Teny iditra (1/2) | 1 ody |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.78] [Taisaka]
fodiana 4 [1.78] [Tanala] fanafody, ody, sampy, tapakazo na zavatra hamasinina 5 [1.1] Tapa-kazo na zavatra hafa, toy ny vakana, eken' ny olona sasany ho manankery hitondra soa na hisakana loza rehefa tokavina: Finoanoam-poana ny mankamasina ny ody Zavatra entina manasitrana, fanafody (izay tsy inona fa "fanafana ody" no niaviany): Ody folaka mahomby ny tsimpimpina |
Fanazavàna teny anglisy |
6 [1.2, 1.7] a charm 7 [1.2, 1.7] a medicine 8 [1.7] a fetish; medicine for a given complaint, as: odyhatina, odyfitia |
Fanazavàna teny frantsay |
9 [1.3, 1.5] amulette, remède 10 [1.3, 1.5] charme 11 [1.3] sorcellerie, préservatif 12 [1.8] fétiche; médicament; médicament pour une certaine maladie, comme: odyhatina, odyfitia 13 [1.196] (on écrit aody sur la côte Est et aoly sur le côte Ouest et dans le Sud). Deux sens contradictoires (toute la conception malgache de l'univers repose ainsi sur la contradiction, la dialectique).
|
Ohatra |
14 [2.298] fa izao teny izao no ody basy, izao no tanjaka sy rehareha! 15 [2.59] ny harena alainy, nefa ny ody alahelo tsy misy izay azonao hatao. |
Voambolana |
16 Fahasalamana 17 Fivavahana, finoana |
Sampanteny |
|
Tovy hevitra | 22 aody, aoly, oly |
Kamban-teny |
|
Anaram-javamaniry |
|
Lohateny |
Ohabolana | 53 Ohabolana misy io teny ody io |
Lahatsoratra |
54 Randzavola: ody ao amin' ny Baiboly (=> sikidy) |
Teny iditra (2/2) | 55 ody |
Sokajin-teny | 56 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
57 [1.1] Tsy fampiasa mandeha irery, fa ny hevitra mety hananany amin' ireo sampanteny dia: a) fiverenana any amin' ny tanàna na trano onenana na any amin' ny tany niaviana; b) fisehoana ho manana toetra na ho manao asa eo imason' ny olona nefa tsy marina |
Fanazavàna teny frantsay |
58 [1.3] 59 [1.5] retour |
Sampanteny |
|
Fivaditsoratra | 63 dio, ody |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02 |
![]() |