|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : terena

Ohabolana 1Aza manao ranomaso teren' ny setroka. [2.558 #558]

Ohabolana 2Aza ny tompon' omby terena no ampisotroina ny hontsam-boatavo. [2.165 #591]
Dikanteny frantsayNe faites pas boire au propriétaire de la vache l' eau qui a servi à rincer la calebasse dans laquelle on met le lait. [2.165]

Ohabolana 3Manana ny renikely mandoza: eo an-doha, tsongotsongoiny; anindrana, tereny; anila-fatana, atosiny. [2.415 #920, 2.653 #1504]
Dikanteny frantsayEnfant et marâtre cruelle : quand il est couché au sommet du lit, elle le pince ; sur les côtés du lit, elle le presse ; auprès du foyer, elle le pousse. [2.415 #920]
Fanazavana frantsayLes marâtres avaient la réputation d'agir ainsi ; ce proverbe se disait en général des mauvais traitements. [2.415 #920]

Ohabolana 4Masaka teren' ny setroka toy ny akondro naotrika. [2.558 #2149]

Ohabolana 5Ranomaso teren' ny setroka. [2.415]
Dikanteny frantsayLarmes feintes sont comme celle que la fumée fait verser. [2.415]

Ohabolana 6Rano tapa-tsiny ka avezivezy, fanambadiana terena ka dokafana. [2.558 #3713]

Ohabolana 7Tsy ranomaso noteren' ny setroka, fa ny kibo saoky ny nahiny. [2.558 #4787]

Fizahan-teny