Teny iditra | 1 mandositra |
Sokajin-teny | 2 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Manalavitra haingana mba tsy ho tratra, miriatra, mirifatra, miridana: Mandositra ny fahavalo Mivoaka an-tsokosoko, milefa: Nandositra hono Rainivoanjo efa voatana tao antranomaizina Midify: Mandositra ahy foana ny zanakao |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] to run away from; to flee |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.8] fuir, s'enfuir de |
Ohatra |
6 [2.5#] mandositra ny fakampanahy aho! 7 [2.471#] Nahoana ianao no mandositra ahy? 8 [2.528#] Vadin' Andriamanjaka ka entina mandositra! |
Fototeny | 9 lositra |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 14 midify, milefa, mitsoaka, mitsoriaka, miporitsaka, mivoaka, miriotra, mirifatra, manavotra aina, manao tsoa-pe, manao kaovasy, manao rarangy, manao tongotra an-katoka, manao vezamaimbo, riatra mandositra, vaky mandositra, vaky bao, vaky tady, tapa-kofehy, tsy tana, madio ny rano nitany, miridana, milomay, lasa any an-dakira, lasa any banty, lasa any am-parakatsakatsaka, manao tsipy kely, manary basy, manifi-drano, mitakidingina, manary, manjavona |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 18 Ohabolana misy io teny mandositra io |
Fivaditsoratra | 19 androtsiam, mandositra, mandrotsia |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |