|
|
|
|

Teny iditra1  kivy
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Tsy manana herimpo na herin-tsaina hanao zavatra fa ketraka, rera-po: Kivy ny miaramila nahare ilay vaovao nentinao
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] discouraged, dismayed
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3, 1.8] découragé, déconcerté
6  [1.3] dégoûté
Ohatra  7  Misy sasany kivy nony ela ka lasa mandositra. [2.472]
8  kivy izahay, fa tsy naharaka intsony, satria hitanay, fa mitono aina foana izany. [2.324]
Voambolana  9  Ontam-po
Sampanteny 
10  Matoantenin' ny mpanao :
11  Matoantenin' ny iharana :
12  Matoantenin' ny fameno :
13  Anarana :
14  Mpamaritra :
Mpanahaka  15  ketraka, reraka, maimolotra, resy, rera-po, reratsaina, soretra, soredretra, mikely soroka, migarera, mivareraka, mibareraka elatra, tapaka elatra, mirefarefa lamba, mitakemotra, miverina ilalana, mikororosy fahana, mivalaketraka, miraviravy tanana, mandevin-tsotrobe, mivarilavo, mamoy fo, manary toky
Kamban-teny 
Ohabolana  18  Ohabolana misy io teny kivy io

Fivaditsoratra  19  kivi, kivy, viky

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21