<-
->

1Sm / 1Sam 9:1 Now there was a man of Benjamin, whose name was Kish, the son of Abiel, the son of Zeror, the son of Bechorath, the son of Aphiah, a Benjamite, a mighty man of power. Ary nisy lehilahy avy amin' ny Benjamina, atao hoe Kisy, zanak' i Abiela, zanak' i Zerora, zanak' i Bekorata, zanak' i Afia, Benjamita izy sy mpanjatobe. Nisy lehilahy anankiray avy amin' i Benjamina atao hoe Kisy, zanak' i Abiela, zanak' i Serora, zanak' i Bekorata, zanak' i Afià, zanaky ny Benjamita anankiray; lehilahy mahery fo izy io. Il y avait, parmi les Benjaminites, un homme qui s' appelait Qish, fils d' Abiel, fils de Çeror, fils de Bekorat, fils d' Aphiah; c'était un Benjaminite, homme de condition.
1Sm / 1Sam 9:2 And he had a son, whose name was Saul, a choice young man, and a goodly: and there was not among the children of Israel a goodlier person than he: from his shoulders and upward he was higher than any of the people. Ary nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin' ny Zanak' Isiraely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin' ny sorony no ho miakatra ny halavany. Nanan-janaka lahy anankiray atao hoe Saola izy, izay sady mbola tanora no tsara tarehy; tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin' ny zanak' Israely rehetra, ary nanatombo ny lohany izy amin' ny halavany noho ny olona rehetra. Il avait un fils nommé Saül, qui était dans la fleur de l'âge et beau. Nul parmi les Israélites n'était plus beau que lui : de l'épaule et au-dessus, il dépassait tout le monde.
1Sm / 1Sam 9:3 And the asses of Kish Saul' s father were lost. And Kish said to Saul his son, Take now one of the servants with thee, and arise, go seek the asses. Ary very ny borikivavin' i Kisy, rain' i Saoly. Dia hoy Kisy tamin' i Saoly zanany: Mitondrà zatovo anankiray hanaraka anao, dia miaingà, ka mandehana hitady ny boriky. Ary nania ny ampondravavin' i Kisy, rain' i Saola, ka hoy Kisy tamin' i Saola zanany: Mangalà mpanompo anankiray hiaraka aminao dia mandehana mitady ny ampondra. Les ânesses appartenant à Qish, père de Saül, s'étant égarées, Qish dit à son fils Saül : " Prends avec toi l' un des serviteurs et va, pars à la recherche des ânesses. "
1Sm / 1Sam 9:4 And he passed through mount Ephraim, and passed through the land of Shalisha, but they found them not: then they passed through the land of Shalim, and there they were not: and he passed through the land of the Benjamites, but they found them not. Dia nandeha namaky ny tany havoan' i Efraima izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita azy; dia nandeha namaky ny tany Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namaky ny tanin' ny Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray. Dia namaky ny tendrombohitr' i Efraima, ary namaky ny tany Salisa izy, nefa tsy nahita; novakiny koa ny tany Salima, fa tsy tany izy; namaky ny tanin' i Benjamina izy, fa tsy nahita. Ils traversèrent la montagne d'Éphraïm, ils traversèrent le pays de Shalisha sans rien trouver; ils traversèrent le pays de Shaalim : elles n' y étaient pas; ils traversèrent le pays de Benjamin sans rien trouver.
1Sm / 1Sam 9:5 And when they were come to the land of Zuph, Saul said to his servant that was with him, Come, and let us return; lest my father leave caring for the asses, and take thought for us. Ary nony tonga teo amin' ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin' ny zatovony nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no ahin' ikaky, fa tsy ny boriky intsony. Nony tonga teo amin' ny tanin' i Sofa izy ireo, dia hoy Saola tamin' ity mpanompo nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao dia isika indray no hoahin' i dada, fa ny ampondra tsy hoheveriny intsony. Lorsqu' ils furent arrivés au pays de Çuph, Saül dit au serviteur qui l' accompagnait : " Allons! Retournons, de peur que mon père ne laisse les ânesses pour s' inquiéter de nous. "
1Sm / 1Sam 9:6 And he said unto him, Behold now, there is in this city a man of God, and he is an honourable man; all that he saith cometh surely to pass: now let us go thither; peradventure he can shew us our way that we should go. Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin' Andriamanitra amin' iroa tanàna iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika. Ka hoy ilay mpanompo taminy: Indro misy olon' Andriamanitra amin' itsy tanàna itsy, lehilahy hajaina tokoa izy; izay lazainy tanteraka avokoa. Ka andeha isika ho ao, fa angamba holazainy amintsika ny làlana tsy maintsy hombantsika. Mais celui-ci lui répondit : " Voici qu' un homme de Dieu habite cette ville-là. C' est un homme réputé : tout ce qu' il dit arrive sûrement. Allons-y donc, peut-être nous éclairera-t-il sur le voyage que nous avons entrepris. "
1Sm / 1Sam 9:7 Then said Saul to his servant, But, behold, if we go, what shall we bring the man? for the bread is spent in our vessels, and there is not a present to bring to the man of God: what have we? Dia hoy Saoly tamin' ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin' ny fitondrantsika, ary tsy misy zavatra haterintsika ho an' ny lehilahin' Andriamanitra; ka inona moa no atý amintsika? Ary hoy Saola tamin' ny mpanompony: Raha hankao isika, dia inona no hatolotsika ho an-dralehilahy? Lany ity ny vatsy tamin' ny lasakantsika, ka tsy manan-javatra hatolotra ho an' ny olon' Andriamanitra isika. Fa manan' inona isika? Saül dit à son serviteur : " A supposer que nous y allions, qu' offrirons-nous à l' homme ? Le pain a disparu de nos sacs et nous n' avons pas de rétribution à offrir à l' homme de Dieu. Qu' avons-nous d' autre ? "
1Sm / 1Sam 9:8 And the servant answered Saul again, and said, Behold, I have here at hand the fourth part of a shekel of silver: that will I give to the man of God, to tell us our way. Dia namaly an' i Saoly indray ilay zatovo ka nanao hoe: Indro, atý an-tanako misy vola ampahefatry ny sekely; koa homeko ny lehilahin' Andriamanitra izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika. Dia namaly indray ilay mpanompo ka hoy izy tamin' i Saola: Inty eto nahita vola ampahefatry ny sikla aho taty amiko, ka homeko ilay olon' Andriamanitra ity, dia hatorony antsika izay làlan-kalehantsika. Le serviteur reprit la parole et dit à Saül : " Il se trouve que j' ai en main un quart de sicle d' argent, je le donnerai à l' homme de Dieu et il nous éclairera sur notre voyage. "
1Sm / 1Sam 9:9 (Beforetime in Israel, when a man went to enquire of God, thus he spake, Come, and let us go to the seer: for he that is now called a Prophet was beforetime called a Seer.) (Fahiny teo amin' ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin' Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin' ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.) Teo amin' Israely fahiny ny olona mandeha hanontany amin' Andriamanitra dia nifampilaza hoe: Andeha isika ho any amin' ny mpahita. Fa mpahita no fiantson' ny taloha ny atao ankehitriny hoe mpaminany. Autrefois en Israël, voici ce qu' on disait en allant consulter Dieu : " Allons donc chez le voyant ", car au lieu de " prophète " comme aujourd' hui on disait autrefois " voyant ". -
1Sm / 1Sam 9:10 Then said Saul to his servant, Well said; come, let us go. So they went unto the city where the man of God was. Dia hoy Saoly tamin' ny mpanompony: Tsara izany, fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa lahy nankany amin' ny tanàna nitoeran' ilay lehilahin' Andriamanitra. Dia hoy Saola tamin' ny mpanompony: Tsara ny hevitrao ka andao àry. Ka dia lasa izy ireo nankany amin' ny tanàna nisy ilay olon' Andriamanitra. Saül dit à son serviteur : " Tu as bien parlé, allons donc! " Et ils allèrent à la ville où se trouvait l' homme de Dieu.
1Sm / 1Sam 9:11 And as they went up the hill to the city, they found young maidens going out to draw water, and said unto them, Is the seer here? Ary raha mbola niakatra teo amin' ny fiakarana ho any an-tanàna izy roa lahy, dia nahita zazavavy mivoaka hantsaka, ka hoy izy taminy: Ao ihany va ny mpahita? Niakatra ny fiakarana mankao an-tanàna izy ireo, no nifanena tamin' ireto zazavavy nivoaka hantsaka rano, ka nanao tamin' ireo hoe: Ao ihany va ny mpahita? Comme ils gravissaient la montée de la ville, ils rencontrèrent des jeunes filles qui sortaient pour puiser l' eau et ils leur demandèrent : " Le voyant est-il là ? " -
1Sm / 1Sam 9:12 And they answered them, and said, He is; behold, he is before you: make haste now, for he came to day to the city; for there is a sacrifice of the people to day in the high place: Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izao, satria misy fanatitra hataon' ny vahoaka ao amin' ny fitoerana avo anio; Dia hoy iretsy zazavavy namaly azy: Ao ihany izy, indro izy ao alohanao ao, fa mandehana faingana satria izy no tonga aty an-tanàna anio, dia misy sorona haterin' ny vahoaka anio eo amin' ny fitoerana avo. Elles leur répondirent en ces termes : " Il est là, il t' a juste précédé. Hâte-toi maintenant : il est venu aujourd' hui en ville, car il y a aujourd' hui un sacrifice pour le peuple sur le haut lieu.
1Sm / 1Sam 9:13 As soon as ye be come into the city, ye shall straightway find him, before he go up to the high place to eat: for the people will not eat until he come, because he doth bless the sacrifice; and afterwards they eat that be bidden. Now therefore get you up; for about this time ye shall find him. ary raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin' ny fitoerana avo, fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana amin' ny fanatitra, ary rehefa afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny, fa amin' izao no hahitanareo azy. Raha vao miditra ao an-tanàna hianareo, dia hahita azy, alohan' ny hiakarany eo amin' ny fitoerana avo hisakafoany, fa tsy hihinana ny vahoaka raha tsy efa tonga izy, satria tsy maintsy mitso-drano ny sorona izy aloha, vao izay vao mihinana izay nasaina. Ka miakara izao fa mahita azy hianareo anio. Dès que vous entrerez en ville, vous le trouverez avant qu' il ne monte au haut lieu pour le repas. Le peuple ne mangera pas avant son arrivée, car c' est lui qui doit bénir le sacrifice; après quoi, les invités mangeront. Maintenant, montez : vous le trouverez sur l' heure. "
1Sm / 1Sam 9:14 And they went up into the city: and when they were come into the city, behold, Samuel came out against them, for to go up to the high place. Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka niakatra ho any amin' ny fitoerana avo ka nifanena taminy. Dia niakatra tao an-tanana izy. Efa tafiditra teo afovoan' ny tanana izy, dia inty Samoela nivoaka nitsena azy, dia ndeha ho eo amin' ny fitoerana avo. Ils montèrent donc à la ville. Comme ils entraient dans la porte, Samuel sortait à leur rencontre pour monter au haut lieu.
1Sm / 1Sam 9:15 Now the Lord had told Samuel in his ear a day before Saul came, saying, Ary Jehovah efa nanambara tamin' i Samoela omalin' ny andro nahatongavan' i Saoly ka nanao hoe: Ary omalin' ny nahatongavan' i Saola, dia efa nanambara tamin' i Samoela Iaveh nanao hoe: Or, un jour avant que Saül ne vînt, Yahvé avait fait cette révélation à Samuel :
1Sm / 1Sam 9:16 To morrow about this time I will send thee a man out of the land of Benjamin, and thou shalt anoint him to be captain over my people Israel, that he may save my people out of the hand of the Philistines: for I have looked upon my people, because their cry is come unto me. Rahampitso toy izao dia hampandehaniko ho atý aminao ny lehilahy anankiray avy amin' ny tanin' ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka hamonjy azy amin' ny tanan' ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa mby etý amiko ny fitarainany. Rahampitso toy izao dia hirahiko ho aty aminao ny lehilahy iray avy any amin' ny tanin' i Benjamina, ary hosoranao izy ho mpanjakan' Israely oloko, ary hanafaka ny oloko amin' ny tànan' ny Filistina izy, satria efa nijery ny oloko aho, fa efa mby aty amiko ny fitarainany. " Demain à pareille heure, avait-il dit, je t' enverrai un homme du pays de Benjamin, tu lui donneras l' onction comme chef de mon peuple Israël, et il délivrera mon peuple de la main des Philistins, car j' ai vu la misère de mon peuple et son cri est venu jusqu'à moi. "
1Sm / 1Sam 9:17 And when Samuel saw Saul, the Lord said unto him, Behold the man whom I spake to thee of! this same shall reign over my people. Ary nony hitan' i Samoela Saoly, dia hoy Jehovah taminy: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hanjaka amin' ny oloko. Ka vao nahita an' i Saola Samoela dia hoy Iaveh taminy: Io no lehilahy voalazako taminao, izy no hanjaka amin' ny oloko. Et quand Samuel aperçut Saül, Yahvé lui signifia : " Voilà l' homme dont je t' ai dit : C' est lui qui jugera mon peuple. ".
1Sm / 1Sam 9:18 Then Saul drew near to Samuel in the gate, and said, Tell me, I pray thee, where the seer' s house is. Ary Saoly dia nanatona an' i Samoela teo am-bavahady ka nanao hoe: Masìna ianao, atoroy ahy ny tranon' ny mpahita. Nanatona an' i Samoela tao am-pamatonan' ny vavahady Saola nanao hoe: Aza mahafady, mba atoroy ahy kely ny tranon' ny mpahita. Saül aborda Samuel au milieu de la porte et dit : " Indique-moi, je te prie, où est la maison du voyant. "
1Sm / 1Sam 9:19 And Samuel answered Saul, and said, I am the seer: go up before me unto the high place; for ye shall eat with me to day, and to morrow I will let thee go, and will tell thee all that is in thine heart. Ary Samoela dia namaly an' i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin' ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao. Dia hoy Samoela tamin' i Saola: Izaho no ilay mpahita, miakara eo alohako ho any amin' ny fitoerana avo, fa hiara-mihinana amiko hianareo anio; rahampitso vao halefako handeha hianao, ary holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao. Samuel répondit à Saül : " Je suis le voyant. Monte devant moi au haut lieu. Vous mangerez aujourd' hui avec moi. Je te dirai adieu demain matin et je t' expliquerai tout ce qui occupe ton coeur.
1Sm / 1Sam 9:20 And as for thine asses that were lost three days ago, set not thy mind on them; for they are found. And on whom is all the desire of Israel? Is it not on thee, and on all thy father' s house? Ary aza malahelo ny amin' ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an' iza ny zavatra irina rehetra eo amin' ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va? Ary aza manan' eritreritra ny amin' ireo ampondranao izay verinao efa hateloana izay, fa efa hita ireny. Sady ho an' iza koa moa ny zava-tsoa rehetra ao amin' Israely? Moa tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao rehetra va izany? Quant aux ânesses que tu as perdues il y a trois jours, ne t' en inquiète pas : elles sont retrouvées. D' ailleurs, à qui revient toute la richesse d' Israël ? N' est-ce pas à toi et à toute la maison de ton père ? "
1Sm / 1Sam 9:21 And Saul answered and said, Am not I a Benjamite, of the smallest of the tribes of Israel? and my family the least of all the families of the tribe of Benjamin? wherefore then speakest thou so to me? Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin' ilay kely indrindra amin' ny firenen' Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin' ny mpianakavin' ny firenen' i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao? Ka hoy ny navalin' i Saola: Moa tsy Benjamita aho, amin' ny kely indrindra amin' ny fokon' Israely? Ary amin' ny fokon' i Benjamina moa tsy dia ny fianakaviako va no kely indrindra! Ka ahoana ange no nilazanao teny toy izany tamiko? Saül répondit ainsi : " Ne suis-je pas un Benjaminite, la plus petite des tribus d' Israël, et ma famille n' est-elle pas la moindre de toutes celles de la tribu de Benjamin ? Pourquoi me dire de telles paroles ? "
1Sm / 1Sam 9:22 And Samuel took Saul and his servant, and brought them into the parlour, and made them sit in the chiefest place among them that were bidden, which were about thirty persons. Ary Samoela dia nitondra an' i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin' ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha teo amin' izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo. Fa nentin' i Samoela Saola sy ny mpanompony ka nampidiriny tao amin' ny efi-trano, sy nomeny ny toerana voalohany teo amin' ireo nasaina, izay lehilahy tokony ho telopolo. Samuel emmena Saül et son serviteur. Il les introduisit dans la salle et leur donna une place en tête des invités, qui étaient une trentaine.
1Sm / 1Sam 9:23 And Samuel said unto the cook, Bring the portion which I gave thee, of which I said unto thee, Set it by thee. Ary hoy Samoela tamin' ny mpanao nahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe. Tehirizo ity. Ary hoy Samoela tamin' ny mpanao nahandro: Arosoy ilay anjara napetrako taminao sady nilazako hoe: avaho hotehirizina. Puis Samuel dit au cuisinier : " Sers la part que je t' ai donnée en te disant de la mettre de côté. "
1Sm / 1Sam 9:24 And the cook took up the shoulder, and that which was upon it, and set it before Saul. And Samuel said, Behold that which is left! set it before thee, and eat: for unto this time hath it been kept for thee since I said, I have invited the people. So Saul did eat with Samuel that day. Dia nalain' ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin' ny eo aminy ka napetrany teo anoloan' i Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao, koa hano; fa ho amin' izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao hatramin' izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia niara-nihinana tamin' i Samoela androtrizay. Dia nalain' ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin' ny momba azy, ka narosony teo anoloan' i Saola. Ary hoy Samoela: Indro ny anjara voaavako, raiso ho eo anoloanao io ary hano, fa hatramin' ny nanasako ny olona no nitahirizana azy ho amin' ity fotoana ity. Dia niara-nihinana tamin' i Samoela Saola tamin' izay andro izay. Le cuisinier préleva le gigot et la queue, qu' il mit devant Saül, et il dit : " Voilà posé devant toi ce qu' on a laissé. Mange! ... " Ce jour-là, Saül mangea avec Samuel.
1Sm / 1Sam 9:25 And when they were come down from the high place into the city, Samuel communed with Saul upon the top of the house. Ary izy roa lahy nidina avy tao amin' ny fitoerana avo hankany an-tanàna, ary dia niresaka tamin' i Saoly teo an-tampon-trano Samoela. Nidina avy ao amin' ny fitoerana avo izy ka nankao an-tanàna, ary niresaka tamin' i Saola tao ambony tafon-trano Samoela. Ils descendirent du haut lieu à la ville. On prépara un lit sur la terrasse pour Saül
1Sm / 1Sam 9:26 And they arose early: and it came to pass about the spring of the day, that Samuel called Saul to the top of the house, saying, Up, that I may send thee away. And Saul arose, and they went out both of them, he and Samuel, abroad. Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an' i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela. Nifoha vao maraina koa izy ireo ary nony nazava atsinanana, dia nantsoin' i Samoela ho ao ambonin' ny tafo Saola nataony hoe: Mitsangàna fa halefako hianao. Dia nitsangana Saola, ka niara-nivoaka izy roalahy, dia izy sy Samoela. et il se coucha. Dès que parut l' aurore, Samuel appela Saül sur la terrasse : " Lève-toi, dit-il, je vais te dire adieu. " Saül se leva, et Samuel et lui sortirent tous deux au-dehors.
1Sm / 1Sam 9:27 And as they were going down to the end of the city, Samuel said to Saul, Bid the servant pass on before us, (and he passed on), but stand thou still a while, that I may shew thee the word of God. Ary nony nidina teo amin' ny faran' ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin' i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin' Andriamanitra. Nony tafidina tany ami' ny faran' ny tanàna izy ireo, dia hoy Samoela tamin' i Saola: Asaovy mialoha antsika ny mpanomponao. Dia nialoha ilay mpanompo. Ary mijanòna hianao izao hampandrenesako anao izay nambaran' Andriamanitra. Ils étaient descendus à la limite de la ville quand Samuel dit à Saül : " Ordonne au serviteur qu' il passe devant nous, mais toi, reste maintenant, que je te fasse entendre la parole de Dieu. "

<-
->