<-
->

1Sm / 1Sam 22:1 David therefore departed thence, and escaped to the cave Adullam: and when his brethren and all his father' s house heard it, they went down thither to him. Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin' ny zohin' i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo. Niala teo Davida ka nandositra tany amin' ny zohin' i Odolama. Nony nandre izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nidina nankany aminy koa. David partit de là et se réfugia dans la grotte d' Adullam. Ses frères et toute sa famille l' apprirent et descendirent l' y rejoindre.
1Sm / 1Sam 22:2 And every one that was in distress, and every one that was in debt, and every one that was discontented, gathered themselves unto him; and he became a captain over them: and there were with him about four hundred men. Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato lahy ny tao aminy. Ary niangona teo aminy avokoa ny nampahorina, ny ananan' olon-trosa, ny manan' alahelo, rehetra, ka tonga filohan' ireo izy, ary nisy sahabo ho efa-jato lahy no teo aminy. Tous les gens en détresse, tous ceux qui avaient des créanciers, tous les mécontents se rassemblèrent autour de lui et il devint leur chef. Il y avait avec lui environ quatre cents hommes.
1Sm / 1Sam 22:3 And David went thence to Mizpeh of Moab: and he said unto the king of Moab, Let my father and my mother, I pray thee, come forth, and be with you, till I know what God will do for me. Ary Davida niala tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin' ny mpanjakan' i Moaba hoe: Masìna ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy atý hitoetra etý aminao ambara-pahafantatro izay hataon' Andriamanitra amiko. Avy eo Davida dia nankany Masfà any Moaba, ka nanao tamin' ny mpanjakan' i Moaba hoe: Raha sitrakao, aoka homena malalaka hihataka aty aminao ny ray aman-dreniko, mandra-pahafantatro izay hanaovan' Andriamanitra ahy. De là, David se rendit à Miçpé de Moab et dit au roi de Moab : " Permets que mon père et ma mère restent avec vous jusqu'à ce que je sache ce que Dieu fera pour moi. "
1Sm / 1Sam 22:4 And he brought them before the king of Moab: and they dwelt with him all the while that David was in the hold. Ary dia nentiny ho eo anatrehan' ny mpanjakan' i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin' ny andro rehetra nitoeran' i Davida tao amin' ny batery fiarovana. Dia nentiny ho eo anatrehan' ny mpanjakan' i Moaba izy ireo, ka nonina teo aminy, mandritra ny fotoana rehetra nipetrahan' i Davida tao amin' ny fitoerana mimanda. Il les laissa chez le roi de Moab et ils restèrent avec celui-ci tout le temps que David fut dans le refuge.
1Sm / 1Sam 22:5 And the prophet Gad said unto David, Abide not in the hold; depart, and get thee into the land of Judah. Then David departed, and came into the forest of Hareth. Ary hoy Gada mpaminany tamin' i Davida: Aza mitoetra ao amin' ny batery fiarovana; fa mialà, ka mankanesa any amin' ny tanin' ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an' ala Hareta. Hoy ny mpaminany Gada tamin' i Davida hoe: Aza mitoetra amin' ny fitoerana mimanda hianao, fa mandehana miverina any amin' ny tanin' i Jodà. Dia lasa Davida nankany amin' ny ala Hareta. Le prophète Gad dit à David : " Ne reste pas dans le refuge, va-t' en et enfonce-toi dans le pays de Juda. " David partit et se rendit dans la forêt de Hérèt.
1Sm / 1Sam 22:6 When Saul heard that David was discovered, and the men that were with him, (now Saul abode in Gibeah under a tree in Ramah, having his spear in his hand, and all his servants were standing about him;) Ary ren' i Saoly fa hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin' ny hazo tamariska teo an-kavoana Saoly tamin' izay, sady nisy lefona teny an-tànany, ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany), Ren' i Saola fa hoe hita Davida sy ny olona niaraka taminy. Tamin' izay Saola hipetraka tao Gabaà, tambanin' ny tamariska teo an-kavoana, nitana lefona teny an-tànany; ary nilahatra nanodidina azy ny mpanompony rehetra. Saül apprit qu' on avait découvert David et les hommes qui l' accompagnaient. Saül était à Gibéa, assis sous le tamaris du haut lieu, sa lance à la main, et tous ses officiers se tenaient debout près de lui.
1Sm / 1Sam 22:7 Then Saul said unto his servants that stood about him, Hear now, ye Benjamites; will the son of Jesse give every one of you fields and vineyards, and make you all captains of thousands, and captains of hundreds; dia hoy Saoly tamin' ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak' i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba homen' ny zanak' i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra, Niteny tamin' ny mpanompony nilahatra teo anoloany Saola nanao hoe: Mihainoa, hianareo Benjamita: MOa ve ny zanak' Isaï hanome anareo rehetra saha aman-tanim-boaloboka koa, hanao anareo rehetra ho tompon' arivo aman-tompon-jato, Et Saül dit aux officiers qui se tenaient près de lui : " Écoutez donc, Benjaminites! Le fils de Jessé aussi vous donnera-t-il à tous des champs et des vignes et vous nommera-t-il tous chefs de mille et chefs de cent,
1Sm / 1Sam 22:8 That all of you have conspired against me, and there is none that sheweth me that my son hath made a league with the son of Jesse, and there is none of you that is sorry for me, or sheweth unto me that my son hath stirred up my servant against me, to lie in wait, as at this day? no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin' ny zanak' i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin' izao anio izao? no dia niray tetika hamely ahy hianareo rehetra, ka tsy mba nisy nilaza tamiko fa nanao fanekena tamin' ny zanak' Isaï ny zanako, sady tsy nisy malahelo ahy amin' izany hianareo na nampandre ahy fa ny zanako nampiodina ny mpanompoko tamiko, hamelarany fandrika amiko, araka izao ataony ankehitriny izao? que vous conspiriez tous contre moi ? Personne ne m' avertit quand mon fils pactise avec le fils de Jessé, personne de vous n' a pitié de moi et ne me révèle que mon fils a dressé mon serviteur en ennemi contre moi, comme il apparaît aujourd' hui. "
1Sm / 1Sam 22:9 Then answered Doeg the Edomite, which was set over the servants of Saul, and said, I saw the son of Jesse coming to Nob, to Ahimelech the son of Ahitub. Ary Doega Edomita, mpifehy ny mpanompon' i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak' i Jese tonga tany Noba aho tany amin' i Ahimeleka, zanak' i Ahitoba. Dia hoy Doega ilay Edomita lehiben' ny mpanompon' i Saola namaly azy: Hitako tonga tany Nobe, tao amin' i Akemeleka zanak' i Akitoba, ny zanak' i Isaï. Doèg l'Édomite, qui se tenait près des officiers de Saül, prit la parole et dit : " J' ai vu le fils de Jessé qui venait à Nob chez Ahimélek, fils d' Ahitub.
1Sm / 1Sam 22:10 And he enquired of the Lord for him, and gave him victuals, and gave him the sword of Goliath the Philistine. Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin' i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr' i Goliata Filistina. Ary Akimeleka nanontany an' ny Tompo ho azy, sy nanome vatsy azy, sady nanome azy ny sabatra' i Goliata Filistina. Celui-ci a consulté Yahvé pour lui, il lui a donné des vivres, il lui a remis aussi l'épée de Goliath le Philistin. "
1Sm / 1Sam 22:11 Then the king sent to call Ahimelech the priest, the son of Ahitub, and all his father' s house, the priests that were in Nob: and they came all of them to the king. Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an' i Ahimeleka mpisorona, zanak' i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin' ny mpanjaka izy rehetra. Nampiantsoin' ny mpanjaka Akimeleka mpisorona, zanak' i Akitoba, mbamin' ny fianakavian-drainy rehetra dia ireo mpisorona tany Nobe. Alors Saül fit appeler le prêtre Ahimélek fils d' Ahitub et toute sa famille, les prêtres de Nob, et ils vinrent tous chez le roi.
1Sm / 1Sam 22:12 And Saul said, Hear now, thou son of Ahitub. And he answered, Here I am, my lord. Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak' i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko. Dia nankany amin' ny mpanjaka izy rehetra ireo, ka hoy Saola: Henoy, ry zanak' i Akitoba. Ary hoy ny navalin' io: Inty aho tompoko! Saül dit : Écoute donc, fils d' Ahitub! " et il répondit : " Me voici, Monseigneur. "
1Sm / 1Sam 22:13 And Saul said unto him, Why have ye conspired against me, thou and the son of Jesse, in that thou hast given him bread, and a sword, and hast enquired of God for him, that he should rise against me, to lie in wait, as at this day? Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak' i Jese, tamin' ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin' Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin' izao anio izao? Hoy Saola taminy: Nahoana hianao sy ny zanak' Isaï no niray tatika hamely ahy: Fa nanome mofo sy sabatra azy hianao, ary nanontany an' Andriamanitra ho azy mba hikomiany amiko sy hamelarany fandrika amiko toy izao ankehitriny izao? Saül lui dit : " Pourquoi avez-vous conspiré contre moi, le fils de Jessé et toi ? Tu lui as donné du pain et une épée et tu as consulté Dieu pour lui, afin qu' il se dresse en ennemi contre moi, comme il arrive aujourd' hui. "
1Sm / 1Sam 22:14 Then Ahimelech answered the king, and said, And who is so faithful among all thy servants as David, which is the king' s son in law, and goeth at thy bidding, and is honourable in thine house? Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin' ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an' i Davida, izay vinanton' ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao? Fa namaly ny mpanjaka, Akimeleka ka nanao hoe: Iza moa amin' ny mpanomponao rehetra no tahaka an' i Davida, mahatoky indrindra, vinanton' ny mpanjaka, mpanolo-tsaina anao, sady manan-kaja ao an-tranonao? Ahimélek répondit au roi : " Et qui donc, parmi tous tes serviteurs, est comparable à David, le fidèle, le gendre du roi, le chef de ta garde personnelle, celui qu' on honore dans ta maison ?
1Sm / 1Sam 22:15 Did I then begin to enquire of God for him? be it far from me: let not the king impute any thing unto his servant, nor to all the house of my father: for thy servant knew nothing of all this, less or more. Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin' Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin' izany rehetra izany, na kely na be. Ary moa vao androany va aho no nanomboka nanontany an' Andriamanitra ho azy? Sanatria ahy izany! Ka aoka re ny mpanjaka tsy hanadidy ny mpanompony, amin' izao zavatra mety hahatratra ny ankohonan' ikaky rehetra izao, fa tsy mahalala kely na be amin' izany velively akory ny mpanomponao. Est-ce aujourd' hui que j' ai commencé de consulter Dieu pour lui ? Loin de moi toute autre pensée! Que le roi n' impute à son serviteur et à toute sa famille aucune charge, car ton serviteur ne savait rien de tout cela, ni peu ni prou. "
1Sm / 1Sam 22:16 And the king said, Thou shalt surely die, Ahimelech, thou, and all thy father' s house. Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra. Hoy ny mpanjaka: Hovonoina hianao, ry Akimeleka, dia hianao sy ny ankohonan-drainao rehetra! Le roi reprit : " Tu mourras, Ahimélek, toi et toute ta famille. "
1Sm / 1Sam 22:17 And the king said unto the footmen that stood about him, Turn, and slay the priests of the Lord: because their hand also is with David, and because they knew when he fled, and did not shew it to me. But the servants of the king would not put forth their hand to fall upon the priests of the Lord. Ary hoy ny mpanjaka tamin' ny mpiambina izay teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny mpisoron' i Jehovah; fa ny tànan' ireo koa momba an' i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon' ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron' i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin' ireo miaramila mpanotrona azy nitsangana teo akaikiny: Mihodìna ka vonoy ny mpisoron' ny Tompo! fa momba an' i Davida ny tànan' ireo; nahalala azy ho mandositra ireo, nefa tsy nilaza izany tamiko akory. Tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron' ny Tompo anefa ny mpanompon' ny mpanjaka. Le roi ordonna aux coureurs qui se tenaient près de lui : " Approchez et mettez à mort les prêtres de Yahvé, car ils ont eux aussi prêté la main à David, ils ont su qu' il fuyait et ils ne m' ont pas averti. " Mais les gardes du roi ne voulurent pas porter la main sur les prêtres de Yahvé et les frapper.
1Sm / 1Sam 22:18 And the king said to Doeg, Turn thou, and fall upon the priests. And Doeg the Edomite turned, and he fell upon the priests, and slew on that day fourscore and five persons that did wear a linen ephod. Ary hoy ny mpanjaka tamin' i Doega: Mihodina ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy. Ka hoy ny mpanjaka tamin' i Doega: Mihodìna, hianao ka vonoy ny mpisorona! Dia nihodina Doega ilay Edomita ka izy no namono ny mpisorona, ary olona valopolo lahy samy manao efoda rongony no matiny tamin' izay andro izay. Alors, le roi dit à Doèg : " Toi, approche et frappe les prêtres. " Doèg l'Édomite s' approcha et frappa lui-même les prêtres : il mit à mort ce jour-là quatre-vingt-cinq hommes qui portaient le pagne de lin.
1Sm / 1Sam 22:19 And Nob, the city of the priests, smote he with the edge of the sword, both men and women, children and sucklings, and oxen, and asses, and sheep, with the edge of the sword. Dia nasiany tamin' ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan' ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman' osy. Nasian' i Saola tamin' ny lelan-tsabatra koa Nobe, tanànam-pisorona, ka matin' ny sabatra avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika na zaza minono, na omby na ampondra na ondry. Quant à Nob, la ville des prêtres, Saül la passa au fil de l'épée, hommes et femmes, enfants et nourrissons, boeufs, ânes, brebis.
1Sm / 1Sam 22:20 And one of the sons of Ahimelech the son of Ahitub, named Abiathar, escaped, and fled after David. Ary ny anankiray tamin' ny zanak' i Ahimeleka, zanak' i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an' i Davida. Anankiray ihany tamin' ny zanak' i Akimeleka zanak' i Akitoba no afa-nandositra; Abiatara no anarany, ary nandositra tany amin' i Davida izy. Il n'échappa qu' un fils d' Ahimélek, fils d' Ahitub. Il se nommait Ébyatar et il s' enfuit auprès de David.
1Sm / 1Sam 22:21 And Abiathar shewed David that Saul had slain the Lord' s priests. Ary Abiatara nanambara tamin' i Davida ny namonoan' i Saoly ny mpisoron' i Jehovah. Nambaran' i Abiatara tamin' i Davida ny namonoan' i Saola ny mpisoron' ny Tompo. Ébyatar annonça à David que Saül avait massacré les prêtres de Yahvé,
1Sm / 1Sam 22:22 And David said unto Abiathar, I knew it that day, when Doeg the Edomite was there, that he would surely tell Saul: I have occasioned the death of all the persons of thy father' s house. Ary hoy Davida tamin' i Abiatara: Fantatro androtr' iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin' i Saoly tokoa; koa izaho no anton' ny nahafaty ny olona rehetra tamin' ny tarana-drainao. Ka hoy Davida tamin' i Abiatara: Efa fantatro androtr' izay ihany fa Doega Edomita izay tao tamin' izay dia tsy maintsy hilaza amin' i Saola. Koa izaho no antony namonoana ny fianakavian-drainao rehetra. et David lui dit : " Je savais ce jour-là que Doèg l'Édomite, étant présent, avertirait sûrement Saül! C' est moi qui suis responsable de la vie de tous tes parents.
1Sm / 1Sam 22:23 Abide thou with me, fear not: for he that seeketh my life seeketh thy life: but with me thou shalt be in safeguard. Tomoera etý amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao. Mijanòna aty amiko, ary aza matahotra, fa izay mitady ny aiko mitady ny ainao koa, ka ho tsara ambina hianao eto anilako. Demeure avec moi, sois sans crainte : c' est le même qui en voudra à ma vie et qui en voudra à la tienne, car tu es sous ma bonne garde. "

<-
->