<-
->

1Sm / 1Sam 1:1 Now there was a certain man of Ramathaimzophim, of mount Ephraim, and his name was Elkanah, the son of Jeroham, the son of Elihu, the son of Tohu, the son of Zuph, an Ephrathite: Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin' ny tany havoan' i Efraima, Elkana no anarany zanak' i Jerohama, zanak' i Eliho, zanak' i Toho, zanak' i Zofa. Nisy lehilahy anankiray tany Ramataima-Sofima, any amin' ny tendrombohitr' i Efraima, atao hoe El-kanà, zanak' i Jerohama, zanak' i Eliò, zanak' i Taohò, zanak' i Sofa; Efrateana izy io. Il y avait un homme de Ramatayim, un Çuphite de la montagne d'Éphraïm, qui s' appelait Elqana, fils de Yeroham, fils d'Élihu, fils de Tohu, fils de Çuph, un Éphraïmite.
1Sm / 1Sam 1:2 And he had two wives; the name of the one was Hannah, and the name of the other Peninnah: and Peninnah had children, but Hannah had no children. Ary namporafy izy, Hana no anaran' ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran' ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana. Nampirafy izy ka Annà no anaran' ny vadiny anankiray, ary Fenenà kosa, ny anankiray. Nanan-janaka Fenenà, fa Annà kosa tsy mba nanan-janaka. Il avait deux femmes : l' une s' appelait Anne, l' autre Peninna; mais alors que Peninna avait des enfants, Anne n' en n' avait point.
1Sm / 1Sam 1:3 And this man went up out of his city yearly to worship and to sacrifice unto the Lord of hosts in Shiloh. And the two sons of Eli, Hophni and Phinehas, the priests of the Lord, were there. Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin' ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an' i Jehovah, Tompon' ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak' i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron' i Jehovah. Niakatra avy any an-tanànany isan-taona ralehilahy io, hivavaka amin' ny Tompon' ny tafika sy hanatitra sorona aminy, any Silao. Ary tao ny zanak' i Jelì, roa lahy, dia Ofnì sy Finea, mpisoron' ny Tompo. Chaque année, cet homme montait de sa ville pour adorer et pour sacrifier à Yahvé Sabaot à Silo là se trouvaient les deux fils d'Éli, Hophni et Pinhas, comme prêtres de Yahvé .
1Sm / 1Sam 1:4 And when the time was that Elkanah offered, he gave to Peninnah his wife, and to all her sons and her daughters, portions: Ary tamin' ny andro namonoan' i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra. Tamin' ny andro nanateran' i Elkanà sorona, dia samy nomeny anjara avy Fenenà vadiny, sy ny zanany lahy aman-janany vavy, Un jour Elqana offrit un sacrifice. - Il avait coutume de donner des portions à sa femme Peninna et à tous ses fils et filles,
1Sm / 1Sam 1:5 But unto Hannah he gave a worthy portion; for he loved Hannah: but the Lord had shut up her womb. Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon' i Jehovah momba. ary Annà nomeny anjaran-droa satria tiany Annà, ary nataon' ny Tompo momba. et il n' en donnait qu' une à Anne bien qu' il préférât Anne, mais Yahvé l' avait rendue stérile.
1Sm / 1Sam 1:6 And her adversary also provoked her sore, for to make her fret, because the Lord had shut up her womb. Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan' i Jehovah azy momba. Sady mbola nankalozain' ity rafiny mafy izaitsizy koa izy, mba hampalahelo azy amin' ny nanaovan' ny Tompo azy momba. Sa rivale lui faisait aussi des affronts pour la mettre en colère, parce que Yahvé avait rendu son sein stérile.
1Sm / 1Sam 1:7 And as he did so year by year, when she went up to the house of the Lord, so she provoked her; therefore she wept, and did not eat. Ary izany no fanaon' i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon' i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren' ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina. Ary toy izany no nataon' i Elkanà isan-taona isaka ny iakaran' i Annà any an-tranon' ny Tompo; fa nampijalin' i Fenenà toy izany ihany koa izy. Ary tamin' izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina. C' est ce qui arrivait annuellement, chaque fois qu' ils montaient au temple de Yahvé : elle lui faisait des affronts. - Or donc, Anne pleura et resta sans manger.
1Sm / 1Sam 1:8 Then said Elkanah her husband to her, Hannah, why weepest thou? and why eatest thou not? and why is thy heart grieved? am not I better to thee than ten sons? Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho? Hoy Elkanà vadiny taminy: Ry Annà ô, ahoana no itomanianao sy tsy ihinananao hanina? Ary nahoana no malahelo ny fonao? Tsy mihoatra noho ny zanaka folo lahy va aho, ho anao? Alors son mari Elqana lui dit : " Anne, pourquoi pleures-tu et ne manges-tu pas ? Pourquoi es-tu malheureuse ? Est-ce que je ne vaux pas pour toi mieux que dix fils ? "
1Sm / 1Sam 1:9 So Hannah rose up after they had eaten in Shiloh, and after they had drunk. Now Eli the priest sat upon a seat by a post of the temple of the Lord. Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin' ny sezany teo anilan' ny tolam-baravaran' ny tempolin' i Jehovah. Nony avy nihinana sy nisotro ny olona, tany Silao, dia nitsangana Annà kosa. Helì mpisorona izany, nipetraka teo amin' ny fipetrahana anankiray, teo anoloan' ny anankiray amin' ny tsato-kazon' ny tempolin' ny Tompo. Anne se leva après qu' ils eurent mangé dans la chambre et elle se tint devant Yahvé - le prêtre Éli était assis sur son siège, contre le montant de la porte, au sanctuaire de Yahvé.
1Sm / 1Sam 1:10 And she was in bitterness of soul, and prayed unto the Lord, and wept sore. Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin' i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany. Fo vontom-pahoriana no nivavahan' i Annà tamin' ny Tompo ary nipotrapotraka ny ranomasony; Dans l' amertume de son âme, elle pria Yahvé et elle pleura beaucoup.
1Sm / 1Sam 1:11 And she vowed a vow, and said, O Lord of hosts, if thou wilt indeed look on the affliction of thine handmaid, and remember me, and not forget thine handmaid, but wilt give unto thine handmaid a man child, then I will give him unto the Lord all the days of his life, and there shall no razor come upon his head. Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon' ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon' ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an' i Jehovah kosa izy amin' ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany. ary nivoady izy, nanao hoe: Iavehn' ny tafika ô, raha mba mitsinjo ny fahorian' ny ankizivavinao hianao, raha mahatsiaro ahy ka tsy manadino ny ankizivavinao, ka manome zazalahy ny ankizivavinao dia homeko ho an' ny Tompo izy, amin' ny andro iainany rehetra, ary tsy hokasihin-kareza ny lohany. Elle fit ce voeu : " O Yahvé Sabaot! Si tu voulais considérer la misère de ta servante, te souvenir de moi, ne pas oublier ta servante et lui donner un petit d' homme, alors je le donnerai à Yahvé pour toute sa vie et le rasoir ne passera pas sur sa tête. "
1Sm / 1Sam 1:12 And it came to pass, as she continued praying before the Lord, that Eli marked her mouth. Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan' i Jehovah izy, dia nodinihin' i Ely ny vavany. Naharitra ela no nivavahany teo anatrehan' ny Tompo ka nodinihin' i Helì ny vavany. Comme elle prolongeait sa prière devant Yahvé, Éli observait sa bouche.
1Sm / 1Sam 1:13 Now Hannah, she spake in her heart; only her lips moved, but her voice was not heard: therefore Eli thought she had been drunken. Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon' i Ely fa mamo izy. Fa niteny anakampo Annà, ka ny molony fotsiny no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory. Noheverin' i Helì fa mamo izy. Anne parlait tout bas : ses lèvres remuaient mais on n' entendait pas sa voix, et Éli pensa qu' elle était ivre.
1Sm / 1Sam 1:14 And Eli said unto her, How long wilt thou be drunken? put away thy wine from thee. Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao. Dia hoy izy taminy: Mandra-pahoviana hianao no ho mamo? Mampisavà ny hamamoana avy amin' ny divainao. Alors Éli lui dit : " Jusques à quand seras-tu dans l' ivresse ? Fais passer ton vin! "
1Sm / 1Sam 1:15 And Hannah answered and said, No, my lord, I am a woman of a sorrowful spirit: I have drunk neither wine nor strong drink, but have poured out my soul before the Lord. Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan' i Jehovah aho. Fa hoy Annà: Tsia, tompoko, fa vehivavy ory ao am-pò aho, tsy nisotro divay na fisotro mahamamo aho; fa namboraka ny ato am-poko eto anatrehan' ny Tompo. Mais Anne répondit ainsi : " Non, Monseigneur, je ne suis qu' une femme affligée, je n' ai bu ni vin ni boisson fermentée, j'épanche mon âme devant Yahvé.
1Sm / 1Sam 1:16 Count not thine handmaid for a daughter of Belial: for out of the abundance of my complaint and grief have I spoken hitherto. Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben' ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny. Aza mihevitra ny ankizivavinao ho olon' i Beliala fa ny hamafin' ny alahelo amam-pahoriako no nitenenako mandrak' ankehitriny. Ne juge pas ta servante comme une vaurienne : c' est par excès de peine et de dépit que j' ai parlé jusqu'à maintenant. "
1Sm / 1Sam 1:17 Then Eli answered and said, Go in peace: and the God of Israel grant thee thy petition that thou hast asked of him. Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen' Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy. Dia niteny indray Helì ka hoy izy: Mandehana amim-piadanana, ary hohenoin' Andriamanitr' Israely anie ny vavaka nataonao taminy. Alors Éli lui répondit : " Va en paix et que le Dieu d' Israël t' accorde ce que tu lui as demandé. "
1Sm / 1Sam 1:18 And she said, Let thine handmaid find grace in thy sight. So the woman went her way, and did eat, and her countenance was no more sad. Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony. Ka hoy izy: Hahita fitia aminao anie ny ankizivavinao. Dia lasa nizotra ny làlany ravehivavy, dia nihinana izy ary niova ny tarehiny. Elle dit : " Puisse ta servante trouver grâce à tes yeux ", et la femme alla son chemin; elle mangea et son visage ne fut plus le même.
1Sm / 1Sam 1:19 And they rose up in the morning early, and worshipped before the Lord, and returned, and came to their house to Ramah: and Elkanah knew Hannah his wife; and the Lord remembered her. Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan' i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an' i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy. Ary nifoha maraina koa izy ireo, ka nony avy niankohoka teo anatrehan' ny Tompo, dia nody izy, ka niverina tany an-tranony any Ramà. Ils se levèrent de bon matin et, après s'être prosternés devant Yahvé, ils s' en retournèrent et arrivèrent chez eux, à Rama. Elqana s' unit à sa femme Anne, et Yahvé se souvint d' elle.
1Sm / 1Sam 1:20 Wherefore it came to pass, when the time was come about after Hannah had conceived, that she bare a son, and called his name Samuel, saying, Because I have asked him of the Lord. Ary tamin' ny fahatanterahan' ny andro dia nanan' anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin' i Jehovah no nangatahako azy. Ary Elkanà nahalala an' i Annà vadiny, ary Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka Annà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin' ny Tompo, hoy izy. Anne conçut et, au temps révolu, elle mit au monde un fils qu' elle nomma Samuel " car, dit-elle, je l' ai demandé à Yahvé ".
1Sm / 1Sam 1:21 And the man Elkanah, and all his house, went up to offer unto the Lord the yearly sacrifice, and his vow. Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an' i Jehovah sy ny fanalam-boadiny. Dia niakatra Elkanà vadiny sy ny ankohonany rehetra hanatitra amin' ny Tompo ny sorona fanao isan-taona, sy hanefa ny voadiny. Le mari Elqana monta, avec toute sa famille, pour offrir à Yahvé le sacrifice annuel et accomplir son voeu.
1Sm / 1Sam 1:22 But Hannah went not up; for she said unto her husband, I will not go up until the child be weaned, and then I will bring him, that he may appear before the Lord, and there abide for ever. Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin' ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin' izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan' i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy. Tsy mba niakatra anefa Annà, fa hoy izy tamin' ny lahy: Rahefa hitsaha-nono ny zaza dia hoentiko hiseho eo anatrehan' ny Tompo sy hitoetra eo mandrakizay. Mais Anne ne monta pas car elle dit à son mari : " Pas avant que l' enfant ne soit sevré! Alors je le conduirai; il sera présenté devant Yahvé et il restera là pour toujours. "
1Sm / 1Sam 1:23 And Elkanah her husband said unto her, Do what seemeth thee good; tarry until thou have weaned him; only the Lord establish his word. So the woman abode, and gave her son suck until she weaned him. Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain' i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy. Ary hoy Elkanà vadiny taminy: Ataovy izay heverinao ho mety; mijanòna aty aloha, mandra-panotinao azy, ary ho efain' ny Tompo anie ny teniny. Dia nijanona ravehivavy, ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy. Elqana, son mari, lui répondit : " Fais comme il te plaît et attends de l' avoir sevré. Que seulement Yahvé réalise sa parole! " La femme resta donc et allaita l' enfant jusqu'à son sevrage.
1Sm / 1Sam 1:24 And when she had weaned him, she took him up with her, with three bullocks, and one ephah of flour, and a bottle of wine, and brought him unto the house of the Lord in Shiloh: and the child was young. Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin' ny vantotr' ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon' i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza. Nony efa notazany ny zaza, dia nentiny niakatra niaraka taminy, sady naka vantotr' ombilahy telo, sy lafarina iray efah, ary divay eran' ny siny hoditra izy, dia nentiny nankao an-tranon' ny Tompo tao Silao izy. Mbola tanora kely ny zaza. Lorsqu' elle l' eut sevré, elle l' emmena avec elle, en même temps qu' un taureau de trois ans, une mesure de farine et une outre de vin, et elle le fit entrer dans le temple de Yahvé à Silo; l' enfant était tout jeune.
1Sm / 1Sam 1:25 And they slew a bullock, and brought the child to Eli. Dia novonoiny ny vantotr' ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin' i Ely ny zaza. Dia novonoin' izy ireo ny vantotr' ombilahy iray, ary nentiny nankao amin' i Helì ny zaza. Ils immolèrent le taureau et ils conduisirent l' enfant à Éli.
1Sm / 1Sam 1:26 And she said, Oh my lord, as thy soul liveth, my lord, I am the woman that stood by thee here, praying unto the Lord. Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin' i Jehovah. Ka hoy Annà: Aza mahafady, tompoko. Raha velona koa ny ainao, tompoko, dia izaho ilay vehivavy nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin' ny Tompo. Elle dit : " S' il te plaît, Monseigneur! Aussi vrai que tu vis, Monseigneur, je suis la femme qui se tenait près de toi ici, priant Yahvé.
1Sm / 1Sam 1:27 For this child I prayed; and the Lord hath given me my petition which I asked of him: Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen' i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy. Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko ary neken' ny Tompo ny fangatahana nataoko taminy. C' est pour cet enfant que je priais et Yahvé m' a accordé la demande que je lui ai faite.
1Sm / 1Sam 1:28 Therefore also I have lent him to the Lord; as long as he liveth he shall be lent to the Lord. And he worshipped the Lord there. Koa atolotro ho an' i Jehovah kosa izy: eny, amin' ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an' i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin' i Jehovah izy. Koa inty kosa aho mahafoy azy ho an' ny Tompo; nafoy ho an' ny Tompo izy amin' ny andro hiainany rehetra. Dia niankohoka teo anatrehan' ny Tompo izy ireo. A mon tour, je le cède à Yahvé tous les jours de sa vie : il est cédé à Yahvé. " Et, là, ils se prosternèrent devant Yahvé.

<-
->