy ho toy ny tsy voafora ny voany; mandritra ny telo taona dia ho tsy voafora ho anareo izany, ka aza hihinanana. Lorsque vous serez entrés en ce pays et que vous aurez planté quelque arbre fruitier, vous considérerez ses fruits comme si c'était son prépuce. Pendant trois ans ils seront pour vous une chose incirconcise, on n' en mangera pas.
Lev 19:24 But in the fourth year all the fruit thereof shall be holy to praise the Lord withal. ary amin' ny taona fahefatra dia ho masina ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an' i Jehovah; Ary amin' ny taona fahefatra, atokany ho fiderana an' ny Tompo ny voany rehetra. La quatrième année tous les fruits en seront consacrés dans une fête de louange à Yahvé.
Lev 19:25 And in the fifth year shall ye eat of the fruit thereof, that it may yield unto you the increase thereof: I am the Lord your God. fa amin' ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, mba hitomboan' ny fahavokarany ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Fa amin' ny taona fahadimy vao hihinana ny voany hianareo, ka hitohy ny fahavokaran' ny hazo ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. C' est la cinquième année que vous en pourrez manger les fruits et récolter pour vous-mêmes les produits. Je suis Yahvé votre Dieu.
Lev 19:26 Ye shall not eat any thing with the blood: neither shall ye use enchantment, nor observe times. Aza homana zavatra misy rà; aza manao sikidy na manandro. Aza mihinan-javatra miharo rà. Aza manao sikidy na fankatoavana. Vous ne mangerez rien avec du sang ; vous ne pratiquerez ni divination ni incantation.
Lev 19:27 Ye shall not round the corners of your heads, neither shalt thou mar the corners of thy beard. Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao. Aza hetezana atao vorivory ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza haratana ny sisim-bolombavanareo. Vous n' arrondirez pas le bord de votre chevelure et tu ne couperas pas le bord de ta barbe.
Lev 19:28 Ye shall not make any cuttings in your flesh for the dead, nor print any marks upon you: I am the Lord. Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin' ny tenanareo: Izaho no Jehovah. Aza mitetika ny tenanareo raha misy maty, na manao sary tombo-kavatsa amin' ny tenanareo. Izaho no Iaveh. Vous ne vous ferez pas d' incisions dans le corps pour un mort et vous ne vous ferez pas de tatouage. Je suis Yahvé.
Lev 19:29 Do not prostitute thy daughter, to cause her to be a whore; lest the land fall to whoredom, and the land become full of wickedness. Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana. Aza mandoto ny zanakavavinao amin' ny fampijangajanganana azy, fandrao mivarilavo amin' ny fijangajangana ny tany, ka feno heloka. Ne profane pas ta fille en la prostituant ; ainsi le pays ne sera pas prostitué et rendu tout entier incestueux.
Lev 19:30 Ye shall keep my sabbaths, and reverence my sanctuary: I am the Lord. Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah. Tandremo ny sabatako ary hajao ny fitoerako masina. Izaho no Iaveh. Vous garderez mes sabbats et révérerez mon sanctuaire. Je suis Yahvé.
Lev 19:31 Regard not them that have familiar spirits, neither seek after wizards, to be defiled by them: I am the Lord your God. Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin' ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Aza manatona an' izay mpamoha angatra na mpisikidy, aza maka hevitra aminy, mba tsy ho voalotony hianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Ne vous tournez pas vers les spectres et ne recherchez pas les devins, ils vous souilleraient. Je suis Yahvé votre Dieu.
Lev 19:32 Thou shalt rise up before the hoary head, and honour the face of the old man, and fear thy God: I am the Lord. Mitsangàna raha eo anatrehan' ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan' ny anti-panahy, ary matahora an' Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. Mitsangàna raha manoloana ny fotsy volo, hajao ny olona efa tratra antitra; ary matahora an' Andriamanitra. Izaho no Iaveh. Tu te lèveras devant une tête chenue, tu honoreras la personne du vieillard et tu craindras ton Dieu. Je suis Yahvé.
Lev 19:33 And if a stranger sojourn with thee in your land, ye shall not vex him. Ary raha misy mivahiny aminao eo amin' ny taninareo, aza manao sarotra aminy. Raha misy vahiny tonga miara-monina aminareo, eo amin' ny taninareo, aza mampahory azy. Si un étranger réside avec vous dans votre pays, vous ne le molesterez pas.
Lev 19:34 But the stranger that dwelleth with you shall be unto you as one born among you, and thou shalt love him as thyself; for ye were strangers in the land of Egypt: I am the Lord your God. Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin' ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Fa ataovy toy ny tompon-tany ihany no fitondra ny vahiny mitoetra eo afovoanareo, tiavo toy ny tànanao izy; fa efa mba vahiny tany amin' ny tany Ejipta koa hianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. L'étranger qui réside avec vous sera pour vous comme un compatriote et tu l' aimeras comme toi-même, car vous avez été étrangers au pays d'Égypte. Je suis Yahvé votre Dieu.
Lev 19:35 Ye shall do no unrighteousness in judgment, in meteyard, in weight, or in measure. Aza manao izay tsy marina amin' ny fitsarana, na amin' ny fandrefesana, na amin' ny fandanjana, na amin' ny famarana. Aza manao ny tsy marina na amin' ny fitsarana na amin' ny fandrefesana, na amin' ny fandanjàna, na amin' ny famarana. Vous ne commettrez point d' injustice en jugeant, qu' il s' agisse de mesures de longueur, de poids ou de capacité.
Lev 19:36 Just balances, just weights, a just ephah, and a just hin, shall ye have: I am the Lord your God, which brought you out of the land of Egypt. Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta. Fa mizàna marina, vato-mizàna marina, efah marina, ary hina marina no tano. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, izay namoaka anareo tany amin' ny tany Ejipta. Vous aurez des balances justes, des poids justes, une mesure juste, un setier juste. Je suis Yahvé votre Dieu qui vous ai fait sortir du pays d'Égypte.
Lev 19:37 Therefore shall ye observe all my statutes, and all my judgments, and do them: I am the Lord. Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah. Tandremo avokoa ny lalàna amam-pitsipiko rehetra, ka araho izany. Izaho no Iaveh. Gardez toutes mes lois et toutes mes coutumes, mettez-les en pratique. Je suis Yahvé.

<-
->