|
|
|
|

Teny iditra alo
Sokajin-teny anarana
 Manana hevitra iraisana hoe: mpanelanelana na fitaovana enti-manao zavatra tsy mivantana; olona asaina manelanelana amin' ny antokon' olona roa tonta
Fatorana enti-manasaraka ny kofehy alohan' ny hanenomana
Fandoarana ny vary na ny laoka na ny rony avy ao ambilany ho ao anaty lovia
Fanatsobohana ny vary antsotro ao anaty lovia misy ny ro [1.1]
 A tie used in separating the yarn into hanks previous to its being woven. Aloalo also used [1.2]
 Intermédiaire, messager
Les liens qui servent à séparer les fils avant le tissage
Action de transvaser le riz, la sauce, les mets de la marmite dans les assiettes
Action de plonger dans la sauce le riz qu’on a dans sa cuillère [1.3]
Sampanteny 

Teny iditra alo
Sokajin-teny anarana
  [Taisaka] Famangian-dralehilahy na fofombadiny, famangian-dralehilahy mampirafy ny iray amin'ny vadiny [1.78]

Teny iditra alo
Sokajin-teny anarana
 Tevana, fampana [1.1]
 Lohasaha kely ambony toerana [1.13]
  [Tankarana] Précipice. [1.19]
 Talweg d'altitude [1.13]
Voambolana 
Tovy hevitra lohalo

Teny iditra alo
Sokajin-teny anarana
  [Betsileo] Tadin-drano, onja [1.78]

Teny iditra alo
Sokajin-teny anarana
 Teny ilazana karazan' aretin-jaza vitsivitsy: alobotra, alofisaka, alomanehaka [1.1]
 Nom d’une maladie d’enfants [1.3]
Voambolana 

Teny iditra alo
Sokajin-teny anarana
  [Betsimisaraka, Sihanaka, Taimoro, Tambahoaka] fanoto [1.78]
  [Taimoro] Fanoto hazo [1.1]
 In the provinces it means a pestle. [1.2]
 Pilon [1.78]
Voambolana 

Teny iditra alo
Sokajin-teny anarana
  [Vezo] Jalousie, opposition --> farahy, rahamba, tafike, toha, tohetse [1.68]

Teny iditra alo
Sokajin-teny anarana
  [Bara] fifanandroana [1.78]

Teny iditra alo
Sokajin-teny anarana
 Karazana gidro misy volony mivolom-bolafotsy [1.1]
Voambolana 
Mpanahaka  aiay ~ antima ~ amboanala ~ endrina ~ gidro ~ maky ~ sifaka ~ varika

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/28