<-
->

Lev 20:1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 20:2 Again, thou shalt say to the children of Israel, Whosoever he be of the children of Israel, or of the strangers that sojourn in Israel, that giveth any of his seed unto Molech; he shall surely be put to death: the people of the land shall stone him with stones. Lazao amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Na iza na iza amin' ny Zanak' Isiraely, na amin' ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an' i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy. Izao no lazao amin' ny zanak' Israely: Na zovy na zovy amin' ny zanak' Israely, na amin' ny vahiny mitoetra eo amin' Israely, manolotra ny iray amin' ny zanany ho an' i Moloka, dia hohelohin-ko faty, ka hotorahan' ny vahoaka tompon-tany vato. Tu diras aux Israélites : Quiconque, Israélite ou étranger résidant en Israël, livre de ses fils à Molek devra mourir. Les gens du pays le lapideront,
Lev 20:3 And I will set my face against that man, and will cut him off from among his people; because he hath given of his seed unto Molech, to defile my sanctuary, and to profane my holy name. Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin' ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an' i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masina sy hanamavoany ny anarako masina. Ary hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hofongorako amin' ny fireneny izy, fa nanolotra ny iray amin' ny zanany ho an' i Moloka, handoto ny fitoerako masina, sy hanevateva ny anarako. je me tournerai contre cet homme et le retrancherai du milieu de son peuple, car en ayant livré l' un de ses fils à Molek il aura souillé mon sanctuaire et profané mon saint nom.
Lev 20:4 And if the people of the land do any ways hide their eyes from the man, when he giveth of his seed unto Molech, and kill him not: Ary raha mody tsy mahita izany olona izany ny vahoaka mba tsy hahafaty azy, raha anolorany ho an' i Moloka ny zanany, Na mody tsy mahita izany olona izany aza ny vahoaka, amin' ny anolorany ny zanany ho an' i Moloka, ka tsy mamono azy, Si les gens du pays veulent fermer les yeux sur cet homme quand il livre l' un de ses fils à Molek et ne le mettent pas à mort,
Lev 20:5 Then I will set my face against that man, and against his family, and will cut him off, and all that go a whoring after him, to commit whoredom with Molech, from among their people. dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin' ny fireneny izy mbamin' izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin' i Moloka. dia hanandrina izany olona izany mbamin' ny fianakaviany ny tavako, ka hofongorako amin' ny fireneny izy mbamin' izay rehetra mivadika amiko toa azy ka mitolo-tena hanompo an' i Moloka. c' est moi qui m' opposerai à cet homme et à son clan. Je les retrancherai du milieu de leur peuple, lui et tous ceux qui après lui iront se prostituer à la suite de Molek.
Lev 20:6 And the soul that turneth after such as have familiar spirits, and after wizards, to go a whoring after them, I will even set my face against that soul, and will cut him off from among his people. Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin' ny fireneny izy. Raha misy olona manatona izay mpamoha angatra na mpisikidy, ka mivadika amiko hanaraka ireny, dia hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hofongorako amin' ny fireneny izy. Celui qui s' adressera aux spectres et aux devins pour se prostituer à leur suite, je me tournerai contre cet homme-là et je le retrancherai du milieu de son peuple.
Lev 20:7 Sanctify yourselves therefore, and be ye holy: for I am the Lord your God. Dia manamasina ny tenanareo ianareo, ka aoka ho masina ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Hamasino ny tenanareo, ary aoka ho masina hianareo, fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Vous vous sanctifierez pour être saints, car je suis Yahvé votre Dieu.
Lev 20:8 And ye shall keep my statutes, and do them: I am the Lord which sanctify you. Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasina anareo. Tandremo ny didiko ka araho izany. Izaho no Iaveh ilay manamasina anareo. Vous garderez mes lois et vous les mettrez en pratique, car c' est moi Yahvé qui vous rends saints.
Lev 20:9 For every one that curseth his father or his mother shall be surely put to death: he hath cursed his father or his mother; his blood shall be upon him. Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny ràny dia ho aminy ihany. Na zovy nba zovy manozona ny rainy na reniny, dia hohelohin-ko faty; fa efa nanozona an-drainy na an-dreniny izy, ka dia aminy ny rany. Donc : Quiconque maudira son père ou sa mère devra mourir. Puisqu' il a maudit son père ou sa mère, son sang retombera sur lui-même.
Lev 20:10 And the man that committeth adultery with another man' s wife, even he that committeth adultery with his neighbour' s wife, the adulterer and the adulteress shall surely be put to death. Ary ny lehilahy mijangajanga amin' ny vadin' olona, dia izay mijangajanga amin' ny vadin' ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy. Raha misy lehilahy maka vadin' olona, ka mandry amin' ny vadin' ny namany, dia hatao maty izy ireo ho valin' izany, na ralehilahy naka vadin' olona na ravehivavy nalainy. L' homme qui commet l' adultère avec la femme de son prochain devra mourir, lui et sa complice.
Lev 20:11 And the man that lieth with his father' s wife hath uncovered his father' s nakedness: both of them shall surely be put to death; their blood shall be upon them. Ary ny olona izay mandry amin' ny vadin-drainy dia efa nandry tamin' izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany. Raha misy lehilahy mandry amin' ny vadin-drainy, ka manokatra fitanjahan-drainy dia hohelohin-ko faty izy roroa, ka dia amin' izy ireo ny rany. L' homme qui couche avec la femme de son père a découvert la nudité de son père. Tous deux devront mourir, leur sang retombera sur eux.
Lev 20:12 And if a man lie with his daughter in law, both of them shall surely be put to death: they have wrought confusion; their blood shall be upon them. Ary raha misy lehilahy mandry amin' ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny ràny dia ho aminy ihany. Raha misy lehilahy mandry amin' ny vinantovaviny, dia hohelohin-ko faty izy roroa, fa nanao zava-mahamenatra; ka dia amin' izy ireo ny rany. L' homme qui couche avec sa belle-fille : tous deux devront mourir. Ils se sont souillés, leur sang retombera sur eux.
Lev 20:13 If a man also lie with mankind, as he lieth with a woman, both of them have committed an abomination: they shall surely be put to death; their blood shall be upon them. Ary raha misy lehilahy mandry amin' ny lehilahy, tahaka ny fandry amin' ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy ihany. Raha misy lehilahy mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, dia nanao zava-betaveta izy roroa, ka dia hohelohin-ko faty; ka dia amin' izy ireo ny rany. L' homme qui couche avec un homme comme on couche avec une femme : c' est une abomination qu' ils ont tous deux commise, ils devront mourir, leur sang retombera sur eux.
Lev 20:14 And if a man take a wife and her mother, it is wickedness: they shall be burnt with fire, both he and they; that there be no wickedness among you. Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin' ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo. Raha misy lehilahy mampirafy vehivavy mianaka, dia heloka bevava izany, ka samy hodorana amin' ny afo izy sy iretsy vehivavy, mba tsy hisian' izany heloka izany eo aminareo. L' homme qui prend pour épouses une femme et sa mère : c' est un inceste. On les brûlera, lui et elles, pour qu' il n' y ait point chez vous d' inceste.
Lev 20:15 And if a man lie with a beast, he shall surely be put to death: and ye shall slay the beast. Ary raha misy lehilahy mandry amin' ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa. Raha misy lehilahy miray amin' ny biby, izy hohelohin-ko faty ary ilay biby koa hovonoinareo. L' homme qui donne sa couche à une bête : il devra mourir et vous tuerez la bête.
Lev 20:16 And if a woman approach unto any beast, and lie down thereto, thou shalt kill the woman, and the beast: they shall surely be put to death; their blood shall be upon them. Ary raha misy vehivavy manatona handry amin' ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany. Raha misy vehivavy manatona hijangajanga amin' ny biby, dia hovonoina na ravehivavy na ilay biby, dia atao maty izy ireo, ka dia amin' izy ireo ny rany. La femme qui s' approche d' un animal quelconque pour s' accoupler à lui : tu tueras la femme et l' animal. Ils devront mourir, leur sang retombera sur eux.
Lev 20:17 And if a man shall take his sister, his father' s daughter, or his mother' s daughter, and see her nakedness, and she see his nakedness; it is a wicked thing; and they shall be cut off in the sight of their people: he hath uncovered his sister' s nakedness; he shall bear his iniquity. Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin' ny rainy, na zanakavavin' ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason' ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin' ny anabaviny ralehilahy ka meloka. Raha misy lehilahy maka ny anabaviny zanakavavin-drainy, na zanakavavin-dreniny ka izy nahita ny fitanjahany, dia haratsiana lozan-tany izany, ka hofongorana eo imason' ny taranaky ny fireneny izy, fa nanokatra ny fitanjahan' ny anabaviny, ka hilonjy ny helony. L' homme qui prend pour épouse sa soeur, la fille de son père ou la fille de sa mère : s' il voit sa nudité et qu' elle voie la sienne, c' est une ignominie. Ils seront exterminés sous les yeux des membres de leur peuple, car il a découvert la nudité de sa soeur et il portera le poids de sa faute.
Lev 20:18 And if a man shall lie with a woman having her sickness, and shall uncover her nakedness; he hath discovered her fountain, and she hath uncovered the fountain of her blood: and both of them shall be cut off from among their people. Ary raha misy lehilahy mandry amin' ny vehivavy izay mararin' ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan' ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan' ny ràny, dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny izy roroa. Raha misy lehilahy mandry amim-behivavy mararin' ny fadim-bolany ka manokatra ny fitanjahany, dia nanokatra ny fandehanan' ny rany izy, ary hofongorana amin' ny fireneny izy roroa. L' homme qui couche avec une femme pendant ses règles et découvre sa nudité : il a mis à nu la source de son sang, elle-même a découvert la source de son sang, aussi tous deux seront retranchés du milieu de leur peuple.
Lev 20:19 And thou shalt not uncover the nakedness of thy mother' s sister, nor of thy father' s sister: for he uncovereth his near kin: they shall bear their iniquity. Ary aza mandry amin' ny rahavavin-dreninao, na amin' ny anabavin-drainao; fa mandry amin' ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka. Aza manokatra ny fitanjahan' ny rahavavin-dreninao, na ny anabavin-drainao, fa manokatra ny fitanjahan' ny tenany izay manao izany, ka hilonjy ny helony izy ireo. Tu ne découvriras pas la nudité de la soeur de ta mère ni celle de la soeur de ton père. Il a mis à nu sa propre chair, ils porteront le poids de leur faute.
Lev 20:20 And if a man shall lie with his uncle' s wife, he hath uncovered his uncle' s nakedness: they shall bear their sin; they shall die childless. Ary raha misy lehilahy mandry amin' ny vadin' ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin' izay nandrian' ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba. Raha misy lehilahy mandry amin' ny vadin-drahalahin-drainy, dia nanokatra ny fitanjahan-drahalahin-drainy izy, ka hilonjy ny helony izy roroa. L' homme qui couche avec la femme de son oncle paternel : il a découvert la nudité de celui-ci, ils porteront le poids de leur péché et mourront sans enfant.
Lev 20:21 And if a man shall take his brother' s wife, it is an unclean thing: he hath uncovered his brother' s nakedness; they shall be childless. Ary raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin' izay nandrian' ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa. Raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany, fa manokatra ny fitanjahan-drahalahiny izy, ka ho momba izy roroa. L' homme qui prend pour épouse la femme de son frère : c' est une souillure, il a découvert la nudité de son frère, ils mourront sans enfant.
Lev 20:22 Ye shall therefore keep all my statutes, and all my judgments, and do them: that the land, whither I bring you to dwell therein, spue you not out. Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana. Tandremo avokoa ny lalàna, amam-pitsipiko, ka araho izany, mba tsy haloan' ny tany hitondrako anareo honenanareo hianareo. Vous garderez toutes mes lois, toutes mes coutumes, et vous les mettrez en pratique ; ainsi ne vous vomira pas le pays où je vous conduis pour y demeurer.
Lev 20:23 And ye shall not walk in the manners of the nation, which I cast out before you: for they committed all these things, and therefore I abhorred them. Ary aza manaraka ny fanaon' ny firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo; fa nanao izany rehetra izany izy, ka dia halako. Aza manaraka ny fanaon' ny firenena izay horoahiko eo anoloanareo, fa nanao izany rehetra izany izy, ka maharikoriko ahy izy. Vous ne suivrez pas les lois des nations que je chasse devant vous, car elles ont pratiqué toutes ces choses et je les ai prises en dégoût.
Lev 20:24 But I have said unto you, Ye shall inherit their land, and I will give it unto you to possess it, a land that floweth with milk and honey: I am the Lord your God, which have separated you from other people. Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin' ny firenena samy hafa. Efa voalazako taminareo fa hianareo no handova ny tanin' ireny; homeko anareo hanananareo azy, ary tany tondra-dronono aman-tantely izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay nanavaka anareo tamin' ny firenena hafa. Aussi vous ai-je dit : Vous prendrez possession de leur sol, je vous en donnerai moi-même la possession, une terre qui ruisselle de lait et de miel. C' est moi Yahvé votre Dieu qui vous ai mis à part de ces peuples.
Lev 20:25 Ye shall therefore put difference between clean beasts and unclean, and between unclean fowls and clean: and ye shall not make your souls abominable by beast, or by fowl, or by any manner of living thing that creepeth on the ground, which I have separated from you as unclean. Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin' ny biby, na amin' ny vorona, na amin' izay rehetra mandady na mikisaka amin' ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto. Hanavaka ny biby madio amin' izay maloto hianareo, sy ny vorona madio amin' izay maloto, ka tsy hametaveta ny tenanareo amin' izay biby, na vorona, na izay zava-mihetsiketsika rehetra ambonin' ny tany, nasaiko navahanareo ho zava-maloto. Mettez donc la bête pure à part de l' impure, l' oiseau pur à part de l' impur. Ne vous rendez pas vous-mêmes immondes avec ces bêtes, ces oiseaux, avec tout ce qui rampe sur le sol : je vous les ai fait mettre à part comme impurs.
Lev 20:26 And ye shall be holy unto me: for I the Lord am holy, and have severed you from other people, that ye should be mine. Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin' ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy. Ho masina ho ahy hianareo, fa izaho Iaveh dia masina sy efa nanavaka anareo tamin' ny firenen-kafa mba ho ahy. Soyez-moi consacrés puisque moi, Yahvé, je suis saint et je vous mettrai à part de tous ces peuples pour que vous soyez à moi.
Lev 20:27 A man also or woman that hath a familiar spirit, or that is a wizard, shall surely be put to death: they shall stone them with stones: their blood shall be upon them. Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany. Hatao maty avokoa izay lehilahy na vehivavy mamoha angatra na manao hatsaràna, hotoraham-bato izy, ka dia amin' izy ireo ny rany. L' homme ou la femme qui parmi vous serait nécromant ou devin : ils seront mis à mort, on les lapidera, leur sang retombera sur eux.

<-
->