|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : ditsoka

Ohabolana 1Akoholahy miady am-pasika, ka samy miaro ny masony tsy ho ditsika. [2.165 #1171]
Akoholahy miady am-pasika : samy manala ny ditsika amin' ny masony. [2.415 #3226]
Akoholahy miady am-pasika : samy miaro ny masony tsy ho ditsika. [2.415 #3227, 2.558]
Akoholahy miady am-pasika : samy miaro ny masony tsy ho ditsoka. [2.415 #3227, 2.653 #65, 2.558]
Akoholahy miale am-pase ka sambe miaro ty masoñe tsy ho lintsike. [1.68]
Toy ny akoholahy miady am-pasika, ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka. [2.558 #4250]
Toy ny akoholahy miady am-pasika : samy manala ny ditsika amy ny masony. [2.653 #3173]
Dikanteny frantsayCoqs qui se battent dans le sable, ils s'arrangent pour ne pas être aveuglés. [1.68]
Coqs qui se battent sur du sable : gare aux yeux, chacun empêche les siens d' être aveuglés. [2.415 #3227]
Des coqs qui se battent dans le sable: chacun cherche à se protéger les yeux contre la poussière. [2.165]
Quand les coqs se battent sur le sable, chacun enlève de ses yeux la poussière qui l' aveugle. [2.415 #3226]
Fanazavana frantsayCe proverbe exhortait à ne pas se lancer dans une affaire peu claire et où il y a des risques à courir. [2.415 #3227]
Se disait des affaires qui ne sont pas claires ; autre sens : à chacun de se débarrasser de ses difficultés. [2.415 #3226]

Ohabolana 2Andevolahy mandihy an-jezika: mahare ny fingodony, fa tsy mahita ny handitsiky ny masony. [2.165]
Ankizilahy mandihy an-jezika : faly nihaino ny fidobony fa narahim-parasisa vao ory. [2.558 #281]
Ankizilahy mandihy an-jezika : ny fidobony dia tsara, fa ny maso ditsoka tsy voahevitra. [2.558 #280]
Dikanteny frantsayUn esclave dansant sur un tas de cendres: il entend résonner ses pas, sans s’apercevoir que ses yeux s’emplissent de poussière. [2.165]

Ohabolana 3Aza manao amboa ditsika. [2.415 #6344, 2.165]
Aza manao amboa ditsoka. [2.558 #488, 2.653 #414]
Dikanteny frantsayN' agissez pas comme un chien aveuglé. [2.165]
Ne faites pas comme un chien aveuglé par la poussière : il mord sans voir. [2.415 #6344]
Fanazavana frantsayN' agissez pas en aveugle. [2.165]
Se disait des gens obstinés, des bandits, de tous ceux qui agissent par violence. l' obstination et l' entêtement. [2.415 #6344]

Ohabolana 4Hianareo no maso mahita ny ditsika, ary kibo mahalala ny noana. [2.653 #1070]
Hianareo no maso mahita ny ditsoka sy kibo mahalala ny noana. [2.558]
Maso mahita ny ditsika ary kibo mahalala ny noana. [2.974 #345]
Dikanteny frantsayŒil qui discerne les grains de poussière, estomac qui discerne l’heure du repas. [2.974 #345]

Ohabolana 5Jamba sendra tadio : tsy matahotra izay ho ditsoka. [2.558]

Ohabolana 6Ny ady volom-balala : izay tia azy ihany no ditsika. [2.415 #3497, 2.653]
Ny ady volom-balala: ka izay tia azy ihany no ditsika. [2.165 #322]
Ny ady volom-balala ka izay tia azy no ditsoka. [2.558 #2824]
Dikanteny frantsayLes querelles ressemblent aux sauterelles qui n' aveuglent que les yeux de ceux qui les aiment. [2.415 #3497]
Les querelles sont comme des poils de sauterelle: ce sont ceux qui les aiment qui en ont plein les yeux. [2.165 #322]
Fanazavana frantsaySe disait des amateurs de querelles, et des frais que leur coûtaient leurs procès. [2.415 #3497]

Fizahan-teny