|
|
|
|

Teny iditra1  maditra
Fototeny  2  ditra
Sokajin-teny  3  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Be ditra, mikiry tafahoatra hanao araka ny heviny ihany na dia fantatra fa tsy marina sy tsy tsara aza: Lahiantitra maditra, tsy mbola nahita ohatra azy io aho
Minia manao ny tsy mety sy ny tsy tsara na dia tenenina lava izao aza: Zazalahy maditra iny fa mpisotro sy mpiloka ka tsy azonay ekena ho vadinao
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2, 1.7] stubborn
6  [1.2] obstinate, pertinacious
7  [1.7] disobedient
Fanazavàna teny frantsay  8  [1.8] obstiné, délinquant (se dit des jeunes)
Ohatra  9  Adala sy maditra no fitsaran-dreniny azy, nefa ataony ahoana fa azy sy mankarary ny fony. [2.470]
10  angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy. [2.996]
Haiendriteny 
11  Ny ankehitriny :
12  Ny lasa :
13  Ny hoavy :
Mpanahaka  14  mafy hatoka, mafy loha, mafy sofina, be bohihy, be marenina, donto, kirina, be kiry, be tohika, be bohika, kizitina, kafiry, madity, makikitra, be di-doha, mafy tadiny, mafy kitroka, mihizihizy, mahery loha, mahery vaika, mahery setra, mahery zaka, mahalava vava, manata-bava, matevin-koditra, mitsivalam-pandry, mahafotsy teny, mamotsy rora, tsy azo anarina, tsy hay toroana, tsy azo tenenina, tokam-bolana, tsy misy famavany, tsy andairan' anatra, tsy maty manota, tsy azo akisoka, tsy laitra akisoka, tsy azo atao ahoana amin' ahoana
Kamban-teny 
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny maditra io

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/11