|
|
|
|

Teny iditra ray
Sokajin-teny anarana
 Ny lehilahy manan-janaka tokana na maro: i Rainilita no rain' Ibalita; ilazana koa ny olona tokotokony ho ray na tsy niteraka aza, toy ny vadin' ny reny niteraka (raikely), lehilahy nihahy sy nitaiza (ray mpitaiza), ny lehilahy nanangana ho zanaka (ray nanangana), ny ray tampo amin' ny ray aman-dreny (ireo dadatoa isan-kolafiny) [1.1]
  [Bara, Sakalava, Taifasy, Taimoro, Taisaka, Tanosy] aba [1.78]
  [Provincial] ada [1.2]
  [Betsimisaraka] baba [1.78]
  dada [1.1]
  ikaky [1.7]
  [Tankarana] kaky [1.19]
 Father [1.2, 1.7]
 Père [1.3, 1.54, 1.8, 1.5]
 Oncle [1.3, 1.5]
 Beau-père, père adoptif, père nourricier, les hommes âgés [1.3]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : ray, raiko, rainao, rainy, raintsika, rainay, rainareo, rain', rain-, raim-
Tovonana : -dray, -draiko, -drainao, -drainy, -draintsika, -drainay, -drainareo, -drain', -drain-, -draim-
Tovy hevitra aba ~ ada ~ baba ~ dada ~ ikaky
Mpanahaka  andry iankinana ~ haja sy voninahitra ~ kiady sy voninahitra ~ lany voamena zato ~ lany sikajy arivo ~ vato nandiavana

Teny iditra ray
Sokajin-teny anarana
 Kasika: Zaza tia ray
Fakana zavatra amin' ny tanana
Fampidirana olona ao an-trano [1.1]
 Action de saisir avec la main [1.3, 1.5]
 Action de prendre, d'accueillir, de donner l'hospitalité, de recevoir, d'admettre [1.3]
Sampanteny 
Tovy hevitra rairay

Teny iditra ray
Sokajin-teny tenim-piontanana [Fitanisana]
 Tenim-piontanana fanao eo alohan' ny olona itenenana raha maro: Henoy izao teny izao, ray vahoaka [1.1]
 Pour ry : Ray olona! (Ô peuple!) [1.3]

Teny iditra ray
Sokajin-teny mpamaritra
 Fanononana haingana ny Iray [1.1]

Teny iditra ray
Sokajin-teny anarana
  tanamasoandro: the rays of the sun; the spokes of a wheel [1.7]

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/12