Teny iditra | 1 maty |
Sokajin-teny | 2 matoanteny mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Afaka aina, tsy velona intsony: Maty omaly ilay sakanay be volo Voakapoka mafy: Matin' i Dada aho raha manao izany Tsy afa-miasa tsy afa-mihetsika, tsy mandeha simba: Maty ny tongony ilany ka mandringa izy ~ Maty ny famantaranandroko ~ Maty feo ny anao fa nikiahiaka loatra Tsy mirehitra intsony, milentika, tsy hita intsony (afo, masoandro, volana): Omeo afo kely aho fa maty ny sigarako ~ Efa maty ny masoandro Lany, very, resy an-doka: Maty ariary zato tamin' ny loka izy Tsy ampiasaina intsony, nofoanana, tsy andehanana intsony, tsy miasa intsony: Lalana efa maty izany ~ Fiteny maty izany Asiana izaitsizy: Matin' ny hafanana aho izany Tia zavatra efa izaitsizy; entanin-javatra mihoa-pampana: Matin' ny filan-dera ny anao ka nandray ny kihony ~ Matin-kambo ~ Matimatim-boninahitra |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.2, 1.7] dead 5 [1.2] gone out as a lamp, or a fire 6 [1.7] paralyzed (of the limbs) |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.3#437, 1.8, 1.196] mort 8 [1.8] paralysé (se dit des membres du corps) 9 [1.196] paralysé |
Ohatra |
10 [2.529] Tsy te-ho faty aho! 11 [2.293] voatsipy tany anaty rano avokoa, hono, izy rehetra ka maty. 12 [2.324] Maty marina ireo olona ireo, tompoko! 13 [2.4] Saika maty aho lahy, hoy aho anakampo, raha raikitra tamin' ireny teo! 14 [2.470] Asa na maty izy izay na mbola velona soa aman-tsara ihany. |
Fototeny | 15 faty |
Haiendriteny |
|
Sampanteny |
|
Mpanahaka | 23 dangy, diso, fohatra, jedana, jihitra, jingy, lasaanyaminnyvarotsymifody, lasaanyankoatra, lasanandriamanitra, lasankorazana, latsakaaina, mandryaoambanyrangolahy, manjahana, miamboho, miondambatomangatsiaka, mitsitra, modimandry, nivoakanyvaravarankazokaniditranyvaravarambato, nodyvovoka, tapitraandro, tsymiaina, tsytradrano, rabevoina, ratompokolahy, ratompokovavy |
Kamban-teny |
|
Anaram-biby |
|
Anaram-javamaniry |
|
Anaran-toerana |
|
Lohateny |
Ohabolana | 168 Ohabolana misy io teny maty io |
Fivaditsoratra | 169 atim, itam, maty, mita, mità, tami, tamy, tiam |
Nohavaozina tamin' ny 2025/04/25 |
![]() |