Teny iditra kivy
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsy manana herimpo na herin-tsaina hanao zavatra fa ketraka, rera-po: Kivy ny miaramila nahare ilay vaovao nentinao
Mitovy hevitra: ketraka ~ maimolotra ~ mamoy fo ~ manary toky ~ mandevin-tsotrobe ~ mibareraka elatra ~ migarera ~ mikely soroka ~ mikororosy fahana ~ miraviravy tanana ~ mirefarefa lamba ~ mitakemotra ~ mivalaketraka ~ mivareraka ~ mivarilavo ~ miverina ilalana ~ rera-po ~ reraka ~ reratsaina ~ resy ~ soredretra ~ soretra ~ tapaka elatra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Discouraged, dismayed [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Découragé, déconcerté [1.3, 1.8]
 Dégoûté [1.3]
Ohatra 
1Misy sasany kivy nony ela ka lasa mandositra. [2.472]
2Kivy izahay, fa tsy naharaka intsony, satria hitanay, fa mitono aina foana izany. [2.324]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/29