Teny iditra mitovy (tovy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mifanabaka, mifandraika, mifanaraka ny endrika na ny habe: Mitovy izy mirahalahy ireo
¶ Sahala, saingy misy maha-samy hafa azy kely ihany ireo teny roa ireo: ny "Sahala" dia enti-milaza indrindra fitoviam-bidy, lanja: Sahala ny anjaran' izy mirahalahy, fa ny "Mitovy" kosa dia fifanahafan' endrika na bika indrindra: Mitovy ny tarehin' izy mirahalahy.
Mitovy hevitra: angady mondro sy reniakoho ~ gamatra ~ kapoka iray ~ katroka iray ~ lasitra iray ~ mahaleo ny ~ mahatoraka ny ~ mifamatra ~ mifandanja ~ mifanentana ~ mifanerana ~ mova tsy ~ navela tao ~ ohatra ~ sahala ~ sahy mitahy ~ tahaka ny ~ toa ~ toraka ~ toy ny ~ tsy ambaka noho ny ~ tsy latsa-danja noho ny ~ tsy misy fankaiza ~ tsy misy hafa ~ tsy misy ivoasana ~ tsy misy valaka ~ vakin-tsaonjo roa [Rajemisa 1985]
 karaha, sahala; mifanaraka [SLP 1986]
Famaritana frantsay pareil; conforme [SLP 1986]
Endriteny 
mitovy
nitovy
hitovy
mitovia
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 

2013/09/26