|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  lahy
Sokajin-teny  2  anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Teny entina milaza olona na biby mifanohitra amin' ny vavy. Raha itenenana olona ny hoe lahy dia fampiasa: 1) Hilazana zanaka lahy: Dimy mianadahy ny zanako; telo vavy, roa lahy. 2) Miaraka amin' ny teny milaza isa: Dia niainga izy roa lahy. 3) Ilazana ny vady lahy: Rasoa no ao fa ny lahy vao lasa nivoaka
Manana ny fomba na toetran-dehilahy: Hanao tantsambo hono ny zanany lahy.
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] a male, a man; a husband
masculine
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] mâle; homme; mari
mâle, masculin
6  [1.405] [Sakalava-Mayotte] mâle
Ohatra  7  Endrey, hoy ny lahy somary nihoraka; [2.470#102]
8  lahy iray izay no mba azy, tsy mitoetra miaraka aminy akory fa lasa nihary any anindratany any [2.470]
9  Dekona lahy sy vavy Analakely. [2.59#284]
10  ombi-lahy mitrena an-tseranana [2.245#53]
Haiendriteny 
11  Tsotra :
12  Tovonana :
Sampanteny 
13  Matoantenin' ny mpanao :
14  Anarana :
15  Mpamaritra :
Tohi-kevitra  16  vavy
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaram-poko 
Anaran' olona 
Anaran-toerana 
Ohabolana  264  Ohabolana misy io teny lahy io

Teny iditra (2/2)265  lahy
Sokajin-teny  266  tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  267  [1.1] Tenim-piontanana enti-milaza:
1) Alahelo, tsy fanampoizan-javatra: Lasa tokoa lahy izy!
2) Fiangaviana na fangatahana somary miambezo: Mba omeo aho lahy!
3) Fisalasalana, tsy fahalalana: Asa lahy! fa tezitra foana teo izy
4) Faniriana: Raha nanam-bola aho lahy novidiko itỳ saha itỳ
Fanazavàna teny anglisy  268  [1.2] used in phrases like: asa lahy!, tsara lahy!, maty lahy!
Kamban-teny 

Fivaditsoratra  272  haly, hila, lahy

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21