<-
->

Lev 23:1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 23:2 Speak unto the children of Israel, and say unto them, Concerning the feasts of the Lord, which ye shall proclaim to be holy convocations, even these are my feasts. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Ny amin' ny fotoam-pivavahana voatendrin' i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: Mitenena amin' ny zanak' Israely ka lazao aminy hoe: Ireto no fety lehibe ho an' ny Tompo izay hantsoinareo mba ho fivoriana masina; fetiko lehibe izany. Parle aux Israélites ; tu leur diras : Les solennités de Yahvé auxquelles vous les convoquerez, ce sont là mes saintes assemblées. Voici mes solennités :
Lev 23:3 Six days shall work be done: but the seventh day is the sabbath of rest, an holy convocation; ye shall do no work therein: it is the sabbath of the Lord in all your dwellings. Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an' i Jehovah eny amin' izay fonenanareo rehetra izany. Andro enina no hiasana, fa ny andro fahafito dia sabata, fitsaharana amin' ny asa rehetra, hasiana fivoriana masina. Tsy hanao asa na inona na inona hianareo, fa fitsaharana voatokana ho an' ny Tompo io, any amin' izay tany rehetra honenanareo. Pendant six jours on travaillera, mais le septième jour sera jour de repos complet, jour de sainte assemblée, où vous ne ferez aucun travail. Où que vous habitiez, c' est un sabbat pour Yahvé.
Lev 23:4 These are the feasts of the Lord, even holy convocations, which ye shall proclaim in their seasons. Izao no fotoam-pivavahana voatendrin' i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin' ny fotoany avy: Ireto no fetin' ny Tompo, ny fivoriana masina izay hantsoinareo amin' ny fotoany avy: Voici les solennités de Yahvé, les saintes assemblées où vous appellerez les Israélites à la date fixée :
Lev 23:5 In the fourteenth day of the first month at even is the Lord' s passover. Ny andro fahefatra ambin' ny folo amin' ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan' i Jehovah. Amin' ny volana voalohany, andro fahefatra ambin' ny folon' ny volana amin' ilay àty takariva iny, dia Pakan' ny Tompo. Le premier mois, le quatorzième jour du mois, au crépuscule, c' est Pâque pour Yahvé,
Lev 23:6 And on the fifteenth day of the same month is the feast of unleavened bread unto the Lord: seven days ye must eat unleavened bread. Ary ny andro fahadimy ambin' ny folo amin' izany volana izany dia andro firavoravoana ho an' i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. Ary ny andro fahadimy ambin' ny folon' io volana io, dia fetin' ny mofo tsy misy lalivay, fankalazana an' ny Tompo; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy lalivay. et le quinzième jour de ce mois, c' est la fête des Azymes pour Yahvé. Pendant sept jours vous mangerez des pains sans levain.
Lev 23:7 In the first day ye shall have an holy convocation: ye shall do no servile work therein. Ary amin' ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo; Amin' ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo, ary tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo. Le premier jour il y aura pour vous une sainte assemblée ; vous ne ferez aucune oeuvre servile.
Lev 23:8 But ye shall offer an offering made by fire unto the Lord seven days: in the seventh day is an holy convocation: ye shall do no servile work therein. fa manatera fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah hafitoana; ary amin' ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo. Mandritra ny hafitoana, hanatitra sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo hianareo. Ary amin' ny andro fahafito, hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asam-panompo hianareo, na inona na inona. Pendant sept jours vous offrirez un mets à Yahvé. Le septième jour, jour de sainte assemblée, vous ne ferez aucune oeuvre servile.
Lev 23:9 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 23:10 Speak unto the children of Israel, and say unto them, When ye be come into the land which I give unto you, and shall reap the harvest thereof, then ye shall bring a sheaf of the firstfruits of your harvest unto the priest: Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin' ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin' ny voaloham-bokatrareo ho any amin' ny mpisorona ianareo; Mitenena amin' ny zanak' Israely ka lazao aminy hoe: Raha avy izay hahatafidiranareo any amin' ny tany omeko anareo, ka mijinja ny vokatrareo hianareo, dia hitondra amboaram-bary iray amin' ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo. Parle aux Israélites ; tu leur diras : Quand vous serez entrés dans le pays que je vous donne et quand vous y ferez la moisson, vous apporterez au prêtre la première gerbe de votre moisson.
Lev 23:11 And he shall wave the sheaf before the Lord, to be accepted for you: on the morrow after the sabbath the priest shall wave it. ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan' i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin' ny ampitson' ny Sabata no hanevahevan' ny mpisorona azy. Hahevahevany eo anatrehan' ny Tompo io amboara io, hahitanareo sitraka aminy; ary ny ampitson' ny sabata no hanevahevan' ny mpisorona azy. Il l' offrira devant Yahvé en geste de présentation pour que vous soyez agréés. C' est le lendemain du sabbat que le prêtre fera cette présentation
Lev 23:12 And ye shall offer that day when ye wave the sheaf an he lamb without blemish of the first year for a burnt offering unto the Lord. Ary amin' izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak' ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an' i Jehovah. Amin' ny andro hanevahevanareo ny amboaram-bary, dia manatera zanak' ondry iray, efa iray taona, tsy misy kilema, hatao sorona dorana ho an' ny Tompo. et, le jour où vous ferez cette présentation, vous offrirez à Yahvé l' holocauste d' un agneau d' un an, sans défaut.
Lev 23:13 And the meat offering thereof shall be two tenth deals of fine flour mingled with oil, an offering made by fire unto the Lord for a sweet savour: and the drink offering thereof shall be of wine, the fourth part of an hin. Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon' ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin' ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina. Ny fanatitra hampombaina an' io, dia lafarina tsara indrindra roa ampahafolon' ny efah voadity tamin' ny diloilo, ho fanatitra atao amin' ny afo ho hanitra ankasitrahan' ny Tompo; ary ny fanatitra araraka dia divay ampahefatry ny hina. L' oblation en sera ce jour-là de deux dixièmes de fleur de farine pétrie à l' huile, mets consumé pour Yahvé en parfum d' apaisement ; la libation de vin en sera d' un quart de setier.
Lev 23:14 And ye shall eat neither bread, nor parched corn, nor green ears, until the selfsame day that ye have brought an offering unto your God: it shall be a statute for ever throughout your generations in all your dwellings. Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan' ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an' Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin' ny taranakareo hatramin' ny fara mandimby izany eny amin' izay fonenanareo rehetra. Tsy hihina-mofo, na salohim-bary voaendy, na salohim-bary maitso hatramin' izany andro izany mandra-pitondranareo ny fanatitra ho an' ny Andriamanitrareo. Lalàna tsy tapaka ho an' ny taranakareo izany, any amin' ny tany rehetra honenanareo. Vous ne mangerez pas de pain, épis grillés ou pain cuit, avant ce jour, avant d' avoir apporté l' offrande de votre Dieu. C' est une loi perpétuelle pour vos descendants, où que vous habitiez.
Lev 23:15 And ye shall count unto you from the morrow after the sabbath, from the day that ye brought the sheaf of the wave offering; seven sabbaths shall be complete: Ary manisà ho anareo hatramin' ny ampitson' ny Sabata, dia hatramin' izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka. Ary miantomboka amin' ny ampitson' ny sabata amin' ny andro nitondranareo ny amboara hahevaheva dia hanisa herinandro fito mipaka hianareo. A partir du lendemain du sabbat, du jour où vous aurez apporté la gerbe de présentation, vous compterez sept semaines complètes.
Lev 23:16 Even unto the morrow after the seventh sabbath shall ye number fifty days; and ye shall offer a new meat offering unto the Lord. Dia amin' ny ampitson' ny Sabata fahafito no hahataperan' ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an' i Jehovah indray. Hanisa andro dimampolo hianareo aloha mandra-pahatongan' ny ampitson' ny sabata fahafito, dia hanatitra fanatitra vaovao amin' ny Tompo. Vous compterez cinquante jours jusqu' au lendemain du septième sabbat et vous offrirez alors à Yahvé une nouvelle oblation.
Lev 23:17 Ye shall bring out of your habitations two wave loaves of two tenth deals; they shall be of fine flour; they shall be baken with leaven; they are the firstfruits unto the Lord. Ary mitondrà mofo roa avy amin' ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin' ny koba tsara toto roa ampahafolon' ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an' i Jehovah izany. Mitondrà, avy any an-tranonareo, mofo roa, ho fanatitra ahevaheva, natao tamin' ny lafarina tsara indrindra roa ampahafolon' ny efah, sy nandrahoina nasiana lalivay; santa-bokatra ho an' ny Tompo izany. Vous apporterez de vos demeures du pain à offrir en geste de présentation, en deux parts de deux dixièmes de fleur de farine cuite avec du ferment, à titre de prémices pour Yahvé.
Lev 23:18 And ye shall offer with the bread seven lambs without blemish of the first year, and one young bullock, and two rams: they shall be for a burnt offering unto the Lord, with their meat offering, and their drink offerings, even an offering made by fire, of sweet savour unto the Lord. Ary manatera miaraka amin' ny mofo zanak' ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr' ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an' i Jehovah ireo mbamin' ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin' ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah. Miaraka amin' ireo mofo ireo, ny haterinareo amin' ny Tompo ho sorona dorana dia zanak' ondry fito, samy efa iray taona, tsy misy kilema, vantotr' ombalahy iray, ondralahy roa; ampiarahina amin' ireo koa ny fanatitra sy ny fanatitra araraka; sorona atao amin' ny afo ho hanitra ankasitrahan' ny Tompo izany. Vous offrirez en plus du pain sept agneaux d' un an, sans défaut, un taureau et deux béliers à titre d' holocauste pour Yahvé, accompagnés d' une oblation et d' une libation, mets consumés en parfum d' apaisement pour Yahvé.
Lev 23:19 Then ye shall sacrifice one kid of the goats for a sin offering, and two lambs of the first year for a sacrifice of peace offerings. Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak' ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana. Dia mamonoa koa osilahy iray ho sorona noho ny ota, sy zanak' ondry roa, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Vous ferez aussi avec un bouc un sacrifice pour le péché et avec deux agneaux nés dans l' année un sacrifice de communion.
Lev 23:20 And the priest shall wave them with the bread of the firstfruits for a wave offering before the Lord, with the two lambs: they shall be holy to the Lord for the priest. Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin' ny mofon' ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' i Jehovah mbamin' ny zanak' ondrilahy roa koa; ireo dia ho masina ho an' i Jehovah ho anjaran' ny mpisorona. Hahevahevan' ny mpisorona ireny miaraka amin' ny mofo santa-bokatra ho fanatitra ahevaheva, eo anatrehan' ny Tompo, mbamin' ny zanak' ondry roa, dia ho voatokana ho an' ny Tompo, ka ho anjaran' ny mpisorona. Le prêtre les offrira en geste de présentation devant Yahvé, en plus du pain des prémices. En plus des deux agneaux, ce sont choses saintes pour Yahvé, qui reviendront au prêtre.
Lev 23:21 And ye shall proclaim on the selfsame day, that it may be an holy convocation unto you: ye shall do no servile work therein: it shall be a statute for ever in all your dwellings throughout your generations. Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin' ny taranakareo hatramin' ny fara mandimby izany eny amin' izay fonenanareo rehetra. Amin' io andro io indrindra no hiantsoanareo ny fety, ary hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo. Lalàna tsy tapaka ho an' ny taranakareo izany, any amin' izay tany rehetra honenanareo. Ce même jour vous ferez une convocation ; ce sera pour vous une sainte assemblée, vous ne ferez aucune oeuvre servile. C' est une loi perpétuelle pour vos descendants, où que vous habitiez.
Lev 23:22 And when ye reap the harvest of your land, thou shalt not make clean riddance of the corners of thy field when thou reapest, neither shalt thou gather any gleaning of thy harvest: thou shalt leave them unto the poor, and to the stranger: I am the Lord your God. Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin' ny vokatrao, fa avelao ho an' ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Rahefa mijinja ny vokatrareo hianareo any amin' ny taninareo, aza dia jinjaina hatrany an-tsisiny indrindra ny sahanareo, ary aza dia fakoina amin' ny vokatrao ny hotsimponin' ny hafa, fa avelao izany ho an' ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Lorsque vous ferez la moisson dans votre pays, tu ne moissonneras pas jusqu'à l' extrême bord de ton champ et tu ne glaneras pas ta moisson. Tu abandonneras cela au pauvre et à l'étranger. Je suis Yahvé votre Dieu.
Lev 23:23 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 23:24 Speak unto the children of Israel, saying, In the seventh month, in the first day of the month, shall ye have a sabbath, a memorial of blowing of trumpets, an holy convocation. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin' ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin' ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina. Mitenena amin' ny zanak' Israely ka lazao hoe: Amin' ny volana fahafito, andro voalohan' ny volana, dia hisy fitsaharana lehibe ho anareo, hantsoina amin' ny feon' ny anjomara, fivoriana masina. Parle aux Israélites, dis-leur : Le septième mois, le premier jour du mois, il y aura pour vous jour de repos, appel en clameur, sainte assemblée.
Lev 23:25 Ye shall do no servile work therein: but ye shall offer an offering made by fire unto the Lord. Aza manao tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah. Tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo, ary hanolotra sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo. Vous ne ferez aucune oeuvre servile et vous offrirez un mets à Yahvé.
Lev 23:26 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 23:27 Also on the tenth day of this seventh month there shall be a day of atonement: it shall be an holy convocation unto you; and ye shall afflict your souls, and offer an offering made by fire unto the Lord. Ary amin' ny andro fahafolo amin' izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah. Ny andro fahafolon' io volana fahafito io no andron' ny Fanonerana: Hanao fivoriana masina hianareo, hampijaly tena, ary hanatitra sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo. D' autre part, le dixième jour de ce septième mois, c' est le jour des Expiations. Il y aura pour vous une sainte assemblée. Vous jeûnerez et vous offrirez un mets à Yahvé.
Lev 23:28 And ye shall do no work in that same day: for it is a day of atonement, to make an atonement for you before the Lord your God. Ary aza manao raharaha akory amin' izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan' i Jehovah Andriamanitrareo. Tsy hanao asa na inona na inona, amin' izany andro izany hianareo, fa andro fanonerana io, izay tsy maintsy anaovanareo ny fanonerana ho anareo, eo anatrehan' ny Tompo Andriamanitrareo. Ce jour-là vous ne ferez aucun travail, car c' est le jour des Expiations où l' on accomplit sur vous le rite d' expiation devant Yahvé votre Dieu.
Lev 23:29 For whatsoever soul it be that shall not be afflicted in that same day, he shall be cut off from among his people. Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin' izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny. Hofongorana amin' ny fireneny ny olona rehetra tsy mampijaly tena amin' izany andro izany; Oui, quiconque ne jeûnera pas ce jour-là sera retranché des siens ;
Lev 23:30 And whatsoever soul it be that doeth any work in that same day, the same soul will I destroy from among his people. Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin' izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin' ny fireneny. ary holevoniko amin' ny fireneny ny olona rehetra manao asa na inona na inona amin' izany andro izany. quiconque fera un travail ce jour-là, je le supprimerai du milieu de son peuple.
Lev 23:31 Ye shall do no manner of work: it shall be a statute for ever throughout your generations in all your dwellings. Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin' ny taranakareo hatramin' ny fara mandimby izany eny amin' izay rehetra honenanareo. Tsy hanao asa na inona na inona hianareo. Lalàna tsy tapaka ho an' ny taranakareo izany, any amin' izay tany rehetra honenanareo. Vous ne ferez aucun travail, c' est une loi perpétuelle pour vos descendants, où que vous habitiez.
Lev 23:32 It shall be unto you a sabbath of rest, and ye shall afflict your souls: in the ninth day of the month at even, from even unto even, shall ye celebrate your sabbath. Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin' ny andro fahasivy amin' ny volana, rehefa hariva dia hatramin' ny hariva ka hatramin' ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo. Sabata ho anareo izany, fitsaharana amin' ny asa rehetra, ary hampijaly tena hianareo. Ny andro fahasivin' ny volana amin' ny hariva, hatramin' ny harivan' iny ka hatramin' ny ampitso dia hitandrina ny sabatanareo hianareo. Ce sera pour vous un jour de repos complet. Vous jeûnerez ; le soir du neuvième jour du mois, depuis ce soir jusqu' au soir suivant, vous cesserez le travail.
Lev 23:33 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 23:34 Speak unto the children of Israel, saying, The fifteenth day of this seventh month shall be the feast of tabernacles for seven days unto the Lord. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Amin' ny andro fahadimy ambin' ny folo amin' izany volana fahafolo izany no hiantombohan' ny andro firavoravoana fitoerana amin' ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an' i Jehovah. Mitenena amin' ny zanak' Israely ka lazao hoe: Amin' ny andro fahadimy ambin' ny folon' io volana fahafito io, no fetin' ny Tabernakla, mandritra ny hafitoana, ho fankalazana an' ny Tompo. Parle aux Israélites, dis-leur : Le quinzième jour de ce septième mois il y aura pendant sept jours la fête des Tentes pour Yahvé.
Lev 23:35 On the first day shall be an holy convocation: ye shall do no servile work therein. Amin' ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory. Amin' ny andro voalohany, hisy fivoriana masina. Tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo; Le premier jour, jour de sainte assemblée, vous ne ferez aucune oeuvre servile.
Lev 23:36 Seven days ye shall offer an offering made by fire unto the Lord: on the eighth day shall be an holy convocation unto you; and ye shall offer an offering made by fire unto the Lord: it is a solemn assembly; and ye shall do no servile work therein. Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah; ary amin' ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory. mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo hianareo. Ary amin' ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo, ary hanatitra sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo hianareo, famaranam-pety izany: tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo. Pendant sept jours vous offrirez un mets à Yahvé. Le huitième jour il y aura pour vous une sainte assemblée, vous offrirez un mets à Yahvé. C' est jour de réunion, vous ne ferez aucune oeuvre servile.
Lev 23:37 These are the feasts of the Lord, which ye shall proclaim to be holy convocations, to offer an offering made by fire unto the Lord, a burnt offering, and a meat offering, a sacrifice, and drink offerings, every thing upon his day: Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin' i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina, hanaterana fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin' ny fotoany avy izy rehetra, Ireo no fetin' ny Tompo hantsoinareo hanaovana fivoriana masina, hanaterana amin' ny Tompo sorona atao amin' ny afo, sorona dorana, fanatitra, sorona sy fanatitra araraka, samy amin' ny fotoany avy; Telles sont les solennités de Yahvé où vous convoquerez les Israélites, saintes assemblées destinées à offrir des mets à Yahvé, holocaustes, oblations, sacrifices, libations, selon le rituel propre à chaque jour,
Lev 23:38 Beside the sabbaths of the Lord, and beside your gifts, and beside all your vows, and beside all your freewill offerings, which ye give unto the Lord. afa-tsy izay fanao amin' ny Sabatan' i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an' i Jehovah. afa-tsy ny fanomezanareo, afa-tsy ny fanalam-boadinareo rehetra, afa-tsy ny fanatitra an-tsitra-ponareo rehetra izay hatolotrareo an' ny Tompo. outre les sabbats de Yahvé, les présents, dons votifs et volontaires que vous ferez à Yahvé.
Lev 23:39 Also in the fifteenth day of the seventh month, when ye have gathered in the fruit of the land, ye shall keep a feast unto the Lord seven days: on the first day shall be a sabbath, and on the eighth day shall be a sabbath. Ary amin' ny andro fahadimy ambin' ny folo amin' ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an' i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. Amin' ny andro fahadimy ambin' ny folon' ny volana fahafito, rahefa manangona ny vokatry ny tany hianareo dia hankalaza ny fetin' ny Tompo, mandritra ny hafitoana; ny andro voalohany ho fitsaharana lehibe, ny andro fahavalo koa ho fitsaharana lehibe. D' autre part, le quinzième jour du septième mois, lorsque vous aurez récolté les produits du pays, vous célébrerez la fête de Yahvé pendant sept jours. Le premier et le huitième jour il y aura jour de repos.
Lev 23:40 And ye shall take you on the first day the boughs of goodly trees, branches of palm trees, and the boughs of thick trees, and willows of the brook; and ye shall rejoice before the Lord your God seven days. Ary amin' ny andro voalohany dia makà voan' ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan' ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron' ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan' i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. Amin' ny andro voalohany haka voan' ny hazo tsara tarehy hianareo, sampan-drofia, rantsan' ny hazo mikirindro, ary hazo malahelo eny amoron-drenirano, ka hifaly eo anatrehan' ny Tompo Andriamanitrareo mandritra ny hafitoana. Le premier jour vous prendrez de beaux fruits, des rameaux de palmier, des branches d' arbres touffus et de gattiliers, et vous vous réjouirez pendant sept jours en présence de Yahvé votre Dieu.
Lev 23:41 And ye shall keep it a feast unto the Lord seven days in the year. It shall be a statute for ever in your generations: ye shall celebrate it in the seventh month. Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an' i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin' ny taranakareo hatramin' ny fara mandimby izany; amin' ny volana fahafito no hitandremanareo azy. Hafitoana isan-taona no hanaovanareo izany fety izany ho fankalazana an' ny Tompo, lalàna tsy tapaka ho an' ny taranakareo izany; amin' ny volana fahafito no hanaovanareo azy. Vous célébrerez ainsi une fête pour Yahvé sept jours par an. C' est une loi perpétuelle pour vos descendants. C' est au septième mois que vous ferez cette fête.
Lev 23:42 Ye shall dwell in booths seven days; all that are Israelites born shall dwell in booths: Ao amin' ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin' ny Zanak' Isiraely dia samy hitoetra ao amin' ny trano rantsan-kazo avokoa, Trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana, trano rantsan-kazo avokoa no hitoeran' ny tompon-tany rehetra amin' Israely, Vous habiterez sept jours sous des huttes. Tous les citoyens d' Israël habiteront sous des huttes,
Lev 23:43 That your generations may know that I made the children of Israel to dwell in booths, when I brought them out of the land of Egypt: I am the Lord your God. mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak' Isiraely tao amin' ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. mba hahafantaran' ny taranakareo fa trano rantsan-kazo no nampitoerako ny zanak' Israely, fony aho namoaka azy avy any tamin' ny tany Ejipta. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. afin que vos descendants sachent que j' ai fait habiter sous des huttes les Israélites quand je les ai fait sortir du pays d'Égypte. Je suis Yahvé votre Dieu.
Lev 23:44 And Moses declared unto the children of Israel the feasts of the Lord. Ary Mosesy dia nilaza tamin' ny Zanak' Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin' i Jehovah. Dia nampahalalain' i Moizy ny zanak' Israely ny fetin' ny Tompo. Et Moïse décrivit aux Israélites les solennités de Yahvé.

<-
->