Fizahan-teny

Ohabolana : to

Ohabolana 1Fisaka ny to malama ny marina []

Ohabolana 2Izay tsy miady koa dia olom-bodo, ary izay to fo kosa dia mamosavy. [2.415 #149]
Izay tsy miady, olom-bodo, fa izay to-fo mamosavy. [2.558 #1525]
Izay tsy miady olom-bodo; fa izay to fo mpamosavy. [2.165 #348, 1.1]
Izay tsy miady olom-bodo; izay to fo mamosavy. [2.653 #1206]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa tsy misy tsy miady afa-tsy ny zaza tsy manan-tsaina, fa rehefa vita ny fifanazavana, olondratsy (mpamosavy) izay mbola mitahiry hatezerana na manao an-dolompo. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui ne veut pas se battre est un nigaud; mais celui qui ne démord de rien est un sorcier. [2.165]
Il y a des gens qui ne se battent pas et n' ont pas de rancune, ce sont des enfants ; mais il y a des gens qui gardent tout dans leur coeur et ont de la rancune, ce sont les sorciers. [2.415]
Fanazavana frantsayCe proverbe dit la méchanceté des sorciers. [2.415 #149]

Ohabolana 3Manan-jara samy hazo ny ambiaty : nahazo to amin' Andriamanitra, ka nataon' ny olona famantaran-taona noho ny tenin' ny razana. [2.415 #3115, 2.653 #1510]
Dikanteny frantsayHeureux sort que celui des arbustes ambiaty : ils ont reçu de Dieu la vérité et le pouvoir d' inspirer confiance, et sur la parole des ancêtres, les hommes en font le signe auquel ils reconnaissent les saisons. [2.415 #3115]
Fanazavana frantsayLa floraison de l' arbuste ambiaty servait à déterminer la saison propre aux semailles de printemps. [2.415 #3115]

Ohabolana 4Mianiana tsy to mandrakariva, ka matin' ny anian-dava. [2.415 #4205]
Dikanteny frantsayFaiseur de faux serments finit, tôt ou tard, par en être étranglé. [2.415 #4205]

Ohabolana 5Ny mpivady no miady : ny hitsiny no aolaka. [2.558 #3164]
Ny mpivady no miady, ny to no aolaka. [2.415 #1225, 2.653 #2359]
Dikanteny frantsaySi les époux se disputent c' est qu' il y a quelque injustice. [2.415 #1225]

Fizahan-teny