<-
->

1Sm / 1Sam 12:1 And Samuel said unto all Israel, Behold, I have hearkened unto your voice in all that ye said unto me, and have made a king over you. Ary hoy Samoela tamin' ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin' izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo. Hoy Samoela tamin' Israely rehetra: Izao àry efa nihaino ny feonareo aho, tamin' izay rehetra nolazainareo tamiko, ary efa nanangana mpanjaka aminareo. Samuel dit à tout Israël : " J' ai satisfait à tout ce que vous m' avez demandé et j' ai fait régner un roi sur vous.
1Sm / 1Sam 12:2 And now, behold, the king walketh before you: and I am old and grayheaded; and, behold, my sons are with you: and I have walked before you from my childhood unto this day. Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany. Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka handeha alohanareo. Izaho ity efa antitra sy fotsy volo, ary ny zanakao, indreo eo aminareo. Hatry ny fony mbola tanora aho no nandeha teo alohanareo ka mandrak' ankehitriny; Désormais, c' est le roi qui marchera devant vous. Pour moi, je suis devenu vieux, j' ai blanchi et mes fils sont parmi vous. J' ai marché devant vous depuis ma jeunesse jusqu'à ce jour.
1Sm / 1Sam 12:3 Behold, here I am: witness against me before the Lord, and before his anointed: whose ox have I taken? or whose ass have I taken? or whom have I defrauded? whom have I oppressed? or of whose hand have I received any bribe to blind mine eyes therewith? and I will restore it you. Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan' i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin' iza moa no nalaiko? na borikin' iza no nalaiko? na an' iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan' iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany. ary inty aho, ataovy tenin' ny vavolombelona ny amiko eto anatrehan' ny Tompo sy ny voahosony: ombin' iza no mba nalaiko ary ampondran' iza no mba nalaiko? Zovy no mba nanaovako tsy an-drariny, ary iza no nampahoriako? Zovy no nandraisako kolikoly, mba hodiako tsy mahita azy? Fa honerako aminareo izany. Me voici! Témoignez contre moi devant Yahvé et devant son oint : de qui ai-je pris le boeuf et de qui ai-je pris l'âne ? Qui ai-je frustré et qui ai-je opprimé ? De qui ai-je reçu une compensation pour que je ferme les yeux ? Je vous restituerai. "
1Sm / 1Sam 12:4 And they said, Thou hast not defrauded us, nor oppressed us, neither hast thou taken ought of any man' s hand. Ary hoy ireo: Hianao tsy nanao an-keriny taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-tànan' olona na dia iray akory aza. Dia hoy ny navalin' izy ireo: Tsy nanaovanao tsy an-drariny izahay, na nampahory anay, na nandray inona na inona teo an-tànan' olona. Ils répondirent : " Tu ne nous as ni frustrés ni opprimés, tu n' as rien reçu de personne. "
1Sm / 1Sam 12:5 And he said unto them, The Lord is witness against you, and his anointed is witness this day, that ye have not found ought in my hand. And they answered, He is witness. Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy. Ary hoy izy taminy: Iaveh no vavolombelona anio, fa tsy nahita na inona na inona teo an-tànako hianareo. Hoy ny vahoaka namaly azy: Vavolombelona izy. Il leur dit : " Yahvé est témoin contre vous, et son oint est témoin aujourd' hui, que vous n' avez rien trouvé entre mes mains. " Et ils répondirent : " Il est témoin. "
1Sm / 1Sam 12:6 And Samuel said unto the people, It is the Lord that advanced Moses and Aaron, and that brought your fathers up out of the land of Egypt. Ary hoy Samoela tamin' ny olona: Jehovah no nanendry an' i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin' ny tany Egypta. Dia hoy Samoela tamin' ny vahoaka: Eny, vavolombelona Iaveh izay nanangana an' i Moizy sy Aarona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany an-tany Ejipta. Alors Samuel dit au peuple : " Il est témoin, Yahvé qui a suscité Moïse et Aaron et qui a fait monter vos pères du pays d'Égypte.
1Sm / 1Sam 12:7 Now therefore stand still, that I may reason with you before the Lord of all the righteous acts of the Lord, which he did to you and to your fathers. Koa ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan' i Jehovah aho ny amin' ny asa marina rehetra izay nataon' i Jehovah taminareo sy ny razanareo. Koa ankehitriny avia eto anatrehako hianareo, fa tiako ny miantso anareo amin' ny fitsarana eto anatrehan' ny Tompo ny amin' ny soa rehetra nataony taminareo sy ny razanareo. Comparaissez maintenant; que je plaide avec vous devant Yahvé et que je vous rappelle tous les bienfaits que Yahvé a accomplis à votre égard et à l'égard de vos pères :
1Sm / 1Sam 12:8 When Jacob was come into Egypt, and your fathers cried unto the Lord, then the Lord sent Moses and Aaron, which brought forth your fathers out of Egypt, and made them dwell in this place. Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin' i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an' i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin' ity tany ity. Taorian' ny nahatongavan' i Jakoba tany Ejipta, dia nitaraina tamin' ny Tompo ny razanareo, ka naniraka an' i Moizy sy Aarona Iaveh, ary izy ireo nitondra ny razanareo hivoaka avy tany Ejipta, sy namponina azy amin' ity tany ity. quand Jacob fut venu en Égypte, les Égyptiens les opprimèrent et vos pères crièrent vers Yahvé. Celui-ci envoya Moïse et Aaron qui firent sortir vos pères d'Égypte, et il les installa en ce lieu.
1Sm / 1Sam 12:9 And when they forgat the Lord their God, he sold them into the hand of Sisera, captain of the host of Hazor, and into the hand of the Philistines, and into the hand of the king of Moab, and they fought against them. Nefa raha nanadino an' i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tànan' i Sisera, komandin' ny miaramilan' i Hazora, sy ho eo an-tànan' ny Filistina ary ho eo an-tànan' ny mpanjakan' i Moaba, ka niadian' ireo izy. Nanadino an' ny Tompo Andriamaniny anefa izy ireo, ka natolony ho eo an-tànan' i Sisarà, filohan' ny tafik' i Hasora, sy ho eo an-tànan' ny Filistina, ary ho eo an-tànan' ny mpanjakan' i Moaba, izay niady taminy. Mais ils oublièrent Yahvé leur Dieu et celui-ci les livra aux mains de Sisera, chef de l' armée de Haçor, aux mains des Philistins et du roi de Moab qui leur firent la guerre.
1Sm / 1Sam 12:10 And they cried unto the Lord, and said, We have sinned, because we have forsaken the Lord, and have served Baalim and Ashtaroth: but now deliver us out of the hand of our enemies, and we will serve thee. Dia nitaraina tamin' i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an' i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin' ny tanan' ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao. Dia nitaraina tamin' ny Tompo izy ireo nanao hoe: Nanota izahay, fa nandao an' ny Tompo sy nanompo ny Baala sy ny Astarte! Fa izao dia afaho amin' ny tànan' ny fahavalonay izahay ary hanompo anao! Ils crièrent vers Yahvé : "Nous avons péché, dirent-ils, car nous avons abandonné Yahvé et servi les Baals et les Astartés. Maintenant, délivre-nous de la main de nos ennemis et nous te servirons! "
1Sm / 1Sam 12:11 And the Lord sent Jerubbaal, and Bedan, and Jephthah, and Samuel, and delivered you out of the hand of your enemies on every side, and ye dwelled safe. Ary Jehovah efa naniraka an' i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin' ny tanan' ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo. Dia nirahin' ny Tompo Jerobaala, Badana, Jefte, ary Samoela, ka nanafaka anareo tamin' ny tànan' ny fahavalonareo rehetra manodidina anareo izy, dia nandry fahizay, teo amin' ny fonenanareo hianareo. Alors Yahvé envoya Yerub-baal, Baraq, Jephté, Samuel, il vous a délivrés de vos ennemis d' alentour et vous êtes demeurés en sécurité.
1Sm / 1Sam 12:12 And when ye saw that Nahash the king of the children of Ammon came against you, ye said unto me, Nay; but a king shall reign over us: when the Lord your God was your king. Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan' ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo. Ary nony nahita an' i Naasy mpanjakan' ny taranak' i Amona tamy hiady aminareo anefa hianareo, dia nanao tamiko hoe: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay! Kanefa Iaveh no mpanjakanareo fahizay. " Cependant, lorsque vous avez vu Nahash, le roi des Ammonites, marcher contre vous, vous m' avez dit : "Non! Il faut qu' un roi règne sur nous. " Pourtant, Yahvé votre Dieu, c' est lui votre roi!
1Sm / 1Sam 12:13 Now therefore behold the king whom ye have chosen, and whom ye have desired! and, behold, the Lord hath set a king over you. Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo. Koa indro àry ny mpanjaka nofidinareo sy nangatahinareo; indro fa misy mpanjaka natsangan' ny Tompo aminareo. Voici maintenant le roi que vous avez choisi, Yahvé a établi sur vous un roi.
1Sm / 1Sam 12:14 If ye will fear the Lord, and serve him, and obey his voice, and not rebel against the commandment of the Lord, then shall both ye and also the king that reigneth over you continue following the Lord your God: Enga anie ka hatahotra an' i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an' i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo. Raha matahotra an' ny Tompo hianareo, raha manompo azy, sy mankatò ny teniny, raha tsy mandika ny didin' ny Tompo ary raha samy manaraka an' ny Tompo Andriamanitrareo hianareo sy ny mpanjaka manjaka aminareo... Si vous craignez Yahvé et le servez, si vous lui obéissez et ne vous révoltez pas contre ses ordres, si vous-mêmes et le roi qui règne sur vous, vous suivez Yahvé votre Dieu, c' est bien!
1Sm / 1Sam 12:15 But if ye will not obey the voice of the Lord, but rebel against the commandment of the Lord, then shall the hand of the Lord be against you, as it was against your fathers. Fa raha tsy mihaino ny tenin' i Jehovah kosa ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo ny tànan' i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo. Fa raha tsy mankatò ny tenin' ny Tompo kosa hianareo ary mandika ny didin' ny Tompo dia hamely anareo ny tànan' ny Tompo toy ny efa namelezany ny razanareo. Mais si vous n' obéissez pas à Yahvé, si vous vous révoltez contre ses ordres, alors la main de Yahvé pèsera sur vous et sur votre roi.
1Sm / 1Sam 12:16 Now therefore stand and see this great thing, which the Lord will do before your eyes. Koa mitsangàna ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon' i Jehovah eto imasonareo izao: Ary ankehitriny andraso kely koa ka jereo ny zava-dehibe efa hataon' ny Tompo eo imasonareo. " Encore une fois comparaissez et voyez le grand prodige que Yahvé accomplit sous vos yeux.
1Sm / 1Sam 12:17 Is it not wheat harvest to day? I will call unto the Lord, and he shall send thunder and rain; that ye may perceive and see that your wickedness is great, which ye have done in the sight of the Lord, in asking you a king. Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an' i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason' i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo. Tsy izao va no fijinjana ny varim-bazaha? Hiantso an' ny Tompo aho, ary hahatonga kotrokorana sy ranonorana izy, ary ho fantatrareo amin' izany fa lehibe loatra eo imason' ny Tompo ny ratsy nataonareo tamin' ny nangatahanareo mpanjaka ho anareo. N' est-ce pas maintenant la moisson des blés ? Eh bien, je vais invoquer Yahvé et il fera tonner et pleuvoir. Reconnaissez clairement combien grave est le mal que vous avez commis au regard de Yahvé en demandant pour vous un roi. "
1Sm / 1Sam 12:18 So Samuel called unto the Lord; and the Lord sent thunder and rain that day: and all the people greatly feared the Lord and Samuel. Ary Samoela niantso an' i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin' izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an' i Jehovah sy Samoela indrindra. Dia niantso an' ny Tompo Samoela, ary nampiavy kotrokorana sy ranonorana Iaveh androtr' izay ihany ka natahotra mafy an' ny Tompo sy an' i Samoela ny vahoaka. Samuel invoqua Yahvé et celui-ci fit tonner et pleuvoir le jour même, et tout le peuple eut une grande crainte de Yahvé et de Samuel.
1Sm / 1Sam 12:19 And all the people said unto Samuel, Pray for thy servants unto the Lord thy God, that we die not: for we have added unto all our sins this evil, to ask us a king. Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin' i Samoela: Mangataha amin' i Jehovah Andriamanitrao ho an' ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin' ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay. Hoy ny vahoaka rehetra tamin' i Samoela: Mivavaha amin' ny Tompo Andriamanitrao ho an' ny mpanomponao, mba tsy ho faty izahay, fa nanampy ny fahotanay rehetra ny hadisoanay nangataka mpanjaka ho anay! Tous dirent à Samuel : " Prie Yahvé ton Dieu en faveur de tes serviteurs, afin que nous ne mourions pas; nous avons mis le comble à tous nos péchés en demandant pour nous un roi. "
1Sm / 1Sam 12:20 And Samuel said unto the people, Fear not: ye have done all this wickedness: yet turn not aside from following the Lord, but serve the Lord with all your heart; Ary hoy Samoela tamin' ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an' i Jehovah; fa manompoa Azy amin' ny fonareo rehetra. Dia hoy Samoela tamin' ny vahoaka: Aza matahotra. Efa nataonareo tokoa izany ratsy rehetra izany, nefa aza mitsahatra ny manaraka an' ny Tompo, ary manompoa an' ny Tompo amin' ny fonareo rehetra. Mais Samuel dit au peuple : " Ne craignez pas. Oui, vous avez commis tout ce mal. Seulement, ne vous écartez pas de Yahvé et servez-le de tout votre coeur.
1Sm / 1Sam 12:21 And turn ye not aside: for then should ye go after vain things, which cannot profit nor deliver; for they are vain. Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo. Aza mivily sao mankany amin' ny zava-poana izay tsy ahazoan-tsoa na fahafahana akory, satria zava-poana. Ne vous écartez pas à la suite des idoles de néant qui ne servent de rien, qui ne sont d' aucun secours, car elles ne sont que néant.
1Sm / 1Sam 12:22 For the Lord will not forsake his people for his great name' s sake: because it hath pleased the Lord to make you his people. Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak' i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony. Fa tsy handao ny olony Iaveh, noho ny anarany lehibe, satria sitrak' Iaveh ny nanao anareo ho olony. En effet, Yahvé ne réprouvera pas son peuple, pour l' honneur de son grand nom, car Yahvé a daigné faire de vous son peuple.
1Sm / 1Sam 12:23 Moreover as for me, God forbid that I should sin against the Lord in ceasing to pray for you: but I will teach you the good and the right way: Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin' i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy. Ary raha ny amiko, dia lavitra ahy izay hanota amin' ny Tompo ka hitsahatra ny tsy hivavaka ho anareo. Fa hatoroko anareo ny làlana tsara sy mahitsy. Pour ma part, que je me garde de pécher contre Yahvé en cessant de prier pour vous et de vous enseigner le bon et droit chemin.
1Sm / 1Sam 12:24 Only fear the Lord, and serve him in truth with all your heart: for consider how great things he hath done for you. Kanefa matahora an' i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin' ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao. Izao ihany, matahora an' ny Tompo ary manompoa azy marina, amin' ny fonareo rehetra. Satria jereo ange ireo zava-dehibe nataony teo aminareo! Craignez seulement Yahvé et servez-le sincèrement de tout votre coeur, car voyez le grand prodige qu' il a accompli parmi vous.
1Sm / 1Sam 12:25 But if ye shall still do wickedly, ye shall be consumed, both ye and your king. Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa. Raha mbola mikiry manao ratsy ihany anefa hianareo dia ho levona hianareo sy ny mpanjakanareo. Mais si vous commettez le mal, vous périrez, vous et votre roi. "

<-
->