Teny iditra adina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanontaniana: Tia adinadina koa iny Rangahy iny
Avina, antsafa, ontany, tanitany
Famotopotorana, famakafakana: Raha lalina adina malain-ko diso dia tsara, fa raha lalina adina hitotototo amin' ny tsy mety, ratsy
Mitovy hevitra: faka ~ fakafaka ~ fotopototra ~ hadihady ~ karoka ~ karokaroka. ~ savasava ~ sikotra ~ taratara [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Examination, scrutinising. Only used in compounds or derivatives, as tsara adina. [1.2]
 A question, an examination [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Question, examen [1.3, 1.8, 1.5]
 Information [1.5]
Ohatra eto kosa, tantara-na ady no atrehintsika, ka ady mangotraka mifanao maty sy velona mihitsy ary adina foko roa, ny iray mananika, ny iray miaro tena. [2.314]
Haiendriteny 
Tsotra : adina, adiko, adinao, adiny, adintsika, adinay, adinareo, adin', adin-, adim-, adi-
Sampanteny 
Tovy hevitra adinadina
Kamban-teny 

Teny iditra adiña
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Betsileo] Foana, ihany, fotsiny: Voky naho sao resake fa leha tsy voky ho mañeke foana [1.78]
Tovy hevitra mady

Teny iditra Adina
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy Adina [2.996]
Fanazavàna teny frantsay Adîn [2.996]
Ohatra ny taranak'i Adina dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato; [2.996]
Voambolana 
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly 
Lahatsoratra 

Teny iditra Adina
Sokajin-teny anarana
Anarana ara-paritra 
Adina microcephala sangandrato, sidindranto, sohy, sorindranto, tsohihy
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11