Teny iditra misaraka (saraka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mihataka: Vonjeo simà fa mila hisaraka ireto vato roa amin' ny tamboho ireto
¶ Tsy miray na mikambana intsony, miendaka: Nisaraka tamin' ny vadiny Ravao
¶ Mivaky roa: Tamin' ny taonjato faha-16 no nisaraka ny Protestà sy ny Katolika.
Mitovy hevitra: manangana entra ~ miala ~ mialanalana ~ mibifona ~ mielakelaka ~ miempaka ~ miendaka ~ mihalangalana ~ mihataka ~ mikipaka ~ misara-bazana ~ misintaka ~ misintona ~ mitsoaka ~ mivaky ~ mizara [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy to separate [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay se séparer [Hallanger 1974]
Endriteny 
misaraka
nisaraka
hisaraka
misaraha
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra Ary rahefa ho avy ny sambo misy ahy, dia mody misaraka vetivety. [Andriamalala: Ranomasina, takila 67]
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31