|
|
|
|

Teny iditra maloto (loto)
Sokajin-teny mpamaritra
 Misy pentina, misy loto mifotetaka, tsy voadio: Maloto izany trano izany
Misolitika, misotisoty, tsy mahadio tena: Zaza maloto i Lita kely ka ihatahan' ny namany
Mahafabaraka: Raharaha maloto io ka hihatahako madiodio
Vetaveta: Tokony hofadina ny teny maloto [1.1]
 Filthy [1.2, 1.7]
 Dirty [1.2]
 Impure [1.7]
 Sale [1.3, 1.8]
 Impur [1.3]
 Souillé [1.8]
Ohatra 
1Marokoroko sy maloto daholo ny tenany rehetra. [2.472]
2tsy mba azo nantsakána, fa maloto ny rano. [2.48]
3Ireo no ho maloto aminareo amin' ny biby mandady [2.996]
4Ny fitoeran-javatra rehetra misokatra fa tsy misy sarona mipetaka aminy, dia haloto [2.996]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : maloto, maloton', maloton-
Ny lasa : naloto
Ny hoavy : haloto, ho maloto
Tohi-kevitra 
Mpanahaka  tsy madio ~ tsy madio tena ~ solotika ~ solotidotika ~ vorery ~ misoritika ~ tsilotidotika ~ somitika ~ misotisoty ~ mitavontavona ~ somerongerona ~ misavoretaka ~ vazina ~ misotitika ~ mikesonkesona ~ mifotafota ~ mahamenatra ~ vetaveta ~ mahavoafady ~ mahafaty vorona ~ tsy fampiseho masoandro ~ mamoafady

Nohavaozina tamin' ny 2024/11/29