|
|
|
|

Teny iditra1  misaraka
Fototeny  2  saraka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Mihataka: Vonjeo simà fa mila hisaraka ireto vato roa amin' ny tamboho ireto
Tsy miray na mikambana intsony, miendaka: Nisaraka tamin' ny vadiny Ravao
Mivaky roa: Tamin' ny taonjato faha-16 no nisaraka ny Protestà sy ny Katolika.
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] to separate
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] se séparer
Ohatra  7  Ary rahefa ho avy ny sambo misy ahy, dia mody misaraka vetivety. [2.471]
Haiendriteny 
8  Ny ankehitriny :
9  Ny lasa :
10  Ny hoavy :
11  Filaza mandidy :
Mpanahaka  12  mihataka, miendaka, misara-bazana, manangana entra, miala, mialanalana, mihalangalana, misintona, mibifona, misintaka, mikipaka, mitsoaka, miempaka, mielakelaka, mizara, mivaky
Kamban-teny 
Anaram-poko 
Ohabolana  24  Ohabolana misy io teny misaraka io

Fivaditsoratra  25  maka sary, misaraka

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21