<-
->

1Sm / 1Sam 25:1 And Samuel died; and all the Israelites were gathered together, and lamented him, and buried him in his house at Ramah. And David arose, and went down to the wilderness of Paran. Ary maty Samoela ka nivory Isarely rehetra dia nitomaniany izy sy naleviny tao amin' ny fonenany, any Ramà. Tamin' izany dia nitsangana Davida ary nidina nankany an' efitr' i Faràna. Samuel mourut. Tout Israël s' assembla et fit son deuil; on l' ensevelit chez lui à Rama. David partit et descendit au désert de Maôn.
1Sm / 1Sam 25:2 And there was a man in Maon, whose possessions were in Carmel; and the man was very great, and he had three thousand sheep, and a thousand goats: and he was shearing his sheep in Carmel. Tany Maona nisy lehilahy anankiray, ary tany Karmela ny fananany. Mpanan-karem-be izy: telo arivo ny ondriny ary arivo ny osiny, ary tao Karmela izy tamin' izay noho ny fanetezana ny ondriny. Il y avait à Maôn un homme, qui avait ses affaires à Karmel; c'était un homme très riche, il avait trois mille moutons et mille chèvres, et il était alors à Karmel pour la tonte de son troupeau.
1Sm / 1Sam 25:3 Now the name of the man was Nabal; and the name of his wife Abigail: and she was a woman of good understanding, and of a beautiful countenance: but the man was churlish and evil in his doings; and he was of the house of Caleb. Nabala no anaran-dralehilahy io, ary Abigaila noanaran' ny vadiny; ravehivavy dia hendry tokoa sy tsara tarehy, fa ralehilahy kosa sady henjana no ratsy fiaina; taranak' i Kaleba izy io. L' homme se nommait Nabal et sa femme, Abigayil; mais alors que la femme était pleine de bon sens et belle à voir, l' homme était brutal et malfaisant; il était Calébite.
1Sm / 1Sam 25:4 And David heard in the wilderness that Nabal did shear his sheep. Ren' i Davida tany an' efitra fa nanety ny ondriny Nabala. David, ayant appris au désert que Nabal tondait son troupeau,
1Sm / 1Sam 25:5 And David sent out ten young men, and David said unto the young men, Get you up to Carmel, and go to Nabal, and greet him in my name: Naniraka zatovo folo lahy Davida ary hoy Davida tamin' ny zatovo nanao hoe: Miakara any Karmela hianareo, dia mankanesa ao amin' i Nabala, ka miarahabà azy amin' ny anarako. envoya dix garçons auxquels il dit : " Montez à Karmel, rendez-vous chez Nabal et saluez-le de ma part.
1Sm / 1Sam 25:6 And thus shall ye say to him that liveth in prosperity, Peace be both to thee, and peace be to thine house, and peace be unto all that thou hast. Ary izao no lazao aminy: Ho evla velona anie hianao! Ho aminao anie ny fiadanana, ho amin' ny ankohonanao anie ny fiadanana, ho amin' ny zavatra rehetra anananao anie ny fiadanana. Vous parlerez ainsi à mon frère : "Salut à toi, salut à ta maison, salut à tout ce qui t' appartient.
1Sm / 1Sam 25:7 And now I have heard that thou hast shearers: now thy shepherds which were with us, we hurt them not, neither was there ought missing unto them, all the while they were in Carmel. Ary ankehitriny reko fa mby ao aminao ny mpanety. Ary ny mpiandry ondrinao dia nitoetra tany aminay, ka tsy nisy nampalahelovanay azy, tsy nisy nalaina taminy nandritra ny andro rehetra nitoerany tany Karmela. Maintenant, j' apprends que tu as les tondeurs. Or tes bergers ont été avec nous, nous ne les avons pas molestés et rien de ce qui leur appartenait n' a disparu, tout le temps qu' ils furent à Karmel.
1Sm / 1Sam 25:8 Ask thy young men, and they will shew thee. Wherefore let the young men find favour in thine eyes: for we come in a good day: give, I pray thee, whatsoever cometh to thine hand unto thy servants, and to thy son David. Anontanio ny mpanomponao, fa holazainy aminao izany. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo lahy fa andro fifaliana izao ahatongavanay izao. Mba omeo amin' izay mety ho hitan' ny tànanao, ireto mpanomponao sy Davida zanakao. Interroge tes serviteurs et ils te renseigneront. Puissent les garçons trouver bon accueil auprès de toi, car nous sommes venus un jour de fête. Donne, je te prie, ce que tu as sous la main à tes serviteurs et à ton fils David". "
1Sm / 1Sam 25:9 And when David' s young men came, they spake to Nabal according to all those words in the name of David, and ceased. Nony tonga ny zatovon' i Davida naveriny tamin' i Nabala izany teny rehetra izany, tamin' ny anaran' i Davida, dia niala sasatra izy. Les garçons de David, étant arrivés, redirent toutes ces paroles à Nabal de la part de David et attendirent.
1Sm / 1Sam 25:10 And Nabal answered David' s servants, and said, Who is David? and who is the son of Jesse? there be many servants now a days that break away every man from his master. Ary izao no navalin' i Nabala an' ireto mpanompon' i Davida nataony hoe: Iza moa Davida ary zovy ny zanak' Isaï? Maro ny mpanompo milefa miala amin' ny tompony ankehitriny. Mais Nabal, s' adressant aux serviteurs de David, leur dit : " Qui est David, qui est le fils de Jessé ? Il y a aujourd' hui trop de serviteurs qui se sauvent de chez leurs maîtres.
1Sm / 1Sam 25:11 Shall I then take my bread, and my water, and my flesh that I have killed for my shearers, and give it unto men, whom I know not whence they be? Ary ny mofoko mbamin' ny ranoko amam-biby fiompiko novonoiko ho an' ny mpanety ondriko ve, ka halaiko homena izay olona tsy fantatro nihaviany? Je vais peut-être prendre mon pain, mon vin, ma viande que j' ai abattue pour mes tondeurs et en faire cadeau à des gens qui viennent je ne sais d' où! "
1Sm / 1Sam 25:12 So David' s young men turned their way, and went again, and came and told him all those sayings. Dia niverina ilàlana ny mpanompon' i Davida, ka nody, ary nony tonga izy, dia naveriny taminy izany teny rehetra izany. Les garçons de David rebroussèrent chemin et s' en retournèrent. A leur arrivée, ils répétèrent toutes ces paroles à David.
1Sm / 1Sam 25:13 And David said unto his men, Gird ye on every man his sword. And they girded on every man his sword; and David also girded on his sword: and there went up after David about four hundred men; and two hundred abode by the stuff. Ka hoy Davida tamin' ny olony: Samia hianareo manisy ny sabany amin' ny hetrany avy. Dia samy nanisy ny sabany tamin' ny hetrany avy izy ireo, ary Davida kos nanisy ny sabany tamin' ny hetrany, ary sahabo ho efa-jato lahy no niaraka nanaraka an' i Davida, fa roan-jato lahy kosa nipetraka niandry ny entana. Alors David dit à ses hommes : " Que chacun ceigne son épée! " Ils ceignirent chacun son épée, David aussi ceignit la sienne, et quatre cents hommes environ partirent à la suite de David, tandis que deux cents restaient près des bagages.
1Sm / 1Sam 25:14 But one of the young men told Abigail, Nabal' s wife, saying, Behold, David sent messengers out of the wilderness to salute our master; and he railed on them. Nisy mpanompo anankiray nitondra ny vaovao tamin' i Abigaila nanao hoe: Indro fa naniraka olona avy any an' efitra Davida hiarahaba ny tompolahintsika, kanjo niantraika tamin' ireny izy. Or Abigayil, la femme de Nabal, avait été avertie par l' un des serviteurs, qui lui dit : " David a envoyé, du désert, des messagers pour saluer notre maître, mais celui-ci s' est jeté sur eux.
1Sm / 1Sam 25:15 But the men were very good unto us, and we were not hurt, neither missed we any thing, as long as we were conversant with them, when we were in the fields: Tsara anefa ny nataon' ireny olona ireny taminay, tsy nisy nampalahelovany anay, tsy nisy nalaina taminay nandritra ny andro rehetra niarahany dia taminy, dieny mbola tany an-tsaha izahay. Pourtant ces gens ont été très bons pour nous, ils ne nous ont pas molestés et nous n' avons rien perdu, tout le temps que nous avons circulé près d' eux, quand nous étions dans la campagne.
1Sm / 1Sam 25:16 They were a wall unto us both by night and day, all the while we were with them keeping the sheep. Izy ireo no mandanay andro aman' alina, nandritra ny andro rehetra niarahanay taminy, teo am-piandrasana ondry. Nuit et jour, il ont été comme un rempart autour de nous, tout le temps que nous fûmes avec eux à paître le troupeau.
1Sm / 1Sam 25:17 Now therefore know and consider what thou wilt do; for evil is determined against our master, and against all his household: for he is such a son of Belial, that a man cannot speak to him. Koa ankehitriny, fantaro sy zahao izay tokony hataonao, fa efa voafofo hasiana ratsy ny tompontsika sy ny ankohonany rehetra; raha izy tokoa dia zana-Beliala ka tsy azo iresahana. Reconnais maintenant et vois ce que tu dois faire, car la perte de notre maître et de toute sa maison est une affaire réglée, et c' est un vaurien à qui on ne peut rien dire. "
1Sm / 1Sam 25:18 Then Abigail made haste, and took two hundred loaves, and two bottles of wine, and five sheep ready dressed, and five measures of parched corn, and an hundred clusters of raisins, and two hundred cakes of figs, and laid them on asses. Niaraka tamin' izay Abigaila dia naka mofo roan-jato, divay roa siny hoditra, ondrilahy vaovoatra dimy, lango dimy vata, vaingam-boaloboka maina zato, ary vaingan' aviavy maina roan-jato, nasampiny tamin' ny ampondra ireo, Vite Abigayil prit deux cents pains, deux outres de vin, cinq moutons apprêtés, cinq boisseaux de grain rôti, cent grappes de raisin sec, deux cents gâteaux de figues, qu' elle chargea sur des ânes.
1Sm / 1Sam 25:19 And she said unto her servants, Go on before me; behold, I come after you. But she told not her husband Nabal. dia hoy izy tamin' ireto zatovony: Mandehana eo alohako hianareo, fa aoriananareo aho manaraka. Tsy nilaza na inona na inona tamin' i Nabala vadiny anefa izy. Elle dit à ses serviteurs : " Passez devant, et moi je vous suis ", mais elle ne prévint pas Nabal, son mari.
1Sm / 1Sam 25:20 And it was so, as she rode on the ass, that she came down by the covert on the hill, and, behold, David and his men came down against her; and she met them. Nony nidina nitaingina ampondra tamin' ity toerana anankiray voasaron-kazo tao amin' ny tendrombohitra izy dia indro Davida sy ny olony nidina teo an-tandrifiny koa, ka nifanena tamin' izy ireo izy. Tandis que, montée sur un âne, elle descendait derrière un repli de la montagne, David et ses hommes descendaient vis-à-vis d' elle et elle les rencontra.
1Sm / 1Sam 25:21 Now David had said, Surely in vain have I kept all that this fellow hath in the wilderness, so that nothing was missed of all that pertained unto him: and he hath requited me evil for good. Davida nilaza hoe: Sasa-poana aho niaro ny ananan' iny lehilahy iny any an' efitra, ka tsy nisy nalaina izay rehetra ananany, nefa valiany ratsy ity ny soa nataoko. Or David s'était dit : " C' est donc en vain que j' ai protégé dans le désert tout ce qui était à ce bonhomme et que rien de ce qui lui appartenait n' a disparu! Il me rend le mal pour le bien!
1Sm / 1Sam 25:22 So and more also do God unto the enemies of David, if I leave of all that pertain to him by the morning light any that pisseth against the wall. Hoentin' ny Tompo amin' izay ngidiny indrindra anie ny fahavalon' i Davida. Tsy hasiako miangana, rehefa mety ho an' i Nabala, mandra-pahamaraina ny andro, na dia lehilahy iray aza. Que Dieu fasse à David ce mal et qu' il ajoute cet autre si, d' ici à demain matin, je laisse de tous les siens subsister un seul mâle. "
1Sm / 1Sam 25:23 And when Abigail saw David, she hasted, and lighted off the ass, and fell before David on her face, and bowed herself to the ground, Vao nahita an' i Davida Abigaila dia nidina faingana tamin' ny ampondra, niankohoka teo anatrehan' i Davida, ary nihohoka tamin' ny tany mihitsy, Dès qu' Abigayil aperçut David, elle se hâta de descendre de l'âne et, tombant sur la face devant David, elle se prosterna jusqu'à terre.
1Sm / 1Sam 25:24 And fell at his feet, and said, Upon me, my lord, upon me let this iniquity be: and let thine handmaid, I pray thee, speak in thine audience, and hear the words of thine handmaid. vao niantoraka teo an-tongony, nanao hoe: Aoka ho ahy, tompoko, aoka ho ahy ny tsiny! Avelao mba hiteny eo amin' ny sofinao ity ankizivavinao; ary henoy ny tenin' ny ankizivavinao. Se jetant à ses pieds, elle dit : " Que la faute soit sur moi, Monseigneur! Puisse ta servante parler à tes oreilles et daigne écouter les paroles de ta servante!
1Sm / 1Sam 25:25 Let not my lord, I pray thee, regard this man of Belial, even Nabal: for as his name is, so is he; Nabal is his name, and folly is with him: but I thine handmaid saw not the young men of my lord, whom thou didst send. Aoka ny tompoko tsy hihevitra akory an' iny olon' i Beliala iny, an' i Nabala, fa araka izay ambaran' ny anarany ihany ny toeny: ilay adala no anarany, ary misy hadalana ao aminy. Ary ny amiko ankizivavinao, tompoko, dia tsy mba nahita ny olon' ny tompoko izay nirahinao aho. Que Monseigneur ne fasse pas attention à ce vaurien, à ce Nabal, car il porte bien son nom : il s' appelle La Brute et vraiment il est abruti. Mais moi, ta servante, je n' avais pas vu les garçons que Monseigneur avait envoyés.
1Sm / 1Sam 25:26 Now therefore, my lord, as the Lord liveth, and as thy soul liveth, seeing the Lord hath withholden thee from coming to shed blood, and from avenging thyself with thine own hand, now let thine enemies, and they that seek evil to my lord, be as Nabal. Koa ankehitriny, tompoko, toy ny mahavelona an' ny Tompo, toy ny mahavelona ny fanahinao, dia narovan' ny Tompo tsy handatsa-drà hianao, na hamaly faty amin' ny tànanao. Ary ankehitriny aoka ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy ny tompoko no hanahaka an' i Nabala. Maintenant, Monseigneur, par la vie de Yahvé et ta propre vie, par Yahvé qui t' a empêché d' en venir au sang et de te faire justice de ta propre main, que deviennent comme Nabal tes ennemis et ceux qui cherchent du mal à Monseigneur!
1Sm / 1Sam 25:27 And now this blessing which thine handmaid hath brought unto my lord, let it even be given unto the young men that follow my lord. Izao fanatitra entin' ny mpanomponao amin' ny tompoko izao, dia raiso ary aoka hozaraina amin' ny zatovo manaraka ny tompoko. Quant à ce présent que ta servante apporte à Monseigneur, qu' il soit remis aux garçons qui marchent sur les pas de Monseigneur.
1Sm / 1Sam 25:28 I pray thee, forgive the trespass of thine handmaid: for the Lord will certainly make my lord a sure house; because my lord fighteth the battles of the Lord, and evil hath not been found in thee all thy days. Avelao ny heloky ny ankizivavinao fa trano mafy orina no hataon' ny Tompo tokoa ho an' ny tompoko, satria manohana ny adin' ny Tompo ny tompoko, ary tsy hisy ratsy ho hita ao aminao mandritra ny andro rehetra hiainanao. Pardonne, je t' en prie, l' offense de ta servante! Aussi bien, Yahvé assurera à Monseigneur une maison durable, car Monseigneur combat les guerres de Yahvé et, au long de ta vie, on ne trouve pas de mal en toi.
1Sm / 1Sam 25:29 Yet a man is risen to pursue thee, and to seek thy soul: but the soul of my lord shall be bound in the bundle of life with the Lord thy God; and the souls of thine enemies, them shall he sling out, as out of the middle of a sling. Raha misy olona mitsangan-kanenjika anao sy hitady ny ainao; ny ain' ny tompoko ho voafehy ao amin' ny fehezan' ny velona ao amin' ny Tompo Andriamanitrao fa ny ain' ny fahavalonao kosa ho voatsipiny eny lavitra eny, amin' ny foitran' antsamotady. Et si un homme se lève pour te poursuivre et attenter à ta vie, l'âme de Monseigneur sera ensachée dans le sachet de vie auprès de Yahvé ton Dieu, tandis que l'âme de tes ennemis, il la lancera au creux de la fronde.
1Sm / 1Sam 25:30 And it shall come to pass, when the Lord shall have done to my lord according to all the good that he hath spoken concerning thee, and shall have appointed thee ruler over Israel; Rahefa tanterak' Iaveh amin' ny tompoko ny soa rehetra nambarany momba ny tananao ka ho voatsangany ho filohany amin' Israely hianao, Lors donc que Yahvé aura accompli pour Monseigneur tout le bien qu' il a dit à ton propos et lorsqu' il t' aura établi chef sur Israël,
1Sm / 1Sam 25:31 That this shall be no grief unto thee, nor offence of heart unto my lord, either that thou hast shed blood causeless, or that my lord hath avenged himself: but when the Lord shall have dealt well with my lord, then remember thine handmaid. dia tsy hotsindronin' ny nenina hianao, na hampijalin' ny fony ny tompoko, avy amin' ny fandatsahan-drà tsy misy antony sy famaliam-paty ho an' ny tena. Ary rahefa asian' ny Tompo soa ny tompoko mba tsarovy ny ankizivavinao. que ce ne soit pas pour toi un trouble et un remords pour Monseigneur d' avoir versé en vain le sang et de s'être fait justice de sa main. Quand Yahvé aura fait du bien à Monseigneur, souviens-toi de ta servante. "
1Sm / 1Sam 25:32 And David said to Abigail, Blessed be the Lord God of Israel, which sent thee this day to meet me: Dia hoy Davida tamin' i Abigaila: Hankalazaina anie Iaveh Andriamanitr' Israely izay naniraka anao hitsena ahy androany! Hankalazaina anie ny fahendrenao lehibe! David répondit à Abigayil : " Béni soit Yahvé, Dieu d' Israël, qui t' a envoyée aujourd' hui à ma rencontre.
1Sm / 1Sam 25:33 And blessed be thy advice, and blessed be thou, which hast kept me this day from coming to shed blood, and from avenging myself with mine own hand. Ary hankalazaina anie hianao, izay niaro ahy tsy handatsa-drà foana sy tsy hamaly faty amin' ny tànako amin' ity andro ity. Bénie soit ta sagesse et bénie sois-tu, pour m' avoir retenu aujourd' hui d' en venir au sang et de me faire justice de ma propre main!
1Sm / 1Sam 25:34 For in very deed, as the Lord God of Israel liveth, which hath kept me back from hurting thee, except thou hadst hasted and come to meet me, surely there had not been left unto Nabal by the morning light any that pisseth against the wall. Fa raha tsy izany, toy ny mahavelona an' ny Tompo Andriamanitr' Israely izay nisakana ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy tonga faingana hitsena ahy hianao, dia nataoko tsy misy miangana ny an' i Nabala na lehilahy iray aza, mandra-pahazavan' ny andro. Mais, par la vie de Yahvé, Dieu d' Israël, qui m' a empêché de te faire du mal, si tu n'étais pas venue aussi vite au-devant de moi, je jure que, d' ici au lever du matin, il ne serait pas resté à Nabal un seul mâle. "
1Sm / 1Sam 25:35 So David received of her hand that which she had brought him, and said unto her, Go up in peace to thine house; see, I have hearkened to thy voice, and have accepted thy person. Ary noraisin' i Davida teny an-tànan' i Abigaila ny zavatra nateriny ho azy, ka hoy izy taminy: Miakara amim-piadanana ho an-tranonao, jereo fa nihaino ny feonao ary nampahazo toky ny tavanao aho. David reçut ce qu' elle lui avait apporté et il lui dit : " Remonte en paix chez toi. Vois : je t' ai exaucée et je t' ai fait grâce. "
1Sm / 1Sam 25:36 And Abigail came to Nabal; and, behold, he held a feast in his house, like the feast of a king; and Nabal' s heart was merry within him, for he was very drunken: wherefore she told him nothing, less or more, until the morning light. Dia nody tany amin' i Nabala Abigaila ka inty izy nanao fanasana tao an-tranony, toy ny fanasan' ny mpanjaka, ary faly ny fon' i Nabala, ary mamo loatra izy. Tsy nilaza kely na be taminy ny vavy mandra-pahazavan' ny andro. Quand Abigayil arriva chez Nabal, il festoyait dans sa maison. Un festin de roi : Nabal était en joie et complètement ivre; aussi, jusqu' au lever du jour, elle ne lui révéla rien.
1Sm / 1Sam 25:37 But it came to pass in the morning, when the wine was gone out of Nabal, and his wife had told him these things, that his heart died within him, and he became as a stone. Nony maraina anefa, efa nahatsiaro tamin' ny hamamoany Nabala, dia notantarain' ny vavy taminy izany zavatra izany, ka nihotakotaka nila hahafaty azy ny fony dia nanjary toy ny vato izy. Le matin, quand Nabal eut cuvé son vin, sa femme lui raconta cette affaire : alors son coeur mourut dans sa poitrine et il devint comme une pierre.
1Sm / 1Sam 25:38 And it came to pass about ten days after, that the Lord smote Nabal, that he died. Ary sahabo ho hafoloan taorian' izany, dia nasian' ny Tompo Nabala ka maty. Une dizaine de jours plus tard, Yahvé frappa Nabal et il mourut.
1Sm / 1Sam 25:39 And when David heard that Nabal was dead, he said, Blessed be the Lord, that hath pleaded the cause of my reproach from the hand of Nabal, and hath kept his servant from evil: for the Lord hath returned the wickedness of Nabal upon his own head. And David sent and communed with Abigail, to take her to him to wife. Nony ren' i Davida fa maty Nabala dia hoy izy: Isaorana anie Iaveh izay nahafa-tondromaso ahy, tamin' ny naniratsiran' i Nabala ahy, sady niaro ny mpanompony tsy hahavita ratsy. Fa ny lohan' i Nabala ihany no nataon' ny Tompo nifoteran' ny ratsy nataony. Taty aoriana, naniraka olona Davida hilaza amin' i Abigaila ny hakany azy ho vady. Ayant appris que Nabal était mort, David dit : " Béni soit Yahvé qui m' a rendu justice pour l' injure que j' avais reçue de Nabal et qui a retenu son serviteur de commettre le mal. Yahvé a fait retomber la méchanceté de Nabal sur sa propre tête. " David envoya demander Abigayil en mariage.
1Sm / 1Sam 25:40 And when the servants of David were come to Abigail to Carmel, they spake unto her, saying, David sent us unto thee, to take thee to him to wife. Nony tonga tany Karmela amin' i Abigaila ny mpanompon' i Davida, dia niteny taminy hoe: Nirahin' i Davida ho aty aminao izahay, ny amin' ny hakany anao ho vadiny. Les serviteurs de David vinrent donc trouver Abigayil à Karmel et lui dirent : " David nous a envoyés vers toi pour te prendre comme sa femme. "
1Sm / 1Sam 25:41 And she arose, and bowed herself on her face to the earth, and said, Behold, let thine handmaid be a servant to wash the feet of the servants of my lord. Nitsangana ravehivavy, dia niankohoka tamin' ny tany, vao niteny hoe: Indro fa ny ankizivavinao dia toy ny mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon' ny tompoko. D' un mouvement, elle se prosterna la face contre terre et dit : " Ta servante est comme une esclave, pour laver les pieds des serviteurs de Monseigneur. "
1Sm / 1Sam 25:42 And Abigail hasted, and arose and rode upon an ass, with five damsels of hers that went after her; and she went after the messengers of David, and became his wife. Nitsangana niaraka tamin' izay Abigaila nitaingina ampondra ary ny dimy tamin' ny zazavaviny nomba azy; nanaraka ny irak' i Davida izy ka dia tonga vadiny. Vite, Abigayil se releva et monta sur un âne; suivie par cinq de ses servantes, elle partit derrière les messagers de David et elle devint sa femme.
1Sm / 1Sam 25:43 David also took Ahinoam of Jezreel; and they were also both of them his wives. Nanambady an' i Akinoama avy any Jezraela koa Davida, ka vadiny avokoa izy roa vavy. David avait aussi épousé Ahinoam de Yizréel, et il les eut toutes deux pour femmes.
1Sm / 1Sam 25:44 But Saul had given Michal his daughter, David' s wife, to Phalti the son of Laish, which was of Gallim. Fa Saola efa nanome an' i Mikola zanany vavy, vanin' i Davida, ho vadin' i Faltì avy any Galima, zanak' i Laisa. Saül avait donné sa fille Mikal, femme de David, à Palti, fils de Layish, de Gallim.

<-
->