|
|
|
|

Teny iditra1  adaladala
Fototeny  2  adala
Sokajin-teny  3  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] enti-milaza olona kely saina, tsy misy loha, fatra-panaonao foana sady miseho ho bado, tsy mahazo tsara na oviana na oviana izay lazaina aminy: adaladala ilay vahinin-dry zareo ato atsimo: nahazo vorona izy, ka ny volom-bodiny no nongotany fa tsy ny elany, ka lasa nanidina ilay vorona
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3, 1.5] étourdi, un peu fou
6  [1.5] insolent
Ohatra  7  Toa adaladala no fihevitr' izay nanontaniako ahy! [2.5]
8  Tahaka ny adaladala indray ny olona nahita izany rehetra izany. [2.472]
9  fa be adaladala ny olona taloha, tsy mba tahaka ny hendry ankehitriny. [2.48]
Haiendriteny 
10  Tsotra :
Sampanteny 
11  Matoantenin' ny mpanao :
12  Matoantenin' ny iharana :
13  Matoantenin' ny fameno :
14  Anarana :
Mpanahaka  15  misy kely, nahafahana, kaondrana, vendrana, tangoarara, fondrana, baibo, zanakalo, tsy tohinina, manangan-tsampona, toraiky, ondranondranana, kidramadrama, manondrana, manasatsasaka, mirendrirendry, mitanendrinendrina, mitandrantandrana, mitondrantondrana, mitondrintondrina, mitondrendrena
Lohateny  16  Voninkazo adaladala (Andriamanantena Georges)
Ohabolana  17  Ohabolana misy io teny adaladala io

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21