|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : singam-bolo

Ohabolana 1Ny rariny no singam-bolo mandavo ny vositra, rohy mora tsy afaky ny omby. [2.415 #3393, 2.653 #2400]
Dikanteny frantsayLa justice est un cheveu qui terrasse un boeuf, une corde peu serrée que les vaches ne peuvent pas rompre. [2.415]
Fanazavana frantsayLes grands et les puissants sont tenus à la justice comme les autres. [2.415 #3393]

Ohabolana 2Singam-bolo : am-bava singotry ny lela, voatelina singotry ny tsinay. [2.558 #3891]

Ohabolana 3Singam-bolo mandavo ny vositra. [2.415 #2462, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra kely mety hanimba zava-dehibe. [1.1]
Dikanteny frantsayUn cheveu renverse un boeuf. [2.415]
Fanazavana frantsayRenversé pour peu de chose ; ce proverbe avait aussi un sens érotique. [2.415 #2462]

Ohabolana 4Singam-bolo tafiditra an-tenda : mampandoa (mampihoaka) ny efa natelina. [2.558 #3894]

Ohabolana 5Singam-bolo tsy mahafehy faty. [2.165 #2104, 2.974 #168]
Singam-bolo tsy mahafehy faty, ny ranomaso tsy mahasakana ny nenina. [2.558 #3895]
Singam-bolo tsy mahafehy faty; ranomaso tsy mahatana aina. [2.415 #2920, 2.653 #2898]
Dikanteny frantsayUn cheveu ne lie pas un cadavre, des larmes ne retiennent pas la vie. [2.415 #2920]
Un seul cheveu ne peut attacher un corps. [2.165]
Un seul cheveu ne peut attacher un mort. [2.974 #168]
Fanazavana frantsayC' est une grande affaire que de préparer le corps pour le porter au tombeau. [2.165]

Fizahan-teny