Fizahan-teny

Ohabolana : ambaviny

Ohabolana Aza atao fively ampongalahy ny havana: ny ambaviny tambatambazana, ny andahiny dobodobohana. [Rajemisa 1985 #71]
Aza atao fively amponga ny havana, ka ny ambaviny tambatambazana toy ny manana anaka, fa ny andahiny dobodobohina ho afa-jaza. [Rinara 1974]
Aza atao fively amponga ny havana: ka ny iray ambaviny tambatambazana, ary ny iray kosa andahiny hodobodobohana. [Houlder 1895 #225]
Aza atao toy ny fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana, ny iray andahiny dobodobohana. [Rajemisa 1985 #60]
Fanazavana malagasy Tsy tokony hasiana fiangarana ny fitiavan-kavana. [Rajemisa 1985 #71]
Dikanteny frantsay Ne faites pas à vos amis comme à un tambour, frappant légèrement sur l' un des côtés, mais très fort sur l' autre. [Houlder 1895]

Fizahan-teny